A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga037.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Aza matahotra
Aza matahotra Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

“Aza matahotra….” Mat 10
“Ray masina ô! Manamasina anay amin’ny fahamarinana; ny Teninao no fahamarinana “
Ry fiangonana malala ! Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo . Amin’izao andro natokantsika hitondrana amim-bavaka ny fiainan’ny firenentsika izao dia io teny hoe “Aza matahotra io” no teny ho antsika. Toa milaza izany hoe “Aza matahotra” ny amin’ny firenenao
* fa ny tenanao aloha atahorana.
* Na koa efa misy miahy ny firenenao ka aza be fanahiana.

Fa inona moa ity atao hoe matahotra ity ?
Raha ny baiboly no jerena ny amin’ny hoe tahotra dia tsy misaraka amin’ny fanajana. Azo lazaina koa fa rehefa mivadika amin’ny teny nifanomezana dia zany no ihavian’ny tahotra.. Ohatra ny tahotra tao amin’ny olombelona voalohany dia noho izy ireo tsy nitazona ny teny nomena’Andrimanitra azy ireo dia ny fihinana an’ilay hazo teo afovoan’ny saha. Niery izy ireo dia Adama sy Eva izany (Gen 3.10). Teo amin’ny Zanak’Israely (ZI) ny teny hoe matahotra dia azo lazaina koe hoe manaja Ami’ny teny frantsay ohatra dia azo lazaina hoe : crainte, peur, respect , aspect terrible réverence
Mba ahazoan’ny jiosy na ny zanak’isiraely matahotra an’Andriamanitra ohatra dia nomena azy ireo ny tenin’Andriamanitra na ny didy (deo 4.10). Ny fahatahorana an’Andriamanitra dia toe-panahy enti-milaza ny fanajana Azy. Ny didy na ny lalàna izay nomena ny ZI no niteraka ny fanompoana amim-pitiavana sy fankatoavana marina an’Andriamanitra (Det 6)..Koa ny fahatahorana an’I Jehovah/Iaveh no fiandoham-pahendrena hoy ny Mpanao Salamo fah 111.10.
Tao amin’ny testamenta vaovao indray. Ny fahatahorana ny Tompo no lalana nandehana’ireo kristiana voalohany araky ny Asan’ny apostoly. Ary ny jentilisa niova kristiana dia nolazaina fa mpatahotra an’Andriamanitra (Asa 10..2). anisan’izaireo i’ Kornelio.
Andriamanitra tsy misaraka amin’ny teniny. Teniny izay tsy dia tian’ny olona loatra ny mihaino azy satria toa miteraka faneriterena ho azy ireo. Ny mpaminany Jeremia izay norenesintsika teo ny tantarany dia mampiseho izany. Jehova nomba azy toy ny lehilahy mahery matahotra.
Ireto 12 lahy
Toy izany koa ireto mpianatra 12 lahy vao nofidin’I Jesoa ireto eo amin’ny and. 2 Mat 10. 12 lahy izay nirahiny ary nodidiany hoe: “aza mandeha any amin’ny lalan’ny jentilisa, ary aza miakatra any amin’ny tananan’ny Samaritana fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’Isiraely.Teny an-dalàna anefa izy ireto dia nahita fahasarotana toa an’I Jeremia teo.Sarotra ny asa satria hoy Izy : indro izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo am-povoan’ny amboadia. Tsy ho mora ny raharaha satria fantatr’ireto 12 lahy ireto ny fifandraisan’ny ondry sy ny amboadia. Fomba fianana tamin’izany fotoana izany ny ady ataon’ny mpiandry ondry amin’ny amboadia. Ary dia arahin’ny Tompo fampitandremana maro izany. Tonga hatrany amin’izay mety hanolorana azy ireo main’ny manampahefana izany. Izany no tenen’I Jesoa hoe Aza matahotra . Tsy maintsy hohenjehina izy ireto satria tsy dia ankasitrahan’ireto mpiarabelona amin’izy ireo indrindra fa ny mpitondra fivavahana na manampahefana jiosy ny zavatra izay hambaran’izy ireto. Hoy ny Tompo Aza matahotra.
Aza matahotra.
Aza matahotra ny fanenjehana. Fanenjehana izay hiseho aminn’ny fisamborana n any fanesoana izany. Tsy mitovy fomba fiaina, fiteny, amin’izy ireo tsinona.
Miverina in-telo eto ny teny hoe aza matahotra :
* 26; aza matahotra azy ianareo fa tsy msy afenina izay tsy haseho, tsy maintsy hibaribary ny marina
* 28 : aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy.. Fa aloe matahotra izay mahay mahavery ny fanahy. Voafaritra ihany ny fahefana ananay satria ny tena ihany. Teny mivantana ho an’ireo manam-pahefana izany anefa koa ilazana fa ambony nohon’ny ten any fanahy. Koa aleo very tena toy izay very fanahy.
* 31 koa aza matahotra fa mihoatra nohon’ny tsintsina maro ianareo. Manomboka eo amin’ny and 28 isika dia mahita fampiatahana : fa aleo matahotra…Ka ny voalohany moa dia ilazana amintsika fa misy ny mahay mahavery ny fanahy sy ny tena any amin’ny helo ka tokony atahorana. Ny faharoa dia izay hitantsika eto amin’ny and.31 mihoatra nohon’ny tsintsina ianareo. Tsintsina izay vorona kely izay mora vidy kanefa dia izany aza dia tsy ataon’ny TOmpo hisy latsaka amin’ny tany. Vao maika ireto mpianany 12 lahy izay fantatry ny Tompo hatramin’ny isan’ny volo eny an-tampon-dohany aza.
Manome toky antsika ny Tompo , eny fa na dia miaina amin’izao fotoana izay toa tsy dia misy fanenjehana aza isika. Dia tsarovy fa ny mpanota no miova fa ny fahotana mbola eo ihany. Ny Tompo no hanome izay teny tokony havalintsika raha tong any fotoana izay hitenenana. Far aha niditra tamin’ny olona iray dia Adama izany, araky ny volazan’ny Epistily ho an’ny Romana teo, dia lehilahy hafa.dia amin’ny lehilahy iray koa , dia Jesoa kristy no lalana hivoahantsika amin’izany ota izany ary izany no atao hoe fanomezam-pahasoavana na grace ho antsika.
Ny fetimpirenena : 26 jona 2008
Anisan’ny fanao amin’ny fetim-pirenena ny fanomezana “grace” eran’izao tontolo izao. Anisan’izany koa ny firenentsika. Kanefa koa grace na tombon’andro omen’Andrimanitra ho anao anio ny ahazoanao mahatsiaro amim-bavaka ho an’ny firenenao na dia aty an’aliny kilometatra aty aza ianao. Raiso fa tahaka ny nanirahan’ny TOmpo an’ireto 12 lahy ireto koa no nanirahany anao ho tonga aty ampitandranomasina aty. Ary satria ny firenena an’ny Malagasy fa tsy an’ny kristiana dia anjaran’ny Malagasy kristiana ny mahatsiaro ny fireneny amin’izay fomba kristiana hitany fa mety amin’izany. Koa izany no mahatonga antsika rehetra izay kristiana tonga eto anio. Hitondra maim-bavaka izany firenentsika izany. Maro isan-karazany ny vaovao izay henotsoka avy tany. Eny mety ho efa ho heritaona na herinandro, na omaly no vaovao henotsika… Ny aznjarantsika dia ny miankina ary koa manakina izany firenentsika izany eo ampelatan’Andriamanitra. Ilay Zanahary, zay nahary an’io nosy malalantsika io, Zanahary tena fantantsika Malagasy tokoa satria vao nolazaina tamin’ireo razambentsika fa Ilay Andriamanitra notorin’ireto misionery dia tsy hafa akory fa ilay Zanahary inoan’izy ireo dia nanamora ny fifandraisana izany.
Ny anjarantsika ary tena adidintsika hoy aho teo ny mivavaka ho an’izay firenentsika izany dia ireo mpitondra maro isankarazany na ny firenena izany na ny fiangonana isan’ambaratongany avy ary ny vahoaka tsy ankanavaka.
Ny tenin’ny Tompo aminao , amiko dia ny tsy hatahotra ho an’izany firenentsika izany. Manampiahy ny firenentsika. Ny asan’ny tananan’Andriamanitra dia adidiny ihany. Ny anjarantsika kosa dia ny hiloa-bava ka hahasahy hijoro vavolombelona hambara ny famonjena izay efa noraisintsika ka nahattsara antsika toy izay nataon’I Jeremia , mpaminany, ny apostoly Paoly araky ny boky tao amin’ny testamenta vaova izay novakiantsika koa.
Mahereza sy mahatanjaha fa tsy mora ny mijorovavolombeloa eto amin’ity tany izay lazaina hoe mandroso ity kanefa mirona makany amin’ny helo ny vatany sy ny fanahiny.
Hoy ny Tompo aminao : Fa na izan na iza no hanaiky ahy eo antrehan’ny olona, dia ho ekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra. Fa na iza na iza no handa ahy eo anantrehan’ny olona dia holaviko kosa izy eo D.anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.Hoy Tompo aminao hoe : Aza matahotra.

D.ANDRIANARIVO
Toriteny Dijon
22 jona 2008

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack