|
Tena ilaina tokoa amin’ny fitaizam-panahy ho an’ny olona tiana hivelona amin’ny fiainana kristiana ny « fondamentalsme », kanefa tsy azo tanana mandrakariva haharitra eo amin’ny fitondram-piangonana izany, mba tsy hahatonga fitompoan-teny manjary fisainana ho hany manana ny marina ka manangam-bondrona manilika ny tsy mitovy amin’ny tena.
Maha-protestanta ny Protestanta ny foto-kevitra natsangan’ireo Réformateurs mba hanorenana ny finoana sy hahalalana an’Andriamanitra marina : Sola Scriptura ( « Ny Soratra Masina irery ihany »). Na Luther na Calvin kanefa dia samy nampitandrina ny tsy hanaovana ny baiboly hanjary ho toy ny andriamanitra kely indray, sy tsy hakantsika olombelona na oviana na oviana ny toeran’Andriamanitra, na dia amin’ny fandraisana ny hevitry ny Baiboly aza. Hoy Luther ao amin’ny fampianarany heviteny nataony momba ny Salamo : « Il faut dans l’Écriture sainte distinguer l’Esprit de la lettre, voilà ce qui rend vraiment théologien. C’est le Saint-Esprit, et non l’esprit humain, qui permet à l’Église de faire cette distinction. » Mbola hamafisiny ihany io fampianarany io, ka ambarany mazava tsara hoe : « Il y a deux choses, Dieu et l’Ecriture, de même qu’il y a aussi deux choses, le Créateur et la Créature.»[1]. Hoy ihany Luther raha nisy nampiasa teny ao amin’ny baiboly teo anatrehany mba hanamarinana ny fanamarinana ny olona amin’ny alalan’ny asany (justification par les œuvres) : « C’est le Christ qui est le Seigneur de l’Ecriture et de toutes les œuvres […] Tu presses l’esclave, c’est-à-dire l’Ecriture. Cet esclave-là, je te l’abandonne. Moi je choisis le Seigneur qui est roi.»[2] Calvin dia nanome lanja ny fahefan’ny Soratra masina , ka hoy izy hoe : « Il nous faut recevoir avec un esprit débonnaire et docilité tout ce qui nous est enseigné en l’Ecriture sans rien excepter[3] » sy hoe « que les fidèles tiennent pour arrêté et conclu qu’elles (les Ecritures) sont venues du ciel, comme s’ils oyaient là Dieu parler de sa propre bouche. »[4] Ireo tenin’i Calvin ireo no fikirin’ny fondamentalistes fatratra hanamarinany ny heviny. Kanefa Calvin dia nametraka elanelana mazava tsara. Tsy « tenin’Andriamanitra » ara-bakiteny ny Soratra masina, fa avy amin’ny tsindrimandry (inspiration) avy amin’Andriamanitra nonanoratana azy ka ao anatiny no ahafantarantsika ny Tenin’Andriamanitra. Hoy Calvin momba izany hoe : « Les Apôtres ont été comme des notaires jurés du saint Esprit, à ce que leurs Ecritures soient tenues comme authentiques, les successeurs n’ont autre commission que d’enseigner ce qu’ils trouvent être contenu aux saintes Écritures »[5], efa nambarany mazavazava kokoa teo aloha hoe : « La parole est comme un miroir auquel la foi doit contempler Dieu »[6]. Ny Fanambaram-pinoana protestanta tanantsika dia milaza mazava tsara fa : « La parole qui est contenue en ces livres est procédée de Dieu duquel elle prend autorité et non des hommes » ( Confession de foi de la Rochelle, art. 5 ) Ampy izay ny fanadihadiana momba ny « fondamentalisme » izay heverina fa hanampy antsika sy hahafahantsika mahafantatra ny antony mahatonga firoboroboan’ny antokom-pinoana kristiana protestanta vaovao izay antsointsika mahazatra hoe « sekta ». Saika itovizan’ny antoko manana toetra sectaire rehetra izao manaraka izao : • Mihevitra izy fa izy ihany no marina, ka tsy mazoto loatra amin’ny fitaomana olona mbola tsy mahalala mihitsy mba ho tonga kristiana izy ireo, fa ny misarika ny olona efa kristiana hiala amin’ny fiangonana misy azy mba hanaraka azy ireo ( « manjono am-bovo » = proselytisme) no ataony fatratra. • Manangana fitsitokotokoana izy, ka eo am-boalohany dia miseho ho mikarakara ny daholobe, fa mirona tsikelikely hankamin’ny samy maka ho azy (individualisme), ka ny mpitarika dia manjary maka fahefana tsy refesi-mandidy sy eken’ny fehezina rehetra an-jambany. • Havanana amin’ny fitsikerana ny hafa izy ireo, ary izay mpanaraka azy dia fanatique tsy azo hifampiraharahana mihitsy.
Fehiny Tsy rehefa antokom-pinoana vitsy an’isa rehetra ( communauté minoritaire) akory dia sekta avokoa, na dia izany aza no fijerin’ny maro an’isa azy. Ny Kristiana tany am-boalohany dia nataon’ny jiosy ho sekta, ary isika protestanta dia nataon’ny katolika romana ho sekta. Fahadisoan’ny mpitondra fiangonana sasany any Madagasikara ny mihevitra ny FPMA ho sekta. Mety ho izany ihany tokoa isika raha toa ka manangana fiangonana vaovao FPMA any an-toerana. Fa tsy fahendrena koa ho antsika kanefa ny manasokajy ny namana niendaka tamintsika ho sekta. An’Andriamanitra irery no mahalala sy mitsara ny fisainan’ny olona tsirairay. Ny anjarantsika dia ny mitaiza sy manolokolo ny finoantsika hiorina tsara, ka fikirintsika mafy ny fananaran’ny apostoly hoe : « mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefgitra amin’ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’nyfehim-pihavanana. Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo ; iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra. » Efesiana 4 :1-6 La Roche-sur- Yon, novambra 2005 Rév. Dr Jean A. RAVALITERA, Filoha Synôdaly, Filohan’ny FPMA.
[1] Éditions de Weimar des œuvres de Luther, WA 50, 657, 26 ho an’ilay voalohany, ary WA 18, 606, 11 ho an’ilay teny faharoa, lazain’i Marc LIENHARDT ao amin’ny bokiny, Martin Luther, un temps, une vie, un message, Paris/Genève, Le Centurion-Labor et Fides, 1983, tak. 326. [2] Martin LUTHER, Commentaire de l’épître aux Galates, Œuvres, vol. 15, Genève, Labor et Fides, tak. 298-299. [3] Jean CALVIN, Institution Chrétienne, I, XVIII, 4, Genève, Labor et Fides, 1965. [4] Institution Chrétienne, I, VII, 1. [5] Institution Chrétienne, IV, VIII, 9. [6] Institution Chrétienne, III, II, 6. |