A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga001.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Ny FPMA manoloana ny sekta (3)
Ny FPMA manoloana ny sekta (3) Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
J. Ravalitera   
Ahoana ny finoan’ny FPMA manoloana ny sekta ?

Tsara ihany aloha ny mampahatsiaro fa ny nahatongavan’ny Filazantsara tany Madagasikara dia tamin’ny alalan’ny fikambanana nateraky ny fifohazam-panahy tany Grande Bretagne, tsy niray mivantana tamin’ny Fiangonana ara-tantara, na dia nahazo fanampiana avy tamin’izy ireo ihany aza teo amin’ny lafiny ara-piofanana sy ara-bola.

Nirona kokoa tamin’ny nantsoina hoe « independanta » na ireo kongregasionalista io fikambanana mpaniraka misionera io : ny London Missionary Society (LMS). Ny Misiona Protestanta rehetra tonga nanampy ny LMS niasa tany Madagasikara taty aoriana dia saika mitovitovy aminy avokoa, afa-tsy ny MPF (avy amin’ny Société de Mission Évangelique de Paris) niombonan’ny Protestanta frantsay sy soisa kanefa nanana firehana nirona bebe kokoa tamin’ny fifohazana. Tsy mahagaga araka izany raha saika manakaiky ny antsoin’ny teolojiana hoe « fondamentalistes » ny fisainana ara-pivavahana eo amin’ny protestanta Malagasy.

Fa inona moa no atao hoe « fondamentalistes » ?

Hevitra efa mahazatra andraisan’ny olona ankehitriny ny hoe « fondamentalisme » dia fihenjanan-kevitra ara-pivavahana (radicalisme religieux) mahatonga toetra tsy manaiky fifampiraharahana amin’ny hafa heverina fa mivaona amin’ny fototra (fondamentl). Ho an’ny kristiana, ny hevitra tsotra fonosin’ny fanasokajiana ny atao hoe « fondamentalistes » dia ireo olona mandray ara-bakiteny izay voalazan’ny Baiboly ary miezaka hampihatra izany ara-bakiteny koa eo amin’ny fitondrantenany andavanandro. Ny fondamentalistes kristiana, mba hiavahany amin’ny fondamentalistes hafa, dia milaza ny tenany hoe « evangelicals » ( « ara-pilazantsara ») ary mivondrona amin’izany fiantsoana izany. Toheriny ny fanaovana heviteny ny voalazan’ny baiboly, ny fifanatonana amin’ny Fiangonana hafa « efa nivaona » (indrindra fa ny Katolika Romana) ka tsy mankasitraka ny ekiomenisma izy, ny fanarahana ny zava-misy moderna ( « izao tontolo izao »), indrindra fa ny fanaovana « politika ».

Fintimpintinina ny famoaboasana momba izany mba tsy hahazoany maka toerana be loatra amin’ny fifanakalozan-kevitra ataontsika. Efa azo lazaina sahady kanefa fa toe-tsaina navelan’ny « fondamentalisme » ny fikirizana handresy lahatra amin’ny hevitra eken’ny tena fa marina ka mahatonga fahalainana hanadihady kokoa sy hihaino ny hafa.

Ara-tantara, dia teo anelanelan’ny taona 1910 hatramin’ny 1915 no nivoahan’ny boky kely 12, nomena lohateny hoe : The fundamentals : a Testimony to the Truth (adika malalaka hoe : « Ireo votoatin-kevitra fototra : fijoroana ho vavolombelona momba ny Fahamarinana ») navoakan’ny mpanoratra kristiana tany Etazonia nenti-nanohitra ny fahalalahan-kevitra (libéralisme) nanomboka nahazo vahana. Tamin’ny alalan’ireo bokikely ireo dia nohamafisin’ireo mpanoratra ireo fa misy ireto foto-pinoana ireto izay tsy tokony hozongozonina mihitsy (non négociables) : ny nahaterahan’i Jesoa Kristy tsy vokatry ny firaisana ara-nofo ( la naissance virginale de Jésus), ny fitsanganan’ny vatan’i Kristy ho velona taorian’ny nahafatesany ( sa résurrection corporelle), ny sorona nanavotana teo amin’ny hazofijaliana ( le sacrifice expiatoire de la croix), ny fahasimban’ny olombelona rehetra noho ny fahotan’i Adama (la corruption de toute l’humanité par le péché d’Adam), ny fahantomoran’ny fiavian’i Kristy fanindroany (la seconde venue imminente du Christ), ny aingam-panahy na tsindrimandry mampilaza ny tenin’Andriamanitra sy ny tsy mety hampivaona mihitsy ny Soratra Masina (l’inspiration verbale et l’inerrance de l’Ecriture). Ireo bokikely ireo no nanjary fototra teolojika nijoroan’ny fihetsiketsehana ara-pinoana maro ka nanomezan’izy ireo anarana ny tenany hoe « fondamentalistes », satria mifikitra amin’ny votoatin’ny fototry ny finoana kristiana izy.

Toa tsy misy maharatsy ny « fondamentalisme » raha izany foto-keviny teo am-piandohana izany, satria mikendry ny hiaro ny finoana kristiana tsy ho tonga matsatso noho ny fifangaroharoana  amin’ny fahalalana samihafa eto amin’izao tontolo izao izy. Kanefa rehefa nihenjana ny fitanana izany foto-kevitra izany, dia nanjary niteraka foto-pisainana roa tsy manaiky fiadian-kevitra mihitsy : « Tenin’Andriamanitra ny Baiboly ary raisina ara-bakiteny izay voasoratra ao » (lecture de la bible de façon littérale comme Parole de Dieu) ; ny kristiana tsirairay dia tsy maintsy mahatsiaro fiovam-po manokana (expérience personnelle de conversion) : ny « tena » kristiana dia izay « nateraka indray » ary « nihaona manokana » tamin’i  Jesosy sy « nandray Azy teo amin’ny fiainany ».

Mbola azo lazaina ihany koa fa tsy misy maharatsy mihitsy izany foto-kevitra izany, satria tena lalana izoran’ny tsirairay tokoa eo amin’ny maha-kristiana azy izany. Fa misy ireto fanamarihana ireto tsara hoeritreretina ihany mba hahazoana misoroka ny fivadihan’ny foto-pisainana « fondamentalista » tsy hanjary hiteraka sekta (dérive sectaire) :

• Miteraka fahasahiranana eo amin’ny kristiana manoloana ny fanadihadiana siantifika sy fandrosoana ara-teknolojika sasany ny fihenjanan’ny fondamentalista mahery vaika. Nanjary niofo ho firehana pôlitika mihitsy izany, ka tsy mbola nifarana mandraka ankehitriny ny adihevitra tafapaka mihitsy hatramin’ny ady amin’ny tribonaly sy tonga lalàna ara-panjakana ao amin’ny firenena sasany any Etazonia. Misy, ohatra, olona mandà tanteraka ny fandrosoana mihitsy fa minia mijanona mivelona amin’ny fomba taloha, ka tsy mampiasa herinaratra (électricité), fiarakodia mbamin’ny fitaovana mampiasa milina  hetsehin’ny angovo (énergie) hafa ankoatra ny biby.

• Mandà ny lafiny ara-tantara eo amin’ny fisiana  (dimension historique de l’existence) ny foto-pisainana fondamentalista henjana, ka manamafy fa azon’ny olona rehetra hifandraisana mivantana tsy misy fanelanelana Andriamanitra (Dieu est directement accessible à l’homme, sans qu’il y ait besoin de médiations). Ny famakiana ara-bakiteny ny baiboly dia mitsipika ny fisian’ny kolotsaina  sy ny fotoana voafaritra ara-tantara ao anatin’ny baiboly, ka mahatonga fiheverana fa amin’ny famakiana azy dia azo dinganina ireo taonjato maro manelanelana antsika amin’ny olona velona tamin’ny fotoan’andro nanoratana ny baiboly (prôner une lecture littérale des textes bibliques, c’est nier leur inscription dans une culture et une époque données et prétendre que l’on peut faire dans la lecture, l’économie des siècles qui nous séparent d’eux).

• Nanana endrika fihetsiketsehana ara-kolotsaina teo anoloan’ny fivilian-dalana nanimba ny fiaraha-monina vokatry ny fanomezan-danja be loatra ny ara-tsaina ny fondamentalisma tany am-boalohany, satria nikendry ny hampiverenana amin’ny fototra niandohana izy ( À l’origine, le fondamentalisme a représenté un mouvement de protestation culturelle contre la modernité et visait un retour au fondement face à la dérive de cette modernité). Mandà ny fanaovana hevi-teny siantifika ny baiboly izy, kanefa manao hevi-teny ara-bakiteny ihany koa, ka matetika tsy mijery ny fiantraikan’ny dikanteny eo amin’ny fandraisana ny hevitry ny voasoratra. Mahatonga fivilian-dalana ihany indray koa izy noho ny fifikirana amin’ny hevitra voafaritra anaty fefy heverina ho hany marina. Izay no mahatonga azy hampisy antokom-pinoana maro izay samy mihevi-tena ho hany tokana marina avokoa.

Tao anatin’ny fahasahiranana no nipoirany ka nitaky fampiverenana hentitra ny hafatra ara-pivavahana amin’ny toetrany tsotra taloha ( il est une réaction à une situation de crise ou une situation  vécue comme telle, face à laquelle il prône un retour radical au message religieux dans toute sa pureté ). Tena fanomezana aina vaovao ny fiainam-panahy no nentin’ny fondamentalisma, kanefa tsy tokony hoheverina fa fahasahiranana (crise) foana no lalovan’ny finoana (na dia misy matetika ihany aza izany). Araka ny voalazan’ny apostoly dia ilaina ny « rononom-panahy » ho fitaizana, kanefa ezahina ny hahazakana « ventin-kanina » koa.

• Tsy voasakana tsy handrafitra fitsipi-pitondrantena henjana ny « fondamentalisma » noho ny fanarahana ara-bakiteny izay voasoratra. Matetika kanefa manjary mampiseho « taolana sarotra vakiana hakana ny tsoka ao anatiny » ny fahitana endrika fitsipi-pitondrantena toa mifanohitra ao amin’ny baiboly. Voatery manao safidy noho izany, ka indraindray mahatonga fampitsitokotokoana indray sy fanilihana ny hafa tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Efa finiavana hanadino ny tantara misoritra ao amin’ny baiboly izany, sady koa fandavana ny tantara manoritra ny fivoaran’ny finoana kristiana sy tsy firaharahiana ny hevitra maro ao anatin’ny baiboly (oubli volontaire que la Bible elle-même est un texte historique dont les différents livres sont marqués par les contextes de leurs écritures et réécritures ; c’est d’une certaine façon refuser l’historicité de la foi chrétienne et une occultation de la pluralité qui est présente à l’intérieur du corpus biblique).

                                                 (tohiny)

[1] Tamin’ny taona 1925, nalaza tao Dayton any Tennessee ny nantsoina hoe « procès des singes », satria notorian’ny olona sasany ka niafara tamin’ny fanamelohana azy tany amin’ny tribonaly ny mpampianatra biologie iray antsoina hoe J.T. Scopes izay nampianatra ny « théorie de l’Évolution » ka nilaza tamin’ny mpianany fa mety ho avy amin’ny rajako no niandohan’ny olombelona. Lalàna ara-panjakana ao amin’ny Fanjakan’I Tennesse any Etazonia ny fandrarana ny fampianarana izay teoria rehetra mandà ny faharian’Andriamanitra ny olona araka ny voalazan’ny baiboly (« Les lois de l’État de Tennessee interdisent l’enseignement de toute théorie niant la creation divine de l’homme selon la bible », cité par G. Kepel, La revanche de Dieu, Paris, Seuil, 1991, p. 150)

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack