|
Mar : 1 : 41 : Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tanany. Ry fiangonana malala, hampitomboina aminareo anie fahasoavana sy ny fiadanan’ i Jesosy Tompontsika . Amena. Anio dia alahady faha 5 amin’ny atao hoe Alahady tsotra eo amin’ny Fiangonana. Vao avy nanatrika ny alahady izay atao hoe fampisehoana ny mpamonjy isika na koa Epifania . Amin'ity anio ity dia Jesosy manatanteraka asa no hitantsika
Zava-misy Iverenantsika ny tantara arak’izay nanoratan’i Marka azy Any Galilia no miseho ny tantara.: -
nanaovan’i Jaona batisa an’i Jesosy -
nakan’i devoly fanahy an’i Jesosy -
Jesosy mitory ny filazantsara: Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra koa mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara -
niantsoan’i Jesosy ny mpianany voalohany : Simona sy Andrea, Jakoba zanak’i Zebedio sy Jaona rahalahiny izay mpanarato . Ho lasa mpanarato olona ireto -
Jesosy mampianatra ka nahagaga ny olona ny fahefana -
fanasitranana maro izay nataon’i Jesosy Jesosy manasitrana Hitantsika teo fa ny fahavalo voalohany dia ny devoly izay naka fanahy azy tany an’efitra. Ary mbola io ihany koa no fahavalo izay hiadiantsika hatramin’ny farany. Ny Devoly dia mpampisaraka antsika amin’Andriamanitra ary io no ahatongavan’i Jesosy. Ny hiverenantsika amin’Andriamanitra. Ny filazantsara izay torina dia efa resin’i esosy ny devoly tany an’efitra. Matahotra azy izy arak’izay hitantsika aoi amin’ny 1 :23 : moa mifaninona akory izahay sy ianao ry Jesosy avy any Nazareta, Avy handringana anay va ianao ? Fantatro fa ilay Masin’Andriamanitra ianao. Tena mahafantatra an’i Jesosy ny fanahy maloto. Miseho amin’ny endrika maro ny fanahy maloto arak’izay hitantsika eto amin’ity tantara ity: Ny aretin’ny nofo no sitranin’i Jesosy kanefa dia didiany koa ny fanahy maloto. Jesosy sy ny boka Boka manatona ary raisin-tanana. Raha isika no eo amin’ny toeran’i Jesosy dia angamba isika nanao gant. Mitady famojena amin’i Jesosy izay lasa onena azy . Ny teny hoe onena eto dia azo lazaina hoe mivarahontsana. Ary dia nodivin’i Jesosy. Kenefa dia nasainy koa nanaraka ny lanan izay misy. Ny hoe boka ao amin’ny fivavahana sy fisainana jiosy dia milaza hoe kapoka ary satria voakapoka dia marary ny hoditra. Mitovy ny foto-teny nakana ny hoe kapoka sy izay lazaintsika hoe boka. Matetika rehefa voakapoka ny jiosy dia isy aretina ao aminy ohatra : -
Mosesy : nampisehoan’’Andriamanitra an’i Mosesy fa Izy tokoa no maniraka azy nampitendreman’Andriamanitra an’i Farao raha toa ka tsy mino izy ;(Eks 4 :6) -
Egyptiana : ireo vay nahazo azy (Eks 9 : 9) -
Miriama sy Arona nanome tsiny an’i Mosesy (Nom 13 : 3..) dia nirehitra ny fahatezeran’i Jehovah ka lasa boka i Miriama (fotsy tahaka ny ora-panala) Ny olona boka dia nesorina teo amin’ny fiaraha-monina satria tsy vitan’ny hoe mifindra ny habokana fa noheverina fa maloto koa. Nefa ambonin’izany ny fahotana izay asehon’izany habokana izany. Fisarahana teo amin’ny vahoaka/fiangonana ary apetraka eny ivelany. Izany dia voalazan’ny lalan’i Mosesy arak’izay teny rentsika androany. Tena lasa resaka fivavahana ilay izy araky ny Eks 13: 2 Ny karazan’olona toy izany ankehitriny no manoloana an’i Jesosy. Nohon’ny hasarotan’ny aretina dia miaraka ny fanasitranana sy ny fanadiovana an’ity aretina ity. Mila sitranina satria aretina kanefa koamila fidiovana satria vokatry ny fahotana noho izany dia mila manao fanatitra. Milaza amintsika izao toe-java-miseho izao fa Jesosy dia tonga : -
Hanadio antsika main’ny fahotantsika izay mampisaraka antsika amin’Andriamanitra -
Ary io fisarahana amin’Andriamanitra io no lohalaharana amin’izany. -
Tsy ny fanahy ihany no vojen’i Jesosy fa ny nofo koa satria tsy afaka misaraka ireo Efa mety miova ny endrikin’ny habokana amin’izao fotoana izao dia ny fisian’ireo olona izay heverintsika fa miala amin’ny fiaraha-monina asa na “marginaux” na ..... Ry havana, Izao teny izao dia milaza fa isika dia tokny handray tanana an’ireo izay heverintsika fa miala amin’ny fiaraha-monina/olona rehetra. Ny fiangonana dia tsy miala amin’izao tontolo izao fa eo amin’izao tontolo izao. Hitondra ny filazantsara amin’izy ireo mba hamerina ny fitokisany sy ny hasiny ahazoany maka ny toerany. Ny Tompo no manadio fa tsy isika. Isika dia mpitondra teny ihany. Betsaka ireo malagasy eto Dijon izay manaraka toe-trandro ka mangatsiaka amin’ny fiaraha-miangona. Anjarantsika ny manome tanana an’izy ireo mba hiverenany indray. Izany no asan’ny fiangonana :mampiely izay nataon’ny Tompo tamintsika Amen Raiso ny fitahiana : Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina Amena. |