|
pasitera
|
|
Dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho Sal 23.6 b
Salamo nataon’I Davida izay tsy hafa fa mpiandry ondry. Tena mahalala ny asany izy koa noho izany no antony. Betsaka no milaza fa ity Salamo ity dia natao ho hiraina amin’ny fotoana andalovana fangirifiriana : mba hiomanana, mba hiaretana ary koa mba ahazoana hery. Misy mpandinika milaza fa tsara ny ifampizarana azy ity miaraka amin’ny namana mandritr’izany fotoana izany mba ahazoana hery bebe kokoa (ny entan-jarai-mora zaka).
Mampahatsiaro antsika ny asan’ny mpiandry I Davida eto : fikarakarana ny ondry ary ny fikolokoloana azy mba tsy hananany zava-mahory. Azo zaraina roa ity salamo ity dia Jehovah mpiandry (1-4) ary Jehovah mampiantrano (5-6). Ny anjarantsika amin’ity andro ity dia ny hoe Jehovah mampiantrano (amin’ny fomba jiosy) Ka mamelatra latabatra ary mampisakafo eo imason’ny fahavalo Izy, manosotra diloilo ny loha Izy Vokatr’izany : ny kapoakako feno dia feno . Tena fetin’ny fandresena. lehibe tokoa izany. Midika izany fa mandray fahasoavana na fanomezana maimaimpoana tsy misy takalony ary koa famindram-po na fihavanana. Izany rehetra izany dia mitondra amin’ny fiverenana maharitra ao an-tranon’I Jehovah . Izany no an’I Davida, fa ho anao kosa mba ahoana? Ahoana no fandraisanao izany salamo izany ? Marina fa samy manana ny maha izy azy isika ka ao ny dokotera toy an’ity havantsika lasa ity, ao ny mpamboly sy ny sisa maro isan-karazany. Vokatr’izany dia samy manana ny fandraisan-tsika na fampiharantsika ity salamo ity isika araky ny asantsika tsirairay avy. Ary izany dia mitondra fahasoavana eo amin’ny fiainantsika (promotion ohantra !!) ary koa famindram-po Fa ho an’ity havantsika izay lasa ity, izay fantantsika fa dokotera no asany dia hoy izy : Jehovah no dokoterako, tsy hananjava-mahory aho….
Nahavita ny fihazakazahany izy. Tsaroanay tokoa ny fiafaran’ny fiainany tao amin’ny hopitaly, raha tonga namangy azy ny mpitandrina Aumonier Befelatanana ary koa ireo mpiandry avy tamin’ny Aumonerie ary koa ny FJKM Isotry Fitiavana (Antananarivo). Nijoro vavolombelona ny havantsika ary dia nilaza izy fa Jesosy Kristy no mpamonjy azy. Azony ny fahasoavana sy ny famindram-po avy tamin’I Jehovah. Mbola mitaona anao izay tonga manatitra ny vatany mangatsika izany ny amin’ny fahazahoanao antoka ny famonjena izay nataon’I Jesoa ho Anao. Koa ny hamatorantsika azy dia izao teny izao: Hoy Jesosy aminao anio : aza mijery an’Io vatana mangatsiaka io fa ny tenanao no jerena. Efa nahavita ny fihazakazahany izy. Koa lazaina fa hoy Jesosy : Izaho no tena mpiandry tsara (Jao 10:11). Ny mpiandry tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny. Tsy mba mpikarama Izy. Fantany ny Azy ary ny Azy mahafantatra Azy. Jesosy maty mba hiandrasany anao ka hahazoanao fahasoavana sy famindrampo. Izany rehetra izany dia tsotra ihany : ny ahazoanao hitoetra na hiverina ao an-tranon’I Jehovah androl vava. Tsy andrasana amin’ny fahafatesana ny fiverenana amin’ity tranon’I Jehovah ity fa amin’izao andro ahavelomanantsika izao. Rah ate-hifankahita maharitra isika dia aoka ary samy hitoetra ao an-tranon’I Jehovah izay misy ny fahasoavana ary ny famindrampo ho ahy sy ho anao.
Amen.
D.ANDRIANARIVO
Ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra nohon’ny niantsoany ny mpanompony Dr RAKOTOARIMALALA Daniel.
Toriteny tao amin’ny FJKM Manjaka Fihobiana Ambohijoky Antananarivo Atsimondrano ny 5 marsa 2008 |