A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga059.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Tsy an'ny maty
Tsy an'ny maty Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty fa an’ny velona Lio 20.38

Ny tantaran’ny resaka nifaonavan’ireto sadoseo tamin’i Jesosy izao resahina eto izao. Eo am-piankarana mankany Jerosalema Jesosy izao. Ny Hazofijaliana, ny fahafatesana ary ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no miandry azy araky ny voalazan’ny filazantsara. Jesosy izay ipetrahan’ireo fanontaniana maro ho entina amandrika Azy taorian’ny nandroahany an’ireo izay nivarotra tao amin’ny tempoly ka nitenenany tamin’ireo mpivarotra hoe ny tranoko dia trano fivavahana (Isa 56.7) fa ianareo manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy (Jer 7.11).

Taorian’izany moa dia nampianatra isan’andro teo afovoan’ny tempoly . Fa ireo mpisorona, sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady izay hahafaty Azy Lio 19.47. Nitohy ireo fanotanianireto mpisorona, sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nentina hamandrika an’i Jesosy toyny fahefany, vola ho an’i Kaisara, sns.

Efa tonga ao Jerosalema ny Tompo eto. Ary dia mahatsapa ireo olona eo amin’ny fitondram-piangonana ny amin’ny loza izay mety hahazo azy ireo avy amin’ity Jesosy ity. Arakaraky ny irosoan’ny andro no irosoan’izany koa amin’ny isan’ambaratongany.

Eto isika dia mahita, antokon’olona iray izay izao no mba hita voalohany raha ny filazantsaran’i Lioka no resahina dia ny Sadoseo izany.

Fa iza moa ireto sadoseo ireto ? Ny Mpandinika maro dia milaza fa ireto antokon’olona ireto dia niala avy tamin’i Zadoka zanak’i Ahitoba izay hita ao amin’ny boky Itan 18.16. Io Zadoka io no noheverina tamin’ny andron’i Davida sy Solomona zanany fa tena mpisorona. I Ezekiela az dia andray azy ireo ho filohan’ny mpisorona (Ez 40.46). Ny dikan’’ny hoe Zadoka : marina, mahitsy. Koa izay taran’i Zadoka ihany no tena mpisorona.

Ny anarana hoe sadoseo izay avy tamin’ny Zadoka dia tsy hita any amin’ny Testament Taloha. Ny 200 talohan'i Jesoa Kristy no niandohan’nny hoe hoe Sadoseo. Nolavin’izy ireto ny amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty (Mar 12.18) ary koa ny fiainana any an-koatra. Eto ny vahoaka dia efa saiky lasa nanaraka ny Tompo tamin’ny niakarany tany Jerosalema. Mila ho voahozongozona ny fahefan’ireto mpisirona be ireto dia ny sadoseo izany ka mikendry ny hamely an’i Jesosy koa izy ireo. Sadoseo izay manohana ny mpisoronabe tamin’izany.

Koa ireto sadoseo ireto no manatona an’i Jesosy . izy ireto hametraka ny fanontaniana momba an’izany fitsanganan’ny tena amin’ny maty izany

Eto ary iska dia mahita an’ireto sadoseo ireto mametraka fanotaniana an’i Jesosy : nolazainy alohany lalàna mifehy izany araky ny lalan’i Mosesy Deot 25.5 raha misy manan-drahalahy maty, tsy niteraka, ka mbola velona ny vadin’ilay maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny Rehefa nandeha ny tantara dia samy nandalo teo amin’ilay vehivavy daholo izy 7 mirahalahy, izay samy tsy niteraka. Izay vao maty ilay vehivavy.

Ny fanontanian’ireto sadoseo amin’ny fitsanganan’ny maty, ho vadin’iza moa ravehivavy ? satria efa nanambady azy avokoa izy 7 mirahalahy. and.32

Namaly ny Tompo ka nanazava fa tsy mitovy amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao ny fiainana amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.

* Izay tsy hisy mpampaka-bady na avoaka hampakarina.

* Tsy hisy intsony ny fahafatesana

* Fa mitovy amin’ny anjely

* Sady zanak’Andriamanitra satria zanaky ny fitsanganan’ny maty

Ilay Andriamanitra izay niteny tamin’i Mosesy fa Andriamanitry ny razanao raha sendra nahita an’ity Voaroy izay nirehitra fa tsy nety levona i Mosesy .Andriamanitry ny velona fa tsy ny maty.

Hitantsika izany tamin’ny tantara izay novakiantsika tao amin’ny bokin’i Daniela ny amin’ireto 3 lahy nijoro ho vavolombelona ka tsy niankohoka tamin’ny sampin’i Nebokadnezara, mpanjaka ,fa nidera sy nankalaza an’Andriamanitra izay noheverin’zy ireo fa hamonjy azy tamin’ny afo dia i Sadraka, Mesaka ary Abednego. Ary dia izany tokoa ny niseho. Tsy levona izy 3 lahy ka na dia ny mpanjaka aza dia nidera an’io Andriamanitr’izy telo lahy io tahaka izay nataon’i Mosesy raha nahita an’ity Voaroy tsy nety levona koa.

Inona ary moa no tokony hataontsika ?

Hitantsika eto ny fahaizan’i Jesosy ny tantara. Raha niteny an’i Mosesy ireto sadoseo ireto, izay tsy hafa akory fa havany ihany satria i Jesosy Kristy koa anie dia taranak’i Zadoka (Mat 1.14). Novaliny tamin’ny tantaran’i Mosesy koa izany.

Mila mahalala ny tenin’andriamanitra isika ahazoantsika miady amin’Ilay ratsy. Betsaka ny tsy mahalala n ny dikany ka mandray an-tendrony fotsiny toy ireto sadoseo ireto. Raha ny marina dia ny sezan’izy ireto no tena tandremany ka mitady izay haimpangany azy izy ireto. Malaza tokoa izy ireto ny amin’ny tsy finoany ny fitsnaganan’ny tena amin’ny maty. Tsy azony fa rehefa miana amin’izany fiainam-baovao izany anie dia tena fiainana tsy mitovy amin’izao fiainana izao satria

* tsy misy ny atao hoe fanambadiana sady tsy mampakatra no ampakarina

* mitovy amin’ny anjely :midera an’Andriamanitra, irak’Andriamanitra

* Zanak’Andriamanitra : mpirahalahy amin’i Jesosy

Ny fahavelomana no tian’ny Tompo omena anao raha manolotra ny tenanao ho Azy ianao anao anio

Betsaka ny olona manodidina anao ny mety hametraka fanotaniana toy ireto sadoseo ireto satria fantany fa mankaty am-piangonana ianao na efa andray ny famonjena ianao raha ny marina kokoa.

Tsapanao ve fa miaina ao anatin’ny fahavelomana ianao ? Feno fiderana ny fiananao. Te-hitondra anao miala avy amin’ny fahafatesana ny Tompo hankanesanao any amin’ny fahavelomana. Izany no anambarana aminao ny Tenin’Andriamanitra. Raha tsy izany dia very andro ianao mankaty an-tranon’Andriamanitra.

Tsy fomba fotsiny izany fa tena fiainana velona no aroso ho ano. Tena misy tokoa ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty raha toa ka manaiky an’i Jesosy ho Tompon’ny fiainanao ianao. Tsy ny maty ara-nofo ihany akory no maty fa ny maty aram-panahy ihany koa. Fa raha ho lo io tenanao na ny vatano io. Ny fanahy kosa dia hisy fitsarana.

Ny Andriamanitra izay ivavahantsika dia Andriamanitry ny velona: olona izay nandray an’i Jesosy Tompo ho mpamonjy azy fa tsy manampy zavatra hafa akory.

Koa dia raiso ary izany Jesosy izany ho anao dia ho vonjena koa ny fianakavianao.

Asantsika eto amin’ny FPMA Dijon izany. Koa aza misalasala. Mahereza sy mazotoa fa ny Tompo homba anao

. Amena

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack