|
Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty
fa an’ny velona Lio 20.38
Ny tantaran’ny resaka
nifaonavan’ireto sadoseo tamin’i Jesosy izao resahina
eto izao. Eo am-piankarana mankany Jerosalema Jesosy izao. Ny
Hazofijaliana, ny fahafatesana ary ny fitsanganan’ny tena
amin’ny maty no miandry azy araky ny voalazan’ny
filazantsara. Jesosy izay ipetrahan’ireo fanontaniana maro ho
entina amandrika Azy taorian’ny nandroahany an’ireo
izay nivarotra tao amin’ny tempoly ka nitenenany
tamin’ireo mpivarotra hoe ny tranoko dia trano
fivavahana (Isa 56.7) fa ianareo manao azy ho zohy
fieren’ny jiolahy (Jer 7.11).
Taorian’izany moa dia nampianatra
isan’andro teo afovoan’ny tempoly . Fa ireo mpisorona,
sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady izay hahafaty
Azy Lio 19.47. Nitohy ireo fanotanianireto mpisorona, sy ny
mpanora-dalàna ary ny loholona nentina hamandrika an’i
Jesosy toyny fahefany, vola ho an’i Kaisara, sns.
Efa tonga ao Jerosalema ny Tompo eto. Ary
dia mahatsapa ireo olona eo amin’ny fitondram-piangonana ny
amin’ny loza izay mety hahazo azy ireo avy amin’ity
Jesosy ity. Arakaraky ny irosoan’ny andro no
irosoan’izany koa amin’ny isan’ambaratongany.
Eto isika dia mahita, antokon’olona
iray izay izao no mba hita voalohany raha ny filazantsaran’i
Lioka no resahina dia ny Sadoseo izany.
Fa iza moa ireto sadoseo ireto ? Ny
Mpandinika maro dia milaza fa ireto antokon’olona ireto dia
niala avy tamin’i Zadoka zanak’i Ahitoba izay hita ao
amin’ny boky Itan 18.16. Io Zadoka io no noheverina
tamin’ny andron’i Davida sy Solomona zanany fa tena
mpisorona. I Ezekiela az dia andray azy ireo ho filohan’ny
mpisorona (Ez 40.46). Ny dikan’’ny hoe Zadoka : marina,
mahitsy. Koa izay taran’i Zadoka ihany no tena mpisorona.
Ny anarana hoe sadoseo izay avy
tamin’ny Zadoka dia tsy hita any amin’ny Testament
Taloha. Ny 200 talohan'i Jesoa Kristy no niandohan’nny hoe
hoe Sadoseo. Nolavin’izy ireto ny amin’ny
fitsanganan’ny tena amin’ny maty (Mar 12.18) ary koa ny
fiainana any an-koatra. Eto ny vahoaka dia efa saiky lasa nanaraka
ny Tompo tamin’ny niakarany tany Jerosalema. Mila ho
voahozongozona ny fahefan’ireto mpisirona be ireto dia ny
sadoseo izany ka mikendry ny hamely an’i Jesosy koa izy ireo.
Sadoseo izay manohana ny mpisoronabe tamin’izany.
Koa ireto sadoseo ireto no manatona
an’i Jesosy . izy ireto hametraka ny fanontaniana momba
an’izany fitsanganan’ny tena amin’ny maty
izany
Eto ary iska dia mahita an’ireto
sadoseo ireto mametraka fanotaniana an’i Jesosy : nolazainy
alohany lalàna mifehy izany araky ny lalan’i Mosesy
Deot 25.5 raha misy manan-drahalahy maty, tsy niteraka, ka mbola
velona ny vadin’ilay maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra
an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny Rehefa nandeha
ny tantara dia samy nandalo teo amin’ilay vehivavy daholo izy
7 mirahalahy, izay samy tsy niteraka. Izay vao maty ilay
vehivavy.
Ny fanontanian’ireto sadoseo
amin’ny fitsanganan’ny maty, ho vadin’iza moa
ravehivavy ? satria efa nanambady azy avokoa izy 7 mirahalahy.
and.32
Namaly ny Tompo ka nanazava fa tsy mitovy
amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao ny fiainana
amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty.
* Izay tsy hisy mpampaka-bady na avoaka
hampakarina.
* Tsy hisy intsony ny fahafatesana
* Fa mitovy amin’ny anjely
* Sady zanak’Andriamanitra satria
zanaky ny fitsanganan’ny maty
Ilay Andriamanitra izay niteny
tamin’i Mosesy fa Andriamanitry ny razanao raha sendra nahita
an’ity Voaroy izay nirehitra fa tsy nety levona i Mosesy
.Andriamanitry ny velona fa tsy ny maty.
Hitantsika izany tamin’ny tantara
izay novakiantsika tao amin’ny bokin’i Daniela ny
amin’ireto 3 lahy nijoro ho vavolombelona ka tsy niankohoka
tamin’ny sampin’i Nebokadnezara, mpanjaka ,fa nidera sy
nankalaza an’Andriamanitra izay noheverin’zy ireo fa
hamonjy azy tamin’ny afo dia i Sadraka, Mesaka ary Abednego.
Ary dia izany tokoa ny niseho. Tsy levona izy 3 lahy ka na dia ny
mpanjaka aza dia nidera an’io Andriamanitr’izy telo
lahy io tahaka izay nataon’i Mosesy raha nahita an’ity
Voaroy tsy nety levona koa.
Inona ary moa no tokony hataontsika ?
Hitantsika eto ny fahaizan’i Jesosy
ny tantara. Raha niteny an’i Mosesy ireto sadoseo ireto, izay
tsy hafa akory fa havany ihany satria i Jesosy Kristy koa anie dia
taranak’i Zadoka (Mat 1.14). Novaliny tamin’ny
tantaran’i Mosesy koa izany.
Mila mahalala ny tenin’andriamanitra
isika ahazoantsika miady amin’Ilay ratsy. Betsaka ny tsy
mahalala n ny dikany ka mandray an-tendrony fotsiny toy ireto
sadoseo ireto. Raha ny marina dia ny sezan’izy ireto no tena
tandremany ka mitady izay haimpangany azy izy ireto. Malaza tokoa
izy ireto ny amin’ny tsy finoany ny fitsnaganan’ny tena
amin’ny maty. Tsy azony fa rehefa miana amin’izany
fiainam-baovao izany anie dia tena fiainana tsy mitovy
amin’izao fiainana izao satria
* tsy misy ny atao hoe fanambadiana sady
tsy mampakatra no ampakarina
* mitovy amin’ny anjely :midera
an’Andriamanitra, irak’Andriamanitra
* Zanak’Andriamanitra : mpirahalahy
amin’i Jesosy
Ny fahavelomana no tian’ny Tompo
omena anao raha manolotra ny tenanao ho Azy ianao anao anio
Betsaka ny olona manodidina anao ny mety
hametraka fanotaniana toy ireto sadoseo ireto satria fantany fa
mankaty am-piangonana ianao na efa andray ny famonjena ianao raha
ny marina kokoa.
Tsapanao ve fa miaina ao anatin’ny
fahavelomana ianao ? Feno fiderana ny fiananao. Te-hitondra anao
miala avy amin’ny fahafatesana ny Tompo hankanesanao any
amin’ny fahavelomana. Izany no anambarana aminao ny
Tenin’Andriamanitra. Raha tsy izany dia very andro ianao
mankaty an-tranon’Andriamanitra.
Tsy fomba fotsiny izany fa tena fiainana
velona no aroso ho ano. Tena misy tokoa ny fitsanganan’ny
tena amin’ny maty raha toa ka manaiky an’i Jesosy ho
Tompon’ny fiainanao ianao. Tsy ny maty ara-nofo ihany akory
no maty fa ny maty aram-panahy ihany koa. Fa raha ho lo io tenanao
na ny vatano io. Ny fanahy kosa dia hisy fitsarana.
Ny Andriamanitra izay ivavahantsika dia
Andriamanitry ny velona: olona izay nandray an’i
Jesosy Tompo ho mpamonjy azy fa tsy manampy zavatra hafa akory.
Koa dia raiso ary izany Jesosy izany ho
anao dia ho vonjena koa ny fianakavianao.
Asantsika eto amin’ny FPMA Dijon
izany. Koa aza misalasala. Mahereza sy mazotoa fa ny Tompo homba
anao
. Amena
|