|
Ny Andraikitry ny FPMA Dijon |
|
|
|
|
D. Andrianarivo
|
Ny FPMA eto Dijon dia fiangonana manatanteraka ny baikon'ny Kristy hoe
: ataovy mpianatra ny firenenena rehetra, manaova batisa azy ho amin'ny
anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy
hitandrina izay rehetra nandidiako anareo (Mat 28 : 19).
Vokatr'izany ny FPMA Dijon dia : - manao mpianatra na ny fitoriana ny Teny hahatonga ny olona rehetra ho Mpianatr'i Kristy - manao batisa ireo mpianatra ireo - ary mampianatra izay nandidian'i Kristy antsika izay voalaza ao amin'ny Teniny. Koa
raha liana amin'ny Fampianarana, ny Batisa na ny hafa koa ianao
dia aza misalasala ny manoratra na mametraka hafatra eto amin'ny Oeba. Ny FPMA Dijon dia tsy mijery izay mety ho antokom-pinoanao fa misokatra ho an'ny firenena rehetra. Miandry anao izahay, aza misalasala mameno ny fifandraisana eto amin'ity oeba ity. |