|
FPMA Toulouse : Mpitandrina matihanina vaovao |
|
|
|
|
pasitera
|
|
Ho an'ny tompon'andraikitra FPMA,
Ry Havana,
Miarahaba antsika amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo,
Mahafaly anay ny mizara amintsika izao vaovao izao:
Noho ny fitahian'Andriamanitra dia vita soamantsara ny fifidiana ny mpitandrina matihanina eto anivon'ny FPMA Toulouse.
Izay natrehan'ireto manaraka ireto :
- Ny mpitandrina synodaly Dr rev. Jean Ravalitera, filoha FPMA
- Ny mpitandrina Charles Rakotondramanana, mpandrindra ny FATSAN
- Ny filoha+birao FATSAN : Zoniaina Ralantomanana, Lala Ramanantoandro, Solo Rabarimanana
Voafidy ny fivoriambe tamin'izany ny Mpitandrina Elysée Andriamiandra
Ny Voninahitra ho an'Andriamanitra Irery Ihany
Amin'ny anaran'ny Komity ny tafo FPMA Toulouse
HERY RAMAMONJISOA
Filoha FPMA Toulouse
02/07/07
______________________________________________________________________________________________
Ry havana;
Ny Mpitandrina sy ny FPMA Dijon dia faly misaotra an'Andriamanitra ny amin'ny nanendreny an'Atoa Elysée ANDRIAMIANDRA, mpitandrina sy ny vadiny amin'izao fanompoana izao. Marihina fa izy mivady dia efa maherin'ny 15 taona izao no niandrakitra an'ity Tafo ity. Tsy zohina koa ny andraikitra noraisin'Atoa ANDRIAMIANDRA teto amin'ny FPMA toy ny TONIAN'NY FPMA tamin'ny foatoan'androny. Fanamafisan'Andrimanitra ny fiantsoany an'ireto mpanompo ireto izao koa dia ny mametraka azy ireo eo ambany fitarihan'Izay niantso azy ireo no fanirian'ny TAFO FPMA DIJON.
Miarahaba koa ny Tafo TOULOUSE izay tarihin'Atoa Hery RAMAMONJISOA ny amin'izao diangana lehibe nataon'izy ireo izao.Tsarovy fa ny TOmpo no tompon'ny asa fa isika dia fiasana ihany. Koa miankina betsaka aminy mba hamoazantsika bebe kokoa.
D.ANDRIANARIVO, mpitandrina
sy ny TAFO FPMA DIJON |