A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga030.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Fiangonana arrow Izay mahavangivangy....
Izay mahavangivangy.... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
D. Andrianarivo   
"Izay mahavangivangy tian-kavana "
Teny malagasy mahazatra antsika izany. Raha tonga eto amin'ity oeba ity ianao dia te-hamangy anay ianao. Tsy kisendresendra akory fa misy dikany na dia tsy fantatrao aza.
Tamin'ity volana janoary 2006 isika dia :

Namangy ny Fiangonana katolika Ste Elisabeth de la Trinité tany Fontaine d'Ouche, izay niarahana tamin'ny fiangonana Eglise Reformé vazaha sy ny Kopta orthodoxe eto Dijon
Namangy koa  isika niaraka tamin'ny fiangonana katolika eto Dijon  ny fiangonana ERF.
Niaraka tamin'ny fiangonana katolika isika ny 29 janoary lasa teo.
Izany rehetra izany dia anatin'ny sehatra atao hoe eokomenisma.

Fa nandray koa isika dia ny choralie faritany FPMA avaratra atsinana. Namangy antsika teto izy ireo. Tsapa ny fampaherezana nentiny tamin'izany na tamin'ny fampifandraisana, na tamin'ny resaka indrindra fa tamin'ny hafatra an-kira izay nataony.
Tsy natao ho irery tokoa isika fa ny hira-belona. Indrindra fa ny hifampizara izay ananana.
Nandray ny famonjena avy tamin'i Jesosy Kristy isika dia tokony hizara izany koaamin'ny mpiara-belona amintsika.

Raiso ho adidy ny fijoroana vavolombelona toy izany izay efa nataon'ireo apostoly teo alohantsika..
Koa aoka isika hanohy sy hitazoana ny famangiana ho anton-draharaha satria sady mampahery ny hafa isika no mampahery ny tenantsika koa".
 
< Précédent
 
Joomla Templates by Joomlashack