|
.raha misy tia Ahy, dia hitandrina
ny teniko izy Jao 16:23
Faly miarahaba antsika amin’izao alahady alahady faha 5
aorian'ny paska izao. Ankalazaintsika miaraka amin'ny STK eto
amin'ny fiangonana. Teny sarotra satria manambara zavatra roa
lehibe dia ny atao hoe fitiavana ary koa ny teny. Ny
voakasik'izany indray dia “ raha misy olona”
ary koa ny hoe Ahy. Izany hoe ny fifandraisan'i Jesosy sy
izay milaza ny ho tia Azy.
Eto amin'ity Jaona faha 14 ny Tompo dia
efa mahafantatra fa tsy ho ela akory dia hifarana ny fotoana
iainany ety an-tany. Eo am-pankalazany ny fetin'ny Pasaka izay
ahatsiarovan'ny Jiosy ny fialany tamin'ny fandevozana tany
an'efitra Izy. Hita tamin'izany :
- ny nanasan'i Jesosy ny tongotry ny
mpianany toko 13
- ny nannodroan'i Jesosy izay hamadika
Azy dia Jodasy Iskariota izany (13.21)
- ny nilazan'i Jesosa ny hialany tety
an-tany (13.33)
- ny nanomezan'i Jesosy didy vaovao ho
an'ireto mpianany : ny fifankatiavana (13.34)
- ny tokony hinoan'ireto mpianatra ireto
an'i Jesosy (14.11)
Eto Izy dia mamerina ilay resaka
fitiavana. Mamitina Jesosy ny amin'izay tokony ho fizotry ny
fiainantsika
Raha misy olona tia ahy, dia
hitandrina ny teniko izy; ary ny raiko dia ho tia azy, ary ho
ao aminy izahay ka honina ao aminy.Io fitiavana io no voalohany.
Raha misy ny fitiavana dia tsy maintsy misy ny tiavina. Io
fitiavana io no mampifandray anao amin'ny hafa. Ahoana ny
ifandraisanao amin'ny hafa ? Ny fitiavana. Misy milaza fa ny
lalàna satria io no mandrindra ny fiarahanao miaina amin'ny
hafa. Ny lalàna no manome to-ro lalana amin'izay azoanao
atao. Ny didy folo koa dia tahaka izany. Mamaritra ny
fifandraisan-tsika amin'Andriamanitra ary amin-tsika samy olona.
Andriamanitra dia Andriamanitry ny filaminana fa tsy ny
fikotranana. Atorony avokoa izay tokony ho fiainantsika ebny
hatamin'izay eritreretina ho kely aza toy ny fomba fiakanjo
(Levitikosy ...). Ny Didy folo dia milaza amintsika izay tokony
hifandraisantsika amin'Andriamanitra (6) ary 4 ny
fifandraisantsika samy olona.
Amin'ny and 13.34 Jesosy dia manome didy
vaovao : Didy vaovao no omeko anareo, tahaka ny nitiavako anareo no
aoka kosa mba hifankatiavanareo. Didy izay mamerina izay voalaza ao
amin'ny Lev 19.18 aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay
iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao : Izaho
no Jehovah. Io fitiavana io no tokony hananantsika : ny tena
fitiavana dia manolotra ny ainy ho an'ny sakaizany. Fa toy izao no
nitivan'Andriamanitra izao tontolo izao. Nomeny ny Zananilahy
tokana...(3.16). Ny mariky ny fitiavana dia ny fanomezana. Ohatra
ny Zanaka Lahitokan'Andriamanitra, fanomezana ny ainy ho an'ny
hafa, sns.
Eto izany fitiavana izany dia aseho
amin'ny alalan'ny fitandremana ny teniny. Miaraka eto ny hoe
fitiavana/fitandremana, Izany dia efa hitantsika tamin'ny and 14.
15;21;27; Ireto mpianatra ireto dia mahalala tsara ny lalana satria
jiosy izy ireo ary koa mahafantatra ny tenin'i Jesosy satria
mpianany ary niara-nipetraka taminy, nampianariny, nahita ny asany
sns.. Azo ampifandraisana eto ny teny sy ny didy na ny lalana.
Fa ny teny anefa raha ny filazantsara
nosoratan'i Jaona dia manana ny dikany manokana koa dia ny
- 1.1 : Ary tamin'ny voalohany ny Teny,
ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia
Andriamanitra.
- 1.14 : Ary ny Teny dia tonga nofo ka
nonina tamintsika
Jesosy io teny io. Ny fitandremana ny
Teniny no anehoana ny fanajana Azy, ny fanatanterahana izay
voalazany : iraka izany, fampianarana izany sns...
Izany fanehoana ny Teniny izany no atao
koa hoe : fijoroana vavolombelona. Io no tena mampiavaka ny olona
tsirairay avy. Tsy dia ny fitenenanao hoe izaho toy izao na izahay
dia toy izao fa ny fihetsikao, ny toetranao, ny fiteninao, ny
fiakanjonao sns..
Vokatr'izany:
Ny Raiko ho tia azy.ary hankao aminy
izahay ka honina ao aminy.
Miova ny toe-javatra. Raha tamin'ny
andron'ny TT dia nolazaina fa Andriamanitra tamintsika (Dieu avec
nous), ao amin'ny filazantsara : Andriamanitra eto amintsika (Dieu
parmi nous), ankehitriny dia azo lazaina hoe Andriamanitra ao
amintsika (Dieu en nous). Andriamanitra sy Jesosy monina ao
anatinao. Zava-dehibe izany ary izany no iarahantsika amin'ny
mpanao Salamo hoe : 66 izay novakintsika teo. Vita ny fihavanana.
Isika tia Azy ary izy tia antsika. Marika lehibe ahitana ny
fitiavan'Andriamanitra ny fonenany ao antintsika. Lasa
tempolin'Andriamanitra velona no sady mandehandeha isika. Tsy
isika intsony no mankany amin'ny Tempoly toy ny fanaon'ireto
Jiosy fa ny tenantsika no fonenan'Andriamanitra.Ary satria tempoly
ny tenantsika dia izany hoe efa natokany sy nohamasininy mba
honenan 'Andriamanitra izany.
Tsy ianao intsony no manjaka fa ilay
monina ao aminao ka nanoloranao ny tenanao no aoka hanjaka. Ary io
ilay fitiavana noresahintsika tamin'ny voalohany. Ny fitiavana
an'i Kristy dia ny famelana Azy hanjaka eo amin'ny fiainantsika,
ho tompon'ny fiainantsika tanteraka.
Koa raha toa ka tsy mbola niditra
tamin'izany lafiny izany ianao dia fotoana mety hanaovana izany
izao miantso anao ny Tompo satria te-honina ao aminao. Te-hiditra
ao amin'ny fiainanao Izy. Ekeo Izy ho tompon'ny fiainanao. Izany
akory tsy midika hoe hiala amin'ny fianaranao na amin'ny asanao
ianao. Fa ny dikanty dia hoe avalao hiditra sy hanjaka amin'ny
fiainanao Jesosy.
Ny tian'i Jesosy havela ho anao dia ny
fiadanany izay tsy hain'izao tontolo izao raisina na omena. Io no
tena mampiavaka ny kristiana amin'ny olona rehetra : ny
fiadanan'i Kristy. Io fiadanana io no adika amin’ny teny
hebreo hoe Salema. Koa raha ny tenantsika no toerana
ipetrahan’izany salema izany dia tsy hafa akory fa izy no
tanana Jero misy an’ilay salema dia ilay
Jerosalema vaovao izany.Jerosalema vaovao izay
ipetrahan’ny fitiavan’Andriamanitra no mitandrina ny
teniny koa.
Voninahitra ho an'andriamanitra Ray sy
Zanaka ary Fanahy Masina
Amena. |