A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga012.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Ilay hery niala...
Ilay hery niala... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

.satria nisy hery niala taminy ka nahasitra anzy rehetra (Lio 6 : 19)

Faly miarahaba antsika amin'izao alahady atokantsika hifidianana diakona eto amin&rsquony Tafo misy antsika izao. Raha vakiana ny and 12 - 16 dia ahitantsika sahady hoe raha handray fanampahan-kevitra mafonja dia inona no tokony hatao ? Izany no omena antsika ain'ity anio ity. Raha hifidy olona ianao, Inona no tokony hataonao voalohany indrindra ?
Ny fifidianana
Ny Tompo dia mampiseho amintsika fa ny zavatra nataony :
* dia nankany an-tendrombohitra Izy

* hanao inona ? : hivavaka amin'Andriamanitra
* naharitra nivavaka Jesosy
* nandritry ny alina

Izany no nataon'i Jesosy. Fa isika kosa ? Raha vao naheno fa hifidy diakona, Inona no nataonao ? Ataoko fa nifampijerijery isika hoe, iza no hofidiako ? Iza no tokony ho Filoha sns..Isika dia ijery matetika ny eo ivelany fa ny Tompo kosa dia ny Tompon'ny asa dia Andriamanitra izany no niresahany mba hahazoany izay tokony hataony. Moa isika, rehefa misy zavatra somary sarotra na ao an-tokatrano : miresaka amin'ny vady na ny havana na any am-piasana miresaka amin&rsquony Lehibe na ny mpiara-miasa.
> Eto amin'ny asan'Andriamanitra, dia ny Tompon'ny asa no anontaniana. Mbola tsy tara isika fa afaka ny miresaka amin'ny Tompo mba hanomezany anao izay tokony hofidinao.
> Rehefa vita izany dia izay Izy vao nifidy 12 lahy izay nataony hoe : Apostoly izay azo adika hoe iraka. Olona hirahina mba hanao ny asa izay nataon'i Jesosy : Mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. Ary hianareo no vavolombelon'izany. Lio 24 : 47 - 48.
Hita soritra eto ny asan'ireto apostoly ireto : vavolombelon'ny Tompo. Izany dia ianao ,izaho isika rehetra : vavolombelon'i Jesosy. Isika tsirairay avy dia tokony hitondra zay teny hitantsika fa nampibebaka , nahazoantsika famelan-keloka mba ahazoan'ny hafa koa mahazo izany. Tsy avelany handeha irery na amin&rsquony herin'ny tena anfa fa omeny HERY. Ary dia io hery no lazaina fa mahasitrana azy rehetra. Io HERY io no mampiova zavatra maro ka ny voalohany dia ny fiainanao. Inona no fiantraikan'io Hery io
> Asan'ny HERY
> Raha izao teny izao dia ny ahazoana fanasitranana. Fanasitranana an'ireo aretina mampijaly ka tsy ahazoana an'izay atao hoe fahasambarana. Lasa lavitra nohon&rsquoizay niseho anefa ny tenin'i Jesosy satria tsy ny fanasitranana ara-nofo ihany fa ny ara-panahy koa satria ny olona dia nofo sy fanahy.
Jeremia (Jer 17 : 5 - 8) mpaminany dia milaza fa ny fahatokiana an'i Jehovah no ahazoana fitahiana. Ary ny sary alainy moa dia ny hazo ambolena eo amoron-drano, ka na dia avy aza ny hainandro dia maitso foana ny raviny ary tsy mitsahatra ny famoany.

Lazainy kosa anefa fa ny olona izay matoky olona dia voaozona
Ny mpanao Salamo (Sal 1 ) indray dia milaza amintsika fa ny lalan'i Jehovah nositrany sy saintsaininy andro aman'alina. Izany no mitondra fahasambarana ho an'ny olona : ny famakiana sy ny fitsaintsinana ny tenin'Andriamanitra satria izany no mitondra izay tokony hatao eo amin'ny fianana. Eto isika diambola mahita fa ny sary alain'ny mpanao salamo eto dia ny rano. Mitovy amin'izay nolazain'i Jeremia mpaminany teo.
Lioka (Lio 6 : 17 - 26) indray dia nanompy ny masony tamin'ny mpianany . Ny hoe mpianany eto dia ireo izay nanaraka azy. Tsy ny roabin'ny folo lahy ihany fa izay rehetra nadray ny Hery avy amin'ny izay lazain'ny and 19 : izay nandray ny fanasitranana avy taminy tamin'ny alalan'ony Hery izay niala tamin'i Jesosy . Lazaina eto fa izay mety hahazo ny olombelona rehetra dia ao ny mahazo fahasambarana ary ao ny mahazo loza.
> Tsy dia hampitovy izany amin&rsquoireo voala any amin&rsquony filazantsara hafa isika toy ny amin'ny Matio. Fa ny tiana isarihana ny saintsika dia resaka fanaon'ny Jiosy izao dia ny fitsikajiana ny olona ho roa dia ny sambatra sy ny malahelo.
> * Ireo izay lazaina fa sambatra dia izay mila izany eo amin'ny fiainanany . Izany dia ahitantsika karazan'olona 4 : malahelo, noana, mitomany ary ireo halan&rsquony olona nohon&rsquony Anaran&rsquoIlay Zanak'olona
> * Ireo izay lazaina fa hahazo loza kosa dia ireo izay tsy mila izany dia ireo izay mihevitra ny tenany ho manakarena, voky, mitomany ary ireo izay indrindraina eo amin'ny fianana
> Hita amin'izany fa ny malahelo androany nohon'ny amin'i Kristy dia hahazo ny fanjakan'Andriamanitra. Ny tian'ny Tompo aminao amin'ity anio ity dia ny handraisano an'izany HERY izany sy ny hiasan'izany eo amin'ny fiainanao ahazoanao an'ilay fahasambarana ka raha toa ka hitanao fanahatsara anao ilay izy dia zarao koa mba ho an&rsquony hafa amin'ny alalan'ny fijoroanao vavolombelona
Ny Tompo ry havana matoa manome antsika an'izao teny izao dia ny fitiavany antsika. Fa ampy ho anareo ny fahasoavako hoy Izy fa ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemena. Te ho sambatra ve ianao ? Raiso Jesosy ho Tompon'ny fiainanao fa ny fikasiahana azy dia manome HERY mahasitrana hanome anao Fahasambarana. Amena

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack