|
Iza moa i Dada Rainisoalambo ? |
|
|
|
|
pasitera
|
Ny niandohan'ny Fifohazana tao Soatanàna, 110 taona lasa
Finoana
: Rainisoalambo, ny niandohan'ny Fifohazana tao Soatanàna, 110 taona lasa.
Feno 110 taona no namohazan'Andriamanitra an'i Dada Razaimbola
Rainisoalambo ny 14 hifoha 15 oktobra 1894 tao Anendaka
Ambalavato-Ambatoreny, faritr'Isandra, Fianarantsoa-Ambanivohitra. Io no
niandohan'ny tantaran'ny Fifohazana teto Madagasikara. Nijoro ho
vavolombelona ny tenany fa Andriamanitra velona tokoa no amintsika
tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy tonga teto an-tany ka nandresy ny
fahafatesana. Rainisoalambo na Razaimbola (midika hoe "zain'i vola",
izany hoe zandrin'andriana) dia taizan'ny hova (andriana) ka nonina tao
an-dapam-panjakana betsileo tany Isandra. Zanaka marambasia
(mpikabarin'andriana) izy ary nandimby an-drainy tamin'izany andraikitra
ambony izany. Jentilisa hiringiriny izy satria mpikirakira ody gasy sy
mpilalao varatra ary mpanompo sampy.
Etsy andanin'izany anefa dia efa nanana fahazarana niditra
am-piangonana izy. Pratika notovoziny sy niainany niaraka tamin'ny hova
izany ka nanjary zatra nandre toriteny ny sofiny. Noho ny fikatsahany
tombontsoa manokana, dia nirotsaka ho mpitandrin- draharaham-piangonana
izy araka ny toro hevitra nataon'ny namany. Tsy araka ny nantenainy anefa
ny fiaraha-miasa tamin'ny Misionera vahiny fa tsy nahitany vola be araka
ny kajikajy koa dia nialàny lavitra izany raharaham-piangonana izany ka
vao mainka izy niorim-paka tamin'ny fahajentilisana. Ny tongony ilany
rehateo tsy nesorina tany mihitsy.
Loza iray, loza roa, loza
telo… izay tsy nitranga tao Isandra sy ny faritr'i Betsileo manontolo no
nanenina : nisy aretin-dratsy nandringana ny mponina tao Isandra (nendra,
tazo mahery, ramanenjana…) an'alina no maty ; nanafika avy atsimo ny
fahavalo Bara ary avy andrefana ny fahavalo Sakalava, tsy nahatohitra
izany ny Betsileo nolazoin'ny aretina rahateo. Mba hanefàna ny onitra
takian'ny Frantsay tamin'ny Malagasy dia nanao terivaimanta ny fanjakana
Merina ka nanao fitakiana hetra ariary isan-dahy kanefa ny fahantrana sy
mosary efa namely mafy ; ary ambonin'izany rehetra izany dia nananontanona
ny fanjanahantany izay nahavery ny fiandrianam-pirenena sy ny
naha-masimandidy ny fanjakana Malagasy teto Madagasikara. Nisy akony teo
amin'ny fiainam-piangonana ireo tranga rehetra ireo ka niteraka
fihemorana. Teo anelanelan'ny taona 1890-1894 dia fiangonana 14 tamin'ireo
54 an'ny Distry tao Soatanàna no nikatona sy maty tanteraka. Maneho izany
ny fihenan'ny isan'ny Kristiana izay 20 000 ny taona 1891 no lasa 1 600
monja ny taona 1895.
Tao anatin'ny famoizam-po sy hakiviana
vokatr'izany rehetra izany Rainisoalambo no nofohazin'ny Tompo ka tonga
olom-baovao. Izany Jesosy izany no niseho taminy io alin'ny 14 hifoha
15 oktobra 1894 ka nanasitrana tanteraka ny aretina tsy nahitana fanafana
nihatra nanenika ny tenany. Izany Jesosy izany koa no nanafaka azy
tanteraka tamin'ny aizina sy gadran'ny fanandevozana vokatry ny
fanompoan-tsampy sy filalaovana ody ratsy rehefa niteny taminy mivantana
hoe : Nanary ny ody sy sampy rehetra izy ka sitrana tanteraka tamin'ny
aretin-dratsy nahazo azy. Nibebaka izy ary niova fo. Nodioviny avokoa ny
mikasika ny tenany rehetra sy ny tanàna manontolo. Rehefa vita izany dia
nandeha nitety vohitra izy ka nanambara ny vaovao mahafaly ary nanainga ny
mponina rehetra hanary ny sampy sy ody ka hibebaka amin'i Jesosy dia ho
sitrana. Sitrana tokoa izy ireny raha vantana vao nanao izany.
Nopetrahan-dRainosoalambo tanana koa ireo izay mbola narary mafy tsy afaka
nivavaka ka sitrana…
Nanofana mpianatra vitsivitsy
Rainisoalambo ka afaka fotoana fohy dia nalefany tsiroaroa hitory ny
Filazantsara manodidina ny faritr'i Fianarantsoa izy ireny ka miverina ao
Soatanàna manao tatitra rehefa afaka tapa-bolana. Manovo hery sy
fahalalana vaovao indray ka alefa lavidavitra kokoa rehefa mahazo izany
(Ambalavao, Ambohimahasoa). Taty aoriana dia nalefa nitety ny faritanin'i
Fianarantsoa ka nipaka tany Vakinankaratra sy tany Bara. Apostoly na Iraka
(satria irahina) no anaran'ireo mpianatr'i Rainisoalambo ireo. Rehefa
voasedra tsara teo amin'ny vavaka sy fitoriana Filazantsara ireo Iraka
ireo dia nalefan-dRainisoalambo nitety an'i Madagasikara ka efa tonga
manerana ny Nosy manontolo tamin'ny taona 1904 (nahafatesany). Marihina fa
dia an-tongotra avokoa no nanaovana izany satria mbola tsy nisy fiarakodia
tamin'izany.
Azo ambara tsy am-pihambahambana fa nampandroso sy
nampivelatra ny Fiangonana tokoa ny Fifohazana, ary izany fitetezan'ny
Iraka ny Nosy manontolo izany no nahatanteraka ny Fifohazana tamin'ny
besinimaro. Ankoatr'izany rehetra izany dia vaindohan-draharahan'ny Iraka
ny mampianatra hira ny Fiangonana sy ny fiaraha- monina vangiany.
Niparitaka vetivety foana manerana ny Nosy ny fahaizan'ny Kristiana ny
hira noforonin'ireo Pastora sy Misionera niasa tany Betsileo toan-dry
Andriamampihantona (He ny fiantsoana), Johanesa Ambato (Avia ry
mangetaheta ô ; Inona re no hatakaloko ; Ampianaro aho Tompo, mba hiambina
; He ny andon'ny maraina ; O, ry Raiko izay malala), Eliasy Ramilavonjy
(Mba faingana re ry mino), Anna Thunem (O, ry Jesosy, mifaly ny foko),
Stephanoel Ramaka (O ! ry tany rehetra, avia izao ; Aizan'ny lanitra
hianao). Sady nahay nampianatra hira araka ny feony ao amin'ny Tiona ny
Iraka no kinga tamin'ny fampianarana hira ZAFINDRAONY.
Ny
Fifohazana teto Madagasikara dia niavaka amin'ny hafa.. Ny matoanteny dia "mifoha",
izany hoe miala ao amin'ny torimaso ho amin'ny fahatsiarovana ; miala ao
amin'ny maizina mankao amin'ny mazava ; mifady ny ratsy mifidy ny tsara ;
mahafady ny fahotana ka mandala ny fahamarinana ; mandresy ny fahafatesana
ka misalotra ny fiainana mandrakizay. Mifototra ara-tSoratra Masina izany
Fifohazana izany fa tsy kisendrasendra na vokatry ny terivaimanta toy ny
fanaon'ireo manompo andriamani-tsy izy na ny mpihendaka amin'ny Fiangonana.
Nangonin'i
Oliva Razaka e-mail :
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
samedi 22 mai 2004 raha
te-hahazo fanampim-panazavana ianao :
http://www.madalight.com/mg/soatanana.pdf nalaina tao amin'ny
http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=101
|