|
" Hatramin' izany dia maro tamin'ny
mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. Dia hoy
Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba
te-hiala?"
Ity Jaona 6 ity ry havana dia isan'izay
mirakitra fanambaràna lehibe sy sarobidy ato amin'ny
filazantsaran'i Jaona ary ato amin'ny testamenta vaovao iray
manontolo satria milaza ny fifandraisan' Andriamanitra sy Jesoa
Kristy zanany izay nirahany ho ety amin'izao tontolo izao ho
mofon'aina, ho rano mahavelona ho an'izao tontolo izao. Ary ny
fihinanana izany mofo izany no hanànana fiainana mandrakizay
ary ny fisotroana ny rany no hananana ny fifandraisana amin'
Andriamanitra ary miantoka ny fitsanganana amin' ny maty.
Izany filazana mivantana ary tsy
ampoizina, indrindra ho an'ny sofina jiosy izay, ny azy ny finoana
an' Andriamanitra tokana izay misaraka amin'ny olombelona no tena
nahavantana azy indrindra, kanefa eto dia lazaina ankehitriny fa
naniraka an'i Jesoa Zanaka izay tao Aminy hatramin'ny mandrakizay
ka mandrak'ankehitriny dia sarotra inoana izany.
F'angaha Andriamanitra nanana zanaka izay
tao Aminy hatrizay hatrizay ka nampidina izany zanany izany ho
tonga olombelona tety amin'izao tontolo izao tao amin'ity Jesoa
avy any Nazareta ity, atao ahoana re ny fino an'izany? Ka ity
Jesoa ity no lazaina fa antoky ny fiainana, tsy ny ankehitriny
ihany fa izay lazaina fa fiainana tsy manampahataperana.
Miteraka fahatafitohinana ny fanambaran'i
Kristy
Koa sarotra izany teny izany hoy ny olona,
ahoana ny fomba handraisana an'izany? Ahoana ny fomba inoana
an'izany? Ary miteraka fahatafitohinana ny fanambaran'i Kristy ny
tenany izay milaza hoe: " Izaho no mofon'aina, Izaho no rany
velona izay omen'ny Tompo anareo".
Ary izany fanambaràn'i Kristy
izany, mandrak'ankehitriny dia teny sarotra inoana ho an'ny olona
betsaka, ho an'ny olona izay toy ny Jiosy fahizany, olom-boataiza
taty amin'ny fiangonana kristianina, izay kristianina ihany, raha
ny anarana na ny fiaviana kanefa mandà an'i Kristy, dia
tantarain'ny epistily nosoratan'i Jaona rahateo raha vakiana izay
any amin'ny toko faha 4 any amin'ny epistily voalohany izay
novakiana teo moa ny toko faha 5 fa be ireo "anti-Kristy" izay
mandà ny nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo,
izany hoe olombelona feno ety amin'izao tontolo izao. Ary misy
mandrak'ankehitriny antokom-pivavahana, firehina teolojika, izay
tsy manaiky an'izany hoe Jesoa dia ilay Zanak'Andriamanitra
hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, fa heverina fa ohatra antsika
olombelona ihany izay nomena anarana petaka hoe mba
zanak'Andriamanitra é!
Zanaka natsangana anefa isika, fa i Kristy
dia zanaka izay tao amin'Andriamanitra manokana hatramin'ny
voalohany ary Izy ihany izay tao an-tratran'Andriamanitra no afaka
manambara an'Andriamanitra amintsika.
Betsaka ny olona makany
an-tokantranontsika mampianatra izany tahaka ny Vavolombelon'i
Jehovah ary izay ny maha TSY kristianina ny Vavolombelon'i
Jehovah, mazava loatra na dia mikirakira baiboly fatratra aza fa
antokom-pivavahana avy amin'ny baiboly no fivavahan'ny
Vavolombelon'i Jehovah fa TSY kristianina satria tsy manaiky ny
famonjena izay avy amin'i Kristy Zanak'Andriamanitra,
Andriamanitra avy tao amin'Andriamanitra.
Ary tahaka izany koa ny firehana
teolojioka sasany ilay atao hoe "libéral", any
am-pitan-dranomasina any, misy paroisse réformée ao
Paris izay tsy azo itorina ety ambony pilipitra fa Jesoa Kristy no
Zanak'Andriamanitra, misy izany an! Ao Paris mandrak'ity ny
androany, raha mitory an'izany ianao ao dia asain-dry zalahy miala
eny ambony pilipitra satria ny azy tsy izany fa i Kristy dia ohatry
ny hoe mpaminany, olo-kendry sns..., nefa ao amin'ny Eglise
réformée de France izany an!
Inona no tsy zavatra mitranga eto
amin'izao tontolo izao?! Satria ho an'ny olona toy izany dia teny
enjana ny filazan'i Kristy fa Izy no ilay fiainana ka raha tsy
mandray azy ny olona, raha tsy miombona Aminy ny olona, amin'ny
alàlan'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo ary izany moa no
ilazany hoe: "Ny mofoko no tena fihinana, ny rako no tena
fisotro"
Tsy mitondra antsika ho any amin'ny
fiainana mandrakizay akory ny fahendrentsika
Aiza ho aiza eo amin'ny fiainana
kristianina moa isika no manatanteraka izany raha tsy eo amin'ny
fanasan'ny Tompo, raha tsy miombona amin'i Kristy isika dia tsy
manana fiainana ao anaty. Sarotra amin'ny olona ny manaiky izany,
raha tsy hoe ny sokajin'olona vitsivitsy na mpivavaka vitsivitsy
toy izany ihany no tafintohina amin'izany fa ny ankamaroan'ny
mpivavaka koa izay tsy manaiky ny fanambaran'Andriamanitra ny
tenany, tao amin'i Kristy rehetra, tsy manaiky ny finoana
kristianina ary efa itenenany hoe
- tsy manana fiainana ange ianareo na
mivavaka toy ny inona aza, raha tsy eo amin'i Jesoa Kristy, ka
noho izany mila mibebaka, miova, mino, mandray an'izany Jesoa
Kristy izany,
- fa na dia hendry aza ianareo amin'ny
fivavahan-drazanareo, na manana ohabolana tsara rafitra sy rindra,
angano mampieritreritra tokoa, lalina dia lalina rehefa atao ny
hevi-teny miangaly, mirakitra filozofia tsy hita velively, ary
mainka moa fa ny firenen-kafa izay manana filozofia lojika, ary
mandinika fonja kevitra lehibe tsy araka izay fanaon'ny malagasy,
fa mbola avo lenta noho izany raha amin'ny famoronana hevitra
mirindra, hanoratana boky be efa an'arivony pejy izay tena tsy
vitantsika malagasy amin'ny filozofiantsika moa izany, fa ny
antsika ohabolana kely notsimpotsimponina kely teny, dia iny no
harindra eo fa ny an'olona ahavitana "système",
rafi-pisainana iray manontolo,
Ka na dia mahavita an'izany aza isika dia
tsy ahavonjy antsika izany fa ny hananantsika fiainana dia ao
amin'i Jesoa Kristy satria tsy mitondra antsika ho any amin'ny
fiainana mandrakizay akory ny fahendrentsika na dia ny tsara
rafitra indrindra, na dia ny akademika indrindra, na dia milaza fa
hendry indrindra, sy kinga indrindra, sy fetsy indrindra amin'izao
fiainana izao.
Kristy irery ihany no fiainana
Ho an'ny olona maro indray mihira
amintsika dia mbola enjana : manafintohina, manorisory izany teny
ny amin'i Kristy hany fiainana izany. Tsy hoe Izy no fiainana dia
mbola misy koa fanampiny arakaraka izay safidy, fa Izy irery ihany
no fiainana, ary izany no manafintohina ny mpanaraka ny
fivavahan-drazana eto Madagasikara izay mipoitra foana moa ary izy
moa no betsaka eto Madagasikara, ny filazana fa tsy manana ny
fiainana ianao raha tsy ao amin'i Kristy izany, na inona na inona
ho lazainao eo raha ny fanambaranan'Andriamanitra ny tenany tao
amin'i Kristy no entina mamaky ny toe-javatra, ary izany no fomba
fijery kristianina tena izy, fa tsy fomba fijery filozofika no
ampiadina akory, dia manafintohina izany kanefa izany no tsy
maintsy torina sy ambara na inona na inona, ambom-pontsika malagasy
hoe izahay koa mba manana ny fivavahanay, izahay koa mba manana ny
fahendrenay. Misy ary ny sasany tonga ety amin'ny pilipitra,
kabary malagasy no ataony fa tsy mitory teny, tsy manambara an'i
Kristy, tsy hoe rehefa be resaka akory dia mahay mitory teny, ary
asiana andriamanitra kely ny fehezanteny.
Raha tsy misy an'i "Kristy" ao amin'ny
toriteny, tsy toriteny kristianina izany, satria tonga hatrety
am-piangonana koa, ndrao ianareo mihevitra fa ny "libéral"
any Paris any ihany no tsy mitory an'i Kristy, fa na dia ny
mpitandrina malagasy, izay efa hanjakan'ny nentin-drazana koa na
miakatra eto aza dia tsy ny filazantsara no torina fa ny filozofia
malagasy na ny teolojia malagasy satria manana ny teolojiany ihany
koa ny razam-be malagasy, fa tsy kristianina izany satria tsy ao i
Kristy! Aoka hazava ny resaka!
Hianareo koa ve mba te hiala?
Ary manafintohina izany
mandrak'ankehitriny, fa ahoana loatra no izany? F'angaha ny anay
ambanin'izany? Tsy hoe ambany na ambony; ataovy ambony fa rehefa
midaboka koa ny ambony dia mafimafy noho ilay aty ambany ary! Ary
eo anatrehan'Andriamanitra izay naniraka an'i Kristy zanany dia
midaboka ho azy ny zavatra rehetra, ary io tsisy fanambatambazana,
ary izay izao no anton'ilay toriteny eto ange.
Betsaka ny olona tsy manaraka Azy, ahoana
kosa izany? Zany kosa ve dia tsy "impérialisme"? Izany hoe
tadiavinareo ampanjakàna fotsiny ny hevitrareo kristianina
sy ny testamenta vaovao sy ny inona?
Tsia, tsy voatery hanerena an'iza na iza
izany, ary izay no tenin'i Kristy: " Hianareo koa ve mba te
hiala?"
Betsaka ny olona nandao ny mpianatra, tsy
manaiky an'izany teny izany hoe fa ahoana koa izany? Fa Ianao no
iza sns....
Tsia, tsy misy hoe Ianao no iza fa
fanambaran'Andriamanitra ny tenany tao amin'i Kristy, araka ny
lazain'i Jaona ery am-piandohana toko 1 andininy faha 18: " Fa ny
zanaka dia eo an-tratran'ny Ray", Izy no manambara ka nambarany
ary ilay izy!
- Iza no mahazaka an' izany?
- Iza no afaka hino sy handray
an'izany?
Safidy io, tsisy terena izany eo, tsisy
vozonana izany eo hanaraka an'izany, ka noho izany amintsika koa
mipetraka izany!
Safidio ny fivavahanao, Kristy tsy
manambitamby anao hanarak'Azy be fahatany nefa tsy resy lahatra
ianao, tsy manao propagandy Izy ka izay habean'ny olona na ho any
na tsy ho any, roa ambin'ny folo lahy sisa no miresaka Aminy eo,
tsy mampaninona Azy izany, lasa ny olona, Izy tsy nanao hoe
miverena re ry olona fa inona no tsy nety teo fa amboarina kely,
mi-grevy na hoe manao négociation izy ity ka dia aleo...
Tsisy négociation izany ny
fanambaran'Andriamanitra ny tenany tao amin'i Kristy, tsisy
fanambatambazan'olona izany, na ny Apostoly aza mbola nolazainy
hoe " Hianareo koa sao dia mba te hiala?".
Satria ny fanambaran'Andriamanitra ny
tenany eto no lazaina fa tsy hevitr'olombelona ampiadiana eo ka
hoe mety marina an-tsasany, am-pahatelony, na toy izany fa
Andriamanitra milaza hoe inona no maha Andriamanitra Azy? Ary
ahoana no hamonjeny ny olombelona!
Ary izany no fanontaniana mipetraka amiko
sy aminao ankehitriny. Betsaka ny niala, betsaka ny tsy hita
intsony, andao isika hipetraka eo fa misy tambatambazana hipetraka
eo. Azafady, ianareo koa sao dia te handeha hiala?
Aleon'i Kristy olom-bitsy tonga saina
mahalala ny antony hanarahana an'i Kristy toy izay be nahoana mora
rebirebena, mora tafintohina. Ny sasany ary moa tsy finoana akory
no manafintohina azy fa zavatr'hafa : olombelona kely eto, hevitra
mande eroa, inona rehetra rehetra eo. Izany hono no manafintohina
azy.
Aza manaraka, Tompo tsy manambitamby anao
raha marina, miantso anao Izy, satria tiany hovonjena ianao, fa
rehefa hoy ianao manoloana ny fanambarany hoe tsy hanaraka
an'izany aho fa ohatry ny tsy mety amiko izany : mahazo
mandeha!
Izany no maha kristianina antsika ary
izany no mahatonga antsika tsy maintsy taizaina tsara hahay
hanapa-kevitra ny amin'ny fanarahana ny Tompo.
Fa raha tsy misy fotoana toy izany
hafahantsika tena mieritreritra hoe : inona tokoa moa no
nahatongavako teto? Ny sasany manara-bady fotsiny no ahatongavana
eto, tsy hita mandra-pirava, amin'ny firy ihany aza izy ity fa
ilay ramatoa iny..., ny sasany hitady vady, tonga hatrany an, aleo
aloha hitady vady eto, fa tsy izany no ahatongavanao eto fa : ianao
ve te hiaraka amin'ny Tompo sa tsia? Ny sasany tsy mahita atao any
antrano, vao mainka koa tonga ilay fanontaniana, sao dia te hatory
any atrano koa ianao? Ny sasany izao mierotra any an-trano any izao
isika miteny izao! Haninona hangatsiaka aty? Izany hoe samy tsy
maintsy mahalala ny antony ahatongavany eto daholo!Tsisy tongatonga
ho azy! Tsy hoe dadanay teto dia izy mitaona biriky, izao zao moa
vita ity dia hoe dadanay no nanao ilay rihana, bebeanay no izao...,
tsy izay no ahatongavanao eto an!
Fa fantatrao ve Kristy izay mametraka
fanontaniana aminao? Fantatrao ve ny maha-mpino anao? Ary soa ihany
tao amin'ny roa ambin'ny folo lahy ao fa nisy an'i Petera niteny
rehefa lasa ny ankamaroan'ireo mpianatra; misy moa ny mpianatra
dia be lavitra noho ilay tena roa ambin'ny folo, fa izy no niteny
an'ireo roa ambin'ny folo lahy hoe: "Andeha any amin'iza moa
izahay?"
Tsy hoe tsy mana-trano hodiana akory no
dikan'izany an, fa ilay hoe : Hakany amin'iza ny
fahalalàna an'Andriamanitra? Hakany amin'iza amin'ny
famonjena? Hakany amin'iza amin'ny androm-piainana? Hitady
filozofy iza indray izahay? Hitady teolojianina iza
indray?sns...
Tsy mahita aleha intsony izahay satria
izahay koa ange efa mba mpianatr'olon-kafa fahiny é! Araka
ny tantara rahateo moa, ry Petera sy ny namanay ange mpianatr'i
Jaona mpanao batisa é, no nahita an'i Kristy dia avy eo
nanaraka é! Nanana mpampianatra ngeza be ohatra an'i Jaona,
ary i Jaona tsy hoe olon'olom-poana fa olon'Andriamanitra kanefa
tsy ilay fanambaran'Andriamanitra, tsy ilay mazava hoy ny toko 1
amin'ny filazantsaran'i Jaona fa tao ny tena mazava dia i Jesoa
avy any Nazareta. Fa hakany amin'iza intsony izahay, izahay ange
efa avy any amin'i Jaona ilay fara-tampony tamin'ny
mpaminanin'Andriamanitra talohanao, ka andeha ho aiza indray
izahay rehefa hiala avy eto aminao? Mbola misy indray angaha azonay
arahina? Satria ianao ilay masin'Andriamanitra, izay mino ka
mahalala fa ianao tokoa ilay avy amin'Andriamanitra!
Fa inona aminao Kristy?
Mila an'izany fanekem-pinoana izany ny
Tompo, mivoaka avy amin'ny vavantsika, ary izay ny an'i Petera
izay, ianao ilay masin'Andriamanitra fa ny anao inona, mba lazao
amin'ny fiteninao hoe ny finoana an'i Jesoa Kristy, aza
manka-tahaka an'i Petera, iza i Kristy ho anao ka mahatonganao
mijanona eto io? Fantatrao fa iza ary no inoanao, fa iza Kristy?
Tena Mpanafaka anao, tena Mpamonjy anao, Mpanavotra anao, Mpamela
heloka anao, Mpanome dikan'ny fiainanao?
Fa inona Kristy? Fa mpandrebireby anao!
Tsy mahatafandry mandry anao fotsiny eo, sa tsy dia fantatrao
loatra fa zana-bazaha tany sns..., satria izany moa no filaza an'i
Kristy tamin'ny taon-jato faha 19 teto Madagasikara:
"Andriamanim-bazaha". Ary any amin'ny faritra sasany eto
Madagasikara iza izany Jesoa Jesoa izany: " Vazaha" iza? Fantatro
tsara ve Jesoa? Ary iza no mba ilazanao ny Aminy?
Rehefa hivavaka mangina isika rehefa avy
eo dia lazao tsara, ao amin'ny vavaka mangina ao hoe: Fantatro,
inoako tsara fa Ianao Kristy hoe no izao... tonony izay mba
ahafantaranao Azy. Ho hitany eo, ho henony eo tsara daholo! Tsy
misy mahazo mivoaka eto rehefa atao izay vavaka izay, amin'ny
fiteninao, amin'izay mba takatrao hatreto aloha, lazao tsara izany
mba ho fantatra fa tena nijanona teto noho ny amin'ny finoana
ianao.
Izaho no nifidy anareo hoy Kristy
Ny tena mampieritreritra ny amin'ny
tohin'ity tantara ity dia izao:
Hoy Jesoa, Izaho ange no nifidy anareo,
tsarovy tsara ry izy roa ambin'ny folo lahy, Izaho no nifidy
anareo, nefa ny anankiray aminareo aza dia "devoly", miantso an'i
Jodasy! Satria izy no hamadika Azy, izany hoe na dia nofidian'ny
Tompo tokoa aza dia mbola tsy azo antoka akory izany. Efa manana
andraikitra ianao amin'ny finoanao, amin'ny finoana an'i
Kristy,
Inona no nanaovanao ny teny? Inona no
nahafantaranao Azy tokoa? Sao dia nandiso fanantenana anao
Kristy?
Misy te ampiasa ny Tompo ho fitaovana fa
tsy hanompo azy
Jodasy ange diso fanantenana tamin'i
Kristy é! Nantenainy fa hitondra fanavotana, fanafahana ho
an'ny vahoaka, ny azy izany Jesoa Kristy mpanao politika, Mesia
politika no nandrasany teo hanafaka ny fireneny amin'ny
fanjanahantany romanina sns..., Jesoa angaha nety nanao an'izany,
tsy nety naka fitondràna Jesoa, nanahirana azy, diso
fanantenana izy hoe izahay ilay efa mpitolona, mpanao fanamiana,
efa izao, dia izao ohatry ny mihanahana, angaha tsy rehefa asaina
miady amin'ny Pilato eo ve izy tsy aneho ny sandriny eo?
Iny fa mbola nanaiky ho faty eo ihany?
Tena tsy lasa ity fa, namono tena moa izy ny farany hoe tena tsy
lasa intsony, satria kivy, diso fanantenana ny amin'ny Tompo.
Izany hoe na dia nofidian'ny Tompo tokoa
aza isika ary Izy nilaza hoe Izaho no nifidy anareo, isika
nofidian'ny Tompo koa, dia ohatran'ny misy amintsika ihany anefa
ny devoly avy eo. Izany hoe hisaraka amin'ny Tompo, hiala amin'ny
Tompo, hamadika ny Tompo, ho diso fanantenana ny amin'ny Tompo
satria te ampiasa ny Tompo ho fitaovana fa tsy hanompo azy,
hanara-dia Azy.
Ary Tompo tsy manaiky ataontsika
an'izany, lasa ianao, lasa devoly ho azy ianao, misara-dalana
Aminy eo ianao. Izay moa no atao hoe "devoly" : mampisaraka, na
ilay misara-dalana. Ka io arakaraka ny finoanao ihany tsinona ,
ianao no manana andraikitra amin'izany. Ny Tompo, ny andraikiny
dia ny mifidy anao, fa ny hijanonanao ao amin'ny Tompo koa dia
mbola safidin'ny finoanao, fa tsy nisy notazomina tamin'ny rojo
vy akory teo ka tsy afa-mihetsika intsony hoe: "e, tratran'ny
Tompo ka eo tavela eo"! Tsisy an'izany an! Fa miankina aminao
ihany io, manjary olom-boafidy lasa devoly ohatra ny Jodasy ianao,
ka aoka samy hieritreritra daholo ny amin'ny fanarahana ny
Tompo.
Trinite
Fa inona àry ny fanantenantsika
araka izao teny izao? Ny fanantenantsika dia zavatra 3, ary izay
moa no maha "Alahadin'ny Trinité" azy, ary zavatra
fintinina amintsika izany.
- Voalohany indrindra hoy ny Tompo dia
izao: "Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa na inona na
inona, ny teny izay lazaiko taminareo dia Fanahy sy fiainana".
ilay fanahy eto izany tokony "F" lehibe fa
tsy ohatra ity baibolintsika ity, amin'ny dikanteny rehetra hafa
io dia " F" lehibe, izany hoe ny Fanahy Masina no tiany ho
lazaina.
Ny fanahin'Andriamanitra, ny
fanahin'Andriamanitra no mahavelona, tsy hoe ny fanahintsika no
mahavelona, tsy mila mpamonjy intsony isika raha ny fanahintsika
dia efa mahavelona antsika, lany andro maty ho azy teo amin'ny
hazo fijaliana Jesoa koa ny fanahinao dia efa mahavonjy anao, tsy
izany io, fa ny Fanahy Masina, ny fanahin'Andriamanitra, io no
mahavelona, fa raha ilay maha olombelona, ilay nofo izany no
ilazana ny olombelona manontolo, fa raha ilay olombelona fotsiny,
tsy mahavelona azy ny tenany, fa miankina amin'ilay
fanahin'Andriamanitra, ilay nofofonina fofon'aina avy
amin'Andriamanitra, iny ny Fanahy iny, mahavelona, ary ny teny
izay ambarako hoy Izy dia avy amin'io Fanahy io, ary manome anareo
fiainana. Izany hoe ny Fanahy Masina izany no raisintsika,
handraisantsika ny tenin'i Kristy fa raha tsy izany io, dia
tafintohina eo koa isika. Ary io no angatahintsika fatratra. Omeo
an'izany fanahinao izany aho Tompo ahafahanay mandray ny teninao
fa hay ny teninao avy amin'ilay Fanahy, mba hanananay
fiainana.
- Ary ny zavatra faharoa dia izao:
Andriamanitra Ray no miantso antsika hanatona Azy, ary izay ilay
lazainy hoe " Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay
manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany" (andininy 65).
Hay izany hery avy amin'Andriamanitra
ihany koa no ahafahana manatona an'i Jesoa, manaiky Azy ho Tompo
sy Mpamonjy fa tsy hoe ny herinao, fa Andriamanitra no manome hery
anao hanatonana Azy. Zava-dehibe izany, fa tsy misy afaka
miantehatra amin'ny herin'ny tenany izany eto, ary Jesoa kristy
izay nifidy anao dia hifikiranao amin'ny finoana mafy orina,
satria Izy no tena fiainana.
- Avy eo ilay zava-dehibe amin'ny atao
hoe Trinité fampianarana ny amin'Andriamanitra Ray, Zanaka,
Fanahy Masina, izay no antoky ny fiainantsika. Raha tsy miorina
amin'izany isika dia lasa mandeha, satria tsy manana ny Fanahy
Masina, satria tsy notaomin'Andriamanitra sy nomeny hery hahay
hanaiky an'i Kristy, ary satria tsy manaiky rahateo an'i Kristy
amin'ny fanekem-pinoana tsy azo hozongozonina.
Enga anie amin'izao alahady natokan'ny
fiangonana eran-tany ho an'ny "Trinité" izao mba samy hahay
hamaly amin'ny finoana velona isika, amin'ny fanontaniana tsy
miolaka ataon'i Kristy amintsika hoe: " Ianao koa va manoloana ny
fisitahan'ny maro tsy hanarak'Ahy intsony, ndrao mba te hiala koa
ianao?" fa tena azonao atao izany. Amen.
Dr Rakotoharintsifa Andrianjatovo,
mpitandrina FJKM Ambavahadimitafo
http://www.fjkm-ambavahadimitafo.info |