A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga050.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny
Toriteny
Bebesoa d'Ambalavao Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   
« Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny fanantenanay Anao », (Salamo 33 : 22)
Fanompoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra sy Fitondrana am-bavaka ny fianakavian’i
“BEBESOA” RASOANJANAHARY RAVELOSON VADY NAVELAN’ITOMPOKOLAHY RANAIVONIARIVO GABRIEL
nodimandry tamin'ny 28/05/2010 tany Antananarivo ary nalevina ny 31/05/2010 tany Ambalavao Anio dia fotoana 2 sosona no tokony tsy ho hadinoina dia :
1. Ny faha 50 taonan’ny fiverenan’ny fiandrianam-pirenena malagasy koa dia arahabaina isika mianakavy tratr’izao Antsaramanitra izao
2. Ny fisaorana an’Andriamanitra nohon’ny nanomezany antsika tamin’izany firenena izany an’I Bebesoa .
Tohiny...
 
Les protestants bougent : CMER, CNEF Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Pendant ce mois de juin, les protestants bougent beaucoup. Il y a des alliances et des changements de structure aussi bien au niveau mondial qu'au niveau national en France.
Au niveau mondial, nous avons vu que l'Alliance Réformée Mondiale (ARM) dont le siège se trouve à Genève va s'allier avec Le Conseil Oeucuménique Réformé (CER) de Grands Rapid (USA) . Les deux structures formeront la Communion Mondiale d'Eglises Réformées).
Quant au niveau national, une nouvelle organisation va naître dans le milieu des Evangéliques : Le Conseil National des Evangéliques de France (CNEF) dont voici une brève présentation historique :
De 2001 à 2007
Répondant à l’invitation du Conseil National de l’Alliance Évangélique Française (AEF) et du Comité National de la Fédération Évangélique de France (FEF), la grande majorité des responsables des Unions d’Églises et des Institutions de formation biblique de France s’est rencontrée une première fois en 2001. Différents aspects de la situation du mouvement évangélique dans notre pays ont été abordés : sociologique et statistique, théologique et relationnel. Prenant conscience de leur éparpillement et déplorant le préjudice que cela entraîne pour une parole et un témoignage évangéliques clairs, les participants à cette assemblée décidèrent de se retrouver pour une journée de jeûne et de prière. A cette occasion, plusieurs responsables exprimèrent, au nom de leur Fédération et de leur Union, une demande de pardon pour les distances entretenues par le passé. Tous se sont réjouis de la qualité des échanges manifestant la volonté de reconnaissance réciproque et de développement de liens fraternels. Il fut alors décidé de confier à un groupe le soin de travailler sur le projet d’une plate-forme évangélique. C'est ainsi qu'est né le Conseil National des Evangéliques de France (CNEF), lieu d'échange, de réflexion, de concertation et de prière, plate-forme en vue de renforcer les liens et la visibilité du protestantisme évangélique français, dans le respect de ses diversités.
Depuis septembre 2007
La grande majorité des unions d'églises membres a souhaité que le CNEF évolue vers une plus grande capacité d'action et donc une organisation qui le permette. En septembre 2007, l'Alliance Evangélique Française a proposé, dans le but de simplifier le paysage évangélique de notre pays, de renoncer à son identité propre pour se fondre dans le CNEF, à condition que sa vision et ses actions soient reprises par celui-ci.Un projet est en voie de finalisation actuellement afin de préciser les missions et l'organisation du CNEF. L'objectif est qu'une structure juridique du CNEF voit le jour le 15 juin 2010.
(Cnef.info)

Nous verrons par la suite quelle est la relation entre la Féderation Protestante de France FPF et le CNEF : seront-ils complémentaires ?

 
ny didiko hotandremana ... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
...raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. Jao 14.15
Ry havana malala,
Anio no alahady izay antsoina koa hoe alahady Pentekosta, raha adika dia hoe 50 andro aorian’ny Paska. Tao jerosalema no miseho ny Tantara ary i Lioka , izay nanoratra ny filazantsara faha 3 ihany no manoratra sy mitantara izao amintsika. Amin’ny maha Jiosy an’ireto mpianatra ireto dia nijanona tao Jerosalema izy ireo nohon’ny antony izay fantatsika dia ny nameperan’i Jesosy tamin’izy ireo mba hijanona any Jerosalema. (Asa.1.4). Koa ankoatr’ireto mpianatra ireto izay nandalo fotoantsarotra tokoa satria nanatrika ny fisamborana, ny nanombohana ka nahafatesan’i Jesosy ary ny nitsangany tamin’ny maty izay mbola karazan’ny tsimbaratelo ihany aza. Dia maro ireo jiosy avy amin’ny firenen-tsamihafa no tonga nankalaza ny Paska, ny pentekosta ary andro firavoravoana hafa. Fa inona marina moa ity Pentekosta ity ?
* ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro fito (Eks.34.22; Deo.16.10) dia ny Pentekosta jiosy tany Jerosalema arak’izay voalaza a ary ny anome ny fiadanako ho anareo.
* Andro fananterana ny voalohambokatra (Nom.28.26). Ny mofo izay naterina ho an’i Jehovah tamin’izany andro izany dia natao tamin’ny sata-bary voalohany indrindra.
* Fahatsiarovana ny nanomezan’Andriamanitra ny lalàna tao Sinay (Eks.19.20). Koa ny Pentekosta izany no andro firavoravoana manaraka ny Paska izay ankalazaina ny alahady araky ny fandehan’ny volana sy izay araky ny masoandro
Zava-mitranga: Milaza Jesosy fa hankany amin’ny Rainy Izy; Kanefa tsy hamela ireto mpianany ho kamboty Izy fa hisy mpisolo Azy dia ny Fanahy Masina izay hirahin’ny Rainy amin’ny anarany (26); io fanahy Masina io dia Mpananatra, Mpanampy, Mpampahery na koa Mpisolovava. Io Fanahy Masina io no hamapahatsiaro amin’ireto mpianatra ireto izay efa nolazain’i Jesosy Tompo izay handeha ho any amin’ny Rainy. Izany Fanahy izany anefa dia ho an’izay tia azy ihany. Ka ny fanehoana izany dia amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny (21) na koa izay mitandrina ny teniny (23). Manambara zavatra roa lehibe amintsika izany dia ny :
* Didiny izay tsy hafa fa ny didy izay nomen’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely ao amin’ny Testamenta taloha tamin’ny alalan’i Mosesy. Io didy io dia napetraka tamin’ilay atao hoe trano lay fihaonana na tabernakely raha mbola teny an-dalana hanakany amin’ny tany tondran-dronono sy tantely izy ireo dia ny tany Kanana izany. Fa rehefa tonga kosa izy ireo dia tao amin’ny Tempoly ao Jerosalema no nametrahana izany didy izany. Nasaina hotandremana izany satria manoro ny lalana mankany amin’ny Ray
* Teniny izay tsy hafa fa ny didy amin’ny fomba hafa indray. Ny tenin’ iIay izay nahatanteraka ny lalàna no tokony harahina satria lalana iray izay mitondra koa mankany amin’ny Ray izany.Izaho no lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Tsy misy lalana hafa mankany amin’ny rainy afatsy amin’ny alalany. Io no lazaintsika fa Testamenta vaovao. Koa ny fitandremana izany Tenin’i Jesosy izany no milaza fa Tia Azy isika. Ary izany fitiavany antsika izany no mitondra fiadanana ho antsika na koa ho an’izay tia Azy. Ny olana anefa dia betsaka ireo izay tia azy, ao ny jiosy , ao ny jentilisa sns.. Samy manana ny fombany izy ireo ka ahoana no ahazoana miara-monina ?
Ny zava-baovao : Zavatra telo no ho jerentsina ny amin’ny fomba itantaran’i Lioka izao zava-niseho tamin’ny andro pentekosta izao: feo tonga tampoka avy any an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo ka nanenika ny trano izay mampahatsiaro ny tany amin’ny tendrombohitra sinay, Ireo jiosy maro avy amin’ny firenena maro izay volazan’ny mpaminany joela ary ny fiteny maro mampahatsiaro ny tilikambon’i Babela.
1. Tendrombohitr’i Sinay : ho fiomanana ny fanomezanan ny lalàna na ny didy folo tao amin’ny tendrombohitra Sinay izay nivoan-tsetroka satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo. Ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra sinay rehetra (Eks.19.18).Ary dia nomen’i Jehovah an’i Mosesy ny Didy folo. Te-hilaza i Lioka eto fa mihoatra nohon’ny fankalazana fanao isan-taona ity Pentekosta indray mandeha ity satria ny Fanahiny no omeny ny olony mba ahazoany mahazo ary miaina ny lalàna. Izany no antony iray ilazana ny Fanahy Masina hoe Mpananatra (Jao.14.15à) (Parakleto: Mpampianatra, Mpananatra, Mpampahery, Mpisolo vava). Izany dia atokana ho an’Izay voa antso ihany. Tsy voasoratra amin’ny vato tahaka ny didy folo ity fanomezana ity fa hosoratana amin’ny fon’ny olona
2. Izao ilatsahan’ny fanahy Masina izao dia fahatanterahan’izay voalaza ao amin’ny Mpaminany Joela.3 : Ary amin’ny farany , hoy Andriamanitra no handatsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra. Teny izay ampahatsiarovin’i Petera (Asa.2.17). eto I Petera no mitondra fanazavana ny amin’izay zava-niseho indrindra ny amin’i Jesosy avy any Nazareta izay tsy fantatry ny maro ny fisiany. Mijoro vavolombelona momba ny asa nataon’i jesosy i Petera ary izany moa dia mitondra fibebahana ho an’ny olona izay voatsindrona tao am-pony.(Asa.2.38). Misy ny Fanomezana ho an’izay mandray an’i Jesosy dia ny Fanahy Masina. Manamafy ny fahatanterahan’ny faminaniana nataon’i Joela , mpaminany ny fisian’ireto Jiosy avy amin’ny firenena samihafa : Asia, Afrika, Pelestina, eoropa ary izay lazaina fa jentilisa dia ny proselita izany.
3. Ny tilikambon’ny babela dia fantantsika fa nikororohan’andrimanitra ny tenin’ny olombelona mba tsy hitovy ha hifankahazoany. Eto anefa izany tsy fitoviazam-piteny izany dia ampisain’andrimanitra ahazoan’ny rehetra mahazo an’ilay hafatra tokana dia ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy avy any Nazareta ho an’ny rehetra. “L’unité dans la diversité). Nohon’ny Fanahy Masina dia afaka mitory ny famonjen’i Jesosy Kristy amin’ izay teny tsy hainy ireto Galiliana ireto. Izay ny amin’ny fitantaran’i Lioka an’izay niseho fa ho anao izay mihaino : Mby aiza ny Toeranao ?
Mila misafidy ianao Hitantsika amin’izao tantara izao fa nisy ireo olona maro tokoa avy amin’ny firenena samihafa tonga tany Jerosalema hankalaza ny fetin’ny Pentekosta. Tao ny jiosy, mpivavaka tsara, tao koa ireo izay lazaina fa proselyta, ireo jentilisa nanaraka ny fivavahana jiosy ka nanaiky hatramin’ny famorana azy ireo. Ireo olona izay fatra-panaja ny lalàn’ny fonba fivavahana jiosy no iantefan’izao tenin’ireto mpianatr’i Jesosy Kristy avy Nazareta izao. Hitantsika amin’izany fa misy antokon’olona eto manoloana ny Asa lehibe nataon’Andriamanitra: ao ireo izay efa nahita izany ka nanandrana azy, ao ireo izay mbola mila ilazana azy.
1. Mpianatr’i Jesosy avy any Nazaretra :nanaraka ny fampianaran’i Jesosy ary nahita izany Asa lehibe ataon’andrimanitra izany. Ireo no nolazaintsika tamin’ny farany teo fa fototry ny fijoroana vavolombelona momba izany Asa lehibe nataon’andrimanitra tao amin’i jesosy Kristy avy tany Nazareta. Ireo no nomeny hery tamin’ny nilatsahan’ny Fanahy Masina. Azo lazaina koa fa voaloham-bokatra izy ireto . Io Fanahy Masina io no nampiteny azy ireto tamin’ny fiteny maro samihafa ka azon’ireto olona tafangona. Tsy niteny izy ireto fa nampitenenina. Io Fanahy io tokoa no mampiteny antsika fa tsy anjarantsika ny miteny izay tiantsika holazaina. Manome fitaovana ho an’izay irahiny ho amin’ny faran’ny tany ny Tompo ary anisan’izany ny fitenenana an’ireo fiteny maro izay misy eto amin’izao tontolo izao. Vita hatreo ny “barrière de langues”.
2. Izay lazaina fa mpivavaka tsara. Mbola tsy nandre na nahalala an’izany Jesosy Kristy avy tany Nazareta izany. Hany ka tsy mahalala ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.Betsaka no mamonjy fetim-piangonana toy ny Pentekosta fa vitsy no mandray ny asa lehive izay ankalazana an’Andriamanitra toy izao andro Pentekosta izao. Mety ho an’isan’ireo olona tsy tapaka fa mankany am-piangonana isan’alahady ianao, mivavaka aloha’ny sakafo sns.. Miantso anao ny Tompo. Hoy izy aminao amin’ity anio ity : miverena aminy indray. Raiso ka ekeo fa avy tamin’izany Jesosy avy tany Nazareta izany tokoa ny asa lehibe izay natao hamonjena anao ka hananao ny fiadanam-po izay tsy hain’izao tontolo izao omena na raisina. Atao eo anatrehanao anio ny fiainana ary ny fahafatesana, koa mifidiana ny fiainana dia Jesosy Kristy mba ho velona hianao. Ny fanahy izay mananantra, mitarika ary misolo vava anao no omena anao ahazoanao mitandrina ny didin’Andriamanitra..
Izany tokoa no ahazoana mampiseho fa tia an’Andriamanitra ianao. Manakalaza ny fetin’ny pentekosta isika amin’ity anio ity. Pentekosta izay anamafisan’ny Tompo ny maha iray ny fiangonana fa isika na dia maro aza dia tena iray tokoa ao amin’ny Kristy. Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.Amen

D.ANDRIANARIVO
FPMA Dijon
Pentekosta 2010
 
Ianao ary ny Tenin'Andriamanitra Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
Toriteny FPMA DIJON

"..Ary ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha", Asa.13.46
aha ny taom-piangonana no lazaina, anio dia alahady faha 4 manaraka ny Paska izany hoe ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Marihina fa eo anelan’elan’ny Paska ary ny alahady Pentekosta dia misy alahady 7 izay no maha 50 andro azy (7 andro * 7 herinandro = 49 andro). Alahady 7 izay nandrenesantsika ny asan’ny apostoly izay nosoratan’i Lioka, ny Apokalipsy ary ny filazantsara izay nosoratan’i Jaona. Anio isika dia namaky tao amin’ny filazantsaran’i Jaona izay nilazan’i Jesosy fa “Izy sy ny rainy dia iray ihany” Jao 10.30. Ary io Jesosy izay milaza fa iray amin’ny rainy io no torin’i Paoly sy Barnabasy tany Antokia any Pisidia.
Fa nahoana moa Jesosy no milaza fa Izy sy ny Rainy dia iray ihany ?
 
Ny Jaona 10
 Jesosy namonjy fety lehibe dia ny fahatsiarovana ny nanokanana ny Tempoly tany Jerosalema no tantaraina eto. Marihina moa fa in-telo no naorina ity tempoly ity ka ny
1.    nataon’i solomona tamin’ny 1004 fony tsy mbola nizara ny fanjakana ary noravan’i Nebokadnezara
2.    tamin’ny fiverenan’ny Z.I tany amin’ny fahababoana (-515)
3.    nataon’i Heroda Lehibe (-19) ary noravan’i Titosy. Fanitarana an’ilay faharoa ihany ity.
Koa ny fahatsiarovana eto dia ny fanokanana izay nataon’i Jodasy Makabeo tamin’ny taona -164 rehefa avy nolotoin’i Antiokosy IV ny tempoly.
Teo no napetrak’ireto jiosy ireny ny fanontaniana hoe : ambaram-pahoviana no hampisalasalanao anay ? Raha hianao no Kristy lazao marina aminay.(24). Dia hoy Jesosy : efa nilaza taminareo ihany aho, nefa tsy nino ianareo. Ny asa izay ataoko no manambara ahy. Ianareo tsy mino satria tsy mba isan’ny ondriko : izay mihaino ny feoko ka manaraka ahy..Ny ondrin’i Jesosy dia fantany satria nomeny fiainana mandrakizay izy ireo ary tsy misy maharombaka azy eo an-tanan’i Jesosy. Izao teny izao dia efa nialohavan’ny hoe Izaho no mpiandry tsara, ary fantatro ny ahy sady fantany Aho (14). Misy fifankafantarana eo amin’i Jeosy sy ny ondriny. Ny tena olana tamin’ireto jiosy ireto dia ny ilazan’i Jesosy ny fifandraisany amin’izay lazainy fa Rainy. Niteraka fisarahana teo amin’izy ireo izany (19); imbetsaka no niteraka fisarahan-tsaina teo amin’i jiosy ny fampianaran’i Jesosy (7.43, 9.16)
Raha izao Jao.10 izao ihany no ho raisintsika dia ahitantsika an’i Jesosy milaza ny tenany :
·         izaho no vavahady, vavahadin’ondry  (7,9)
·         izaho no mpiandry tsara (11,14)
ary dia manohy izy ny amin’izay tokony ho toetry ny ondry ary koa ny tokony ho toetry ny mpiandry. Lazain’i Jesosy eto fa vonona Izy ny hanolotra ny ainy hamonjy ny ondry (14). Ary dia izany fifandraisan’ny ondry sy ny mpiandry azy izany no entin’i Jesosy manambara ny asa ataony eto amin’izao tontolo izao. Koa ny fanolorany ny ainy mba handraisany an’ireto ondry ireto no itiavan’ny Rainy Azy. Ary Izy sy ny Rainy dia Iray ihany ary dia izany no nakan’izy ireo vato hitorahany Azy satria miteny ny tenany ho andrimanitra Jesosy.
Izany koa no ambara amintsika amin’ity anio ity. Iza no mpiandry anao ? Mba manana mpiandry ve ianao ? Raha misy izany, iza ?
Lazain’i Jesosy fa manana ondry hafa izay tsy ao antin’ny vala ity izy (16). Ny hitory amin’izy ireny no nairahan’i Jesosy ny mpianany toa an’i Paoly sy Barnabasy izay norenesintsika tao amin’ny Asa.13.

Ondry hafa

Nirahin’i Jesosy ny Mpianany mba hitory ny filazantsara, satria efa nandray maimaim-poana ianareo hoy Izy dia manomeza maimaimpoana. Nandao an’i Jerosalema izy roalahy mba hankany amin’ity hoe Antokia any Pisidia. Rehefa tonga tany izy roalahy dia niditra tany amin’ny synagoga satria sabata ny andro. Toy ny ho mandeha any am-piangonana satria alahady. Ny synagoga moa dia toerana iangonan’ireo jiosy izay any am-pielezana (diaspora). Ary rehefa nomena fitenenana i Paoly dia nilaza mazava fa izahay mitory ny filazantsara aminareo dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ny razana (32) dia ny momba an’i Jesosy Kristy izany araky ny filazan’ny soratra masina azy. Lazain’izy ireto fa aoka ho fantatrareo ry rahalahy fa izany lahilahy izany no itoriana ny famelan-keloka ary koa anamarinana izay tsy azo nohamarinina tamin’ny lalàn’i Mosesy.
Izany teny nolazain’i Paoly sy Barnabasy izany dia norenesin’ireto :
Jiosyampielezana,
· izay lazain’i Lioka hoe proselyta (43) (tsy jiosy kanefa nandray ny fivavahana jiosy ka niroso hatramin’ny famorana azy ireto)
· izay lazaina hoe “matahotra an’Andriamanitra” (tsy jiosy izy ireto kanefa kosa resy lahatra ny amin’ny fivavahana jiosy).
Tamin’ny sabata voalohany dia tsara tokoa ny nandraisan’ireto jiosy an’izy roalahy. Fa tamin’ny faharoa dia tonga ary hita fa nisy ny fizarana teo amin’ireo olona tao amin’ny synagoga. Nohamafisin’i Paoly sy Barnabasy tamin’ny fahasahiana fa ianareo aloha no tsy maintsy itoriana ny Tenin’andrimanitra aloha (46) fa rehefa manda ianareo dia hitodika amin’ny jentilisa izahay.arak’izay nohafaran’i Jesosy tamin’nireo mpianany dia ny apostoly izany ao amin’ny Matio 10 dia ny fitoriana any amin’ireto ondry verin’ny Zanak’Isiraely aloha. Fa rehetfa tsy mandray ireo dia ahintsano ny vovoka eo amin’ny kapanareo mba ho mariky ny fandalovanareo ary ny fandavany ny filazantsara izay entinareo.
Notanerahin’izy roalahy izany ka dia nitodika nakany amin’ny jentilisa izy roalahy. Faly ny jentilisa ka nankalaza ny tenin’Andriamanitra nohon’ny finoany an’i Jesosy Kristy.Tsy nijanona teo amin’ny jiosy ihany ny fampielezana ny tenin’Andriamanitra fa ho an’ny olona rehetra.
 Hitantsika eto koa fa tahaka an’i Jesosy izay nakan’ireto jiosy  dia nampitaitra ny vehivavy manan-kaja sy ny lehibe teo an-tanàna mba hahavoaroaka azy roalahy ka hiala amin’ny taniny.
Sarotra ny mitory ny filazantsara satria mirteraka fanenjehana izany . hitantsika teo ny momba anb’i Jesosy. Eto isika mahita ny mpianany dia i Barnabasy sy Paoly. Kanefa kosa miteraka fiafaliana eo amin’izay mitory izany ary koa izay mandray izany. Ary izany no antony itoriantsika ny fampielezana ny filazantsara. Misy ondry hafa izay tsya to amin’ity vala ity ny Tompo. Olona tsy ato amp-iangonana FPMA Dijon, olona tsy eto Dijon, mety tsy malagasy na olon-kafa tanteraka. Mitory izany tenin’andrimanitra izany isika ary dia aminareo aloha notsy maintsy anombohana izany. Fa raha ny tenantsika aza tsy resy lahatra, ataontsika ahoana no fomba handresena lahatra ny hafa. Ny asan-tsika no tokony hanambara ny momba antsika araky nyt tenin’i Jesosy. Koa mahereza, mahatanjaha ary manaova toa an’i Davida hoe  : Jehovah no mpiandry ahy, tsy hanajava-mahory aho.... Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho. Amen

D.ANDRIANARIVO, FPMA Dijon
25 aprily 2010

 
Jesosy, mpaminany Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’andriamanitra sy ny vahoaka rehetra. Lio.24.19b
Faly miarahaba antsika indray amin’izao alahady ankalazana ny paska kristiana izao dia ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty.Tantara izay efa saiky haintsika tsianjery aza ity tantarain’i Lioka eto amin’ny Lio.24. ity. Tantara izay antsoina hoe momba ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty arak'izay voatantaran'i Lioka. Fa inona tokoa moa no niseho ?
Zava-niseho
Raha tsy hijery afa-tsy izay tantarain’i Lioka isika dia ahitana an’
* Ireto vehivavy nahita fasana foana izay ahitana an’i Maria Magdalène, Johana ary Maria renin’i Jakoba ary ireo vehivavy sasany (10). Tonga ireto vehivavy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro. Raha mihoatra amin’ny fitantaran’i Matio na i Marka dia betsaka kokoa ny vehivavy voatanisan’i Lioka. Lazain’i Lioka fa tsy nahita ny fatin’i Tompo izy ireto (3).
* Ireto roalahy nitafy fitafiana manelatrelatra izay nanambara fa efa nitsangana tamin’ny maty Jesosy arak’izay nolazainy. Koa tsara ny tokony hitadidiany izay efa nolazainy tamin’izy ireo tany Galilia.
* Nohon’ny fitantaran’ireto vehivavy ireto izay hitany sy reny tany amin’ireto apostoly izay tsy nino azy (11) dia lasa Petera nihazakazaka nankany amin’ny fasana. Ireo antokon’olona telo ireo no vavolombelona mivantana tany amin’ny toerana izay nandevenana an’i Jesosy ka nahita fa foana ilay fasana.
Ireto roalahy moa dia nilaza mazava fa efa nitsangana izy koa tsy tokony ho aty amin’ny maty no hitadiavana ny velona. Tsarovy hoy izy ireo mantsy an’ireto vehivavy ny teny izay nolazainy tamianreo tany Galilia. I Petera moa amin’ity resaka ity dia toa ny “huissier” ihany : mpanamarina izay nolazain’ireto vehivavy. Tsy mba nihaona tamin’ireto roalahy kosa izy fa fahagagana no nahazo azy saria lambam-paty sisa no mba hitany tao. Inona no antony ? Tsy voalaza. Raha fahavelomana no nolazaina tamin’ireto vehivavy ireto, fahafatesana kosa no sisa hitan’i Petera. Inona ary moa no zava-nitranga taorian’ny fijoroana vavolombelona nataon’ireto vehivavy ireto ?
Fijoroana vavolombelon’ireto mpianatra roalahy
Efa voalaza teo fa vokatry ny fijoroana vavolombelona nataon’ireto vehivavy ireto dia tao ny tsy nino , tao koa ny nanamarina toa an’i Petera izay lasa tany amin’ny fasana. Fa ireto lahilahy roa ireto kosa dia lasa nakany amin’ny vohitra atao hoe Emaosy. Tsy fantatra ny antony fa ny zavatra izay misongadina amin’izao tantara izao dia ny fihaona’izy roalahy dia i Kleopasy sy ny namany raha sendra niresaka momba ny zava-nanjo tany Jerosalema izy ireo. Momba an’io zava-nanjo io no resaka nifanaovana ka nanotanian’i Jesosy azy ireto hoe : zavatra manao ahoana loatra moa izany ? (19). Dia hoy izy roalahy : Ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra.
Nantenanin’izy ireto tokoa mantsy Jesosy fa hanafaka ny firenen’Israely amin’ny fitondrana romana izay nisy tamin’izay fotoana izay. Tsara ho tadidintsika ireo fanotaniana maro napetrak’ireto mpanoradalana :
* momba ny fahefan’i Jesosy raha sendra nampiantra Izy teo an-kianjan’ny Tempoly : fahefana avy aiza moa no ahazoanao manao izao zavatra izao ary iza no nanome anao izany fahefana izany (Lio.20.2)
* momba ny fitondrana romana indray : mety va raha mandoa vola hetra ho an’i Kaisara izahay, sa tsia (Lio.20.23). Ireo fanontanina ireo dia natao mba hamandrihana an’i Jesosy ahazoana misambotra Azy . Ny sisa tavela hoan’ireto mpianatra roalahy dia ny amin’izay maha mpaminany an’i Jesosy.
Nirodana ny fanantenana satria nohombona’ireto mpitondra fivavahana sy firenena tamin’ny hazo fijaliana Jesosy ilay mpaminany mahery telo andro lasa izay. Kanefa ny tena maha very hevitra azy roalahy dia ny nahitan’ireto vehivavy sy ny mpianatra fa fasana foana no hitan’izy ireo. Ary izany dia nohamafisin’ireto anjely fa efa velona Izy kanefa tsy nisy nahita (Lio.24.22-25). Teo Jesosy no nanazava izay tokony ho tsy maintsy niaretany. Marihina fa eto ny mason’ireto mpianatra ireto dia mbola nohazonina mba tsy hahafantatra Azy. Ny fanazavan’i Jesosy dia izay voalaza araky ny Soratra Masina ihany. Ka ahoana tokoa moa no voalazan’ny soratra Masina ?
Jesosy ao amin’ny soratra Masina
Lazain’i Jesosy tamin’izy roalahy ireto ny tsy finoan’izy ireto izay voalazan’ny mpaminany momba azy. Izany fanazavana izany dia manomboka amin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra. Raha izao tantara izao dia Jesosy, izay mpaminany no lazain’ireo mpaminany araky ny Soratra Masina. Fa iza moa no atao hoe mpaminany : olona nofidin’Andriamanitra mba ho mpanelanelana Azy amin’ny olona na ny vahoakany. Anisan’ny asan’nizany olona izany ny fitondrana teny na ny teny avy amin’Andriamanitra ho an’ny olona izany na ny teny avy amin’ny olona ho an’Andriamantra.
Tsy ny Teny ihany fa izay fahefana rehetra mikasika ny fanatanterahany ny asa izay niantsoan’Andriamanitra azy. Koa ny asa sy ny teny ataon’ireo mpaminany ireo dia misy ny tombokasen’Andriamanitra. Tsy hijery afa-tsy izay voalazan’i Lioka momba ny maha mpaminany an’i Jesosy isika indrindra fa amin’ny maha mpaminany araky ny fomban’i Mosesy. Marihina fa raha ny mpaminany no resahina dia i Elia no anisan’ny lehibe amin’izy ireo. Fa i Mosesy kosa dia mazana ny fanafahana ny vahoaka tany amin’ny fanandevozana tany egypta ary indrindra fa ny lalàna no ao an-tsaina. Kanefa i Mosesy dia anisan’ny Mpaminany ihany koa. Ny fanompoana ary koa ny tenana’i Jesosy dia asehon’i Lioka ao amin’ireo boky nosoratany (filazantsara ary ny asan’ny apostoly) fa araky ny faminaniana araky ny testamenta taloha.
Eny mihoatra noho izay nataon’ireo mpaminany maro aza no nataon’ity Mesia ity. Na ny asan’i Mosesy, Elia ary ny Mpanompon’i Jeshovah izay voalaza ao amin’ny bokin’i Isaia dia samy hita ao amin’i Jesosy. Ohatra, raha tsy hijery raha tsy ny momba an’i Mosesy isika :
* tamin’ny fiovan’i Jesosy tarehy tao an-tendrombohitra (Lio.9.28-29) niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy dia nahitana an’i Mosesy sy Elia niresaka taminy. I Mosesy no voalaza alohan’i Elia tahaka ny fitantaran’i Matio koa
* raha nanadio an’ireto boka Jesosy dia nilaza tamin’izy ireo ny tokony hantanterahan’izy ireo ny didin’i Mosesy (Lio.5.14)
* Jesosy manazava/manambara ny tenany nanomboka tamin’i Mosesy sy ny Mpaminany ary ny hevitry ny teny izay milaza azy araka ny soaratra Masina (Lio.24.27) Ireo roalahy izay lazaina fa anjely dia nilaza tamin’ireto vehivavy ny amin’ny teny izay nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo fony izy mbola tany Galilia. Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ka homboana amin’ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ny andro fahatelo (Lio 24.7) Fa andao ho jerentsika indray ny momba izay lazain’ireo olona taorian’i Jesosy ny momba an’i Jesosy sy ny hanjo azy.
Ohatra izay ho raisintsika dia i Paoly apostoly ao amin’ny Ikor 15.3
* Kristy maty nohon’ny fahotantsika araka ny Soratra Masina (Isa.53.5 : Nefa Izy dia voalefona nohon’ny fahadisoan-tsika...ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika)
* Nalevina ary natsangana tamin’ny maty araka ny Soratra Masina Tsy mpaminany ihany anefa Jesosy fa sady Mpamonjy Izy no Tompo ary zanak’Andriamanitra. Amin’ny maha mpaminany azy dia tsy maintsy tanterahin’Izay naniraka Azy ny momba Azy rehetra dia ny famonjena antsika izany.
Fa raha tsy natsagana tamin’ny maty Jesosy Kristy dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo. Ary izany no hamafisin’i Paoly apostoly ao amin’ny Rom 6. Izay norenensintsika teo. Fa velona miaraka amin’i Kristy isika. Amen

D.ANDRIANARIVO
Paska 2010
FPMA Dijon

 
<< Début < Précédente 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivante > Fin >>

Résultats 1 - 9 sur 98
 
Joomla Templates by Joomlashack