Ny adiresin’ny FPMA DIjon
FPMA Dijon
14 boulevard de Brosses
21000 DIJON
Iza moa ny FPMA DIjon
Ny FPMA Dijon dia iray amin’ireo FIANGONANA PROTESTANTA
MALAGASY ATY ANDAFY (FPMA). Zanaky ny FFPM any Madagasikara ny FPMA
ary nomeny fahaleovantena tamin’ny 1996. Eto France dia miray
amin’ny Fédération Protestante de France
na ny FPF ny FPMA
Miray koa izy amin’ny Alliance Réformée
Mondiale na ny ARM sy ny Féderation Luthérienne
Mondiale na ny FLM izay samy any Génève izy
Noho izany dia hita ao aminy daholo izay na ny mpiangona avy any
amin’ny FJKM sy ny Loterana avy any Madagasikara. Ao
koa ireo izay taty ampitan’ny ranomasina vao
nofohazin’Andriamanitra. Tsy manda na iza na iza ny Tompo
Jesoa noho izany dia miantso anao ny Tafo FPMA Dijon.
Toerana
iangonana
Ao amin’ny fiangonana ERF 14 boulevard de brosses 21000
Dijon.
Amin’ny firy ny fiangonana
Indroa isam-bolana ny fiangonantsika ka isaky ny alahady faharoa,
izay misy fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, sy ny alahady faha
efatry ny volana
Manomboka hatrany amin’ny 3 ora ny fotoana
Amin’ny fety lehibe toy ny Paska, Pentekosta, ny Krismasy dia
misy ny fiarahana miangona
Indroa isantaona dia mira-mivavaka amin’ny rahahalahy
Fiangonana katolika malagasy EKAR izahay (toy ny fetin’ny 26
jona izany)
Misy
Parking ve ?
Betsaka no tsy andovam-bola ny parking isaky ny alahady
iangonana fa tongava.
Dia ahoana
ny momba ny ankizy ?
Manana sampana sekoly alahady izay handraisana ankizy ny
fiangonana.Koa aza misalasala mitondra ny zanantsika na firy taona
na firy taona.
Azo antsoina ve ny fiangonana raha toa ka misy ilaina izany
ivelan’ny alahady ?
Izany no maha fiangonana azy. Tena azonao antsoina raha toa ka
manana fahasahiranana ianao. Antsoy ny 06 84 35 02 44 na
ny 03 80 56 42 17
Ahoana no fomba fiakanjo rehefa miangona?
Manambara izay ao am-ponao ny fitafiana entinao. Koa
rehefa heverianao fa afaka manome voninahitra
an’Andriamanitra ianao dia mety. Aoka kosa mba tsy hampiseko
kibo na dia izany aza .
Misy olona ve azoko iresahana ny momba ny fiainana
kristiana ?
Ny mpitandrina ANDRIANARIVO izay miandraikitra ny Tafo FPMA Dijon
dia vonona ny hiresaka aminao. Koa aza misalasala ny miantso azy
amin’ny tel 08 70 34 96 02. Mandray olona te-hianatra
Katekomena koa izahay . Marihina fa ny fianarana Katekomena
dia manomboka adiny iray mialoha ny
fanompoam-pivavahana.
Misy olona afaka miara-mivavaka amiko ve ?
Betsaka ato amin’ny FPMA Dijon no afaka mivavaka aminao. Koa
aza misalasala ny miantso ny Mpitandrina aloha .
Ahoana
ny batisa ato amin’ny FPMA Dijon ?
Tsara ianao ny mifandray amin’ny Mpitandrina ANDRIANARIVO ary
mifampidinika aminy momba ny Batisa. Na ny zaza izany na ny
olon-dehibe. Marihina fa mpanantanteraka ihany ny Tafo FPMA
DIjon.
Ahoana ny fanambadiana na mariazy ato
amin’ny FPMA Dijon ?
Tsara aminao ny mifandray amin’ny Mpitandrina ANDRIANARIVO
ary mifampidinika aminy ny momba ny fanambadiana..
Marihina fa mpanantanteraka ihany ny Tafo FPMA DIjon. |