|
Manoloana ny toe-javatra misy eto
amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao, dia azo
lazaina fa sarotra ny mahita an’io toerana io. Toerana izay
misy ary ampitaina ny fahendrena malagasy. Ny sekolin’ireo
razana nifandimby teto Madagasikara : nahenoana ireo tantara
toy ny angano ka nampitaina ny fahendrena, toerana nianarana nanisa
tamin’ny fomba maro ary koa nanaovana an’ireo
hakingan-tsaina tamin’izany fotoana izany. Tsy
toeram-pianarana ihany koa fa teo amorom-patana no
nandaminan-javatra maro teo amin’ny fiainan-tokantrano aloha
tamin’ny alaln’ireo raiaman-dreny. Izay vao nentina teo
amin’ireo raimaman-dreny eo an-tanana raha ilaina izany.
Toerana nahazoana sakafo indrindra toy ny vary , ny tono-ketsaka
sns ary koa nahazoana hafanana indrindra amin’izao andro
ririnina izao. Tamin’ny teny Malagasy ary nampitanina
tamin’ny fomba Malagasy ireo fahendrena Malagasy ireo. Izany
no nahatonga izao firenena izao mbola mijoro hatramin’izao ka
itenenana ny teny Malagasy sy ny fehendrena Malagasy.
Manoloana ny toe-java misy ankehitriny
anefa dia mampalahelo fa toa tsy hita intsony io toerana io. Tsy ny
raimamandreny intsony no iresahana na natao hampihavana raha toa ka
misy ny tsy fitovian-kevitra fa vahiny izay tsy mahalala akory izay
fahendrena nitaizana anao hany ka any amin’ny toerana izay
tys mahazatra antsika ary indrindra fa amin’ny fiteny sy ny
fomba izay tsy nitaizana anao no nentin’izy ireo hamahana ny
olana. Vokatr’izany dia ny fahatsairovan’izy ireo fa
tena hafa tokoa ireto Malagasy ireto satria tsy mitovy fisainana sy
fahendrena aminy.
Ny inon-kodona na inon-kiantra dia aza
manary ny maha Malagasy anao. Raha misy ny olana dia miajtsoa ireo
raimamandreny izay na dia heverina fa tsy dia nianatra aza dia aza
hadino fa ao tokoa ny fahendrena izay noraisin’izy ireo
tamin’ireo razana teo aloha ka nahatoy izao antsika.
Mana-tombo isika eto Madagasikara satria :
fiteny tokana no ifampiresahantsika na dia ao aza ny halaviran-tany
avaratra sy atsimo, fahendrena tokana no mbola iainantsika.
Tsy hoe rehefa nianatra isika dia hevela
ny fahendrena Malagasy sy ny teny Malagasy. Ny fandrosoana akory
tsy midika hoe fanariana ny teny n any fahendrena.
Anisan’izay natahoran’ny vazaha teto amintsika
tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany ny
famakian’ireo malagaxy izay anisan’ny voalohany nahay
namakiteny an’ilay boky hoe “japana sy ny
japanezy”. Mitantara ny nataon’ireo japanezy manoloana
ny fanjanahana natao tamin’izy ireo. Fahendrena sy fitenenana
japanezy no nataon’izy ireo hivoahan’ny fireneny. Raha
mahita azy ireo ianao dia tsy manary ny fomba fiankajony izy ireo
toy ny “kimono” fa isika kosa dia vitsy no mbola
miankanjo malabary indrindra fa isika izzay nahita fianarana fa
mihazakazaaka amin’ny fehi-tenda sy ny kiraro maro
isan-karazany. Ny loza aza dia ny “fanariana lamba”. Ny
mahavelom-bolo dia ny tsy fiovan’ireo tantsaha
amin’izany fa mbola mitafy lamba n any vehivavy na ny
lehilahy.
Koa aza hadiano re fa misy ny atao hoe
* “AMOROMPATANA” izay
ahazoantsika mifampidinika sy mifanakalo hevitra. Manan a izay
toerana maro azo ifampidinihana isika eto Madagasikara.
* RAIMANDRENY maro, isam-paritra, azo
antsoina isan-tokony avy iza afaka mitarika atsika amin’ny
dinika hatao itondrana ity tanidrazantsika ity ka
hiainan’ireo Malagasy amin’ny filaminana sy ny
fifankatiavana. Raha sery vitan’ny anamalaho, inona moa no
itadiavantsika olon-kafa hanao izany fampihavanana amin’ny
isika samy Malagasy ? Manana izay ilaina ny amin’izany
isika
* FAHENDRENA sy FOMBA ary TENY MALAGASY.
Manakarena isika, toy ireo firenena hafa, eto Madagasikara. Betsaka
ny tany izay isaky ny miova vohitra na lohasaha dia miova ny fiteny
ary tsy mifankahazo akory aza. Isika kosa dia tsy toy izany.
Tsarovy fa “ny tainomby mivadika” aza dia tsy nisy naka
teo aloha. Manana izay fomba fisainana izay maha Malagasy ny
Malagasy isika toy ny hoe “isika dia misaina fa ao
antin’ny zava-boahary” hany ka rehefa tonga
amin’ny toerana iray isika dia ny “masoandro” ny
jerena voalohany ahafantarana ny antsinana. Tsy mba toy izany ny
tandrefana, ohatra, fa ny tenany no jereny aloha ahitany ny ankavia
, ankavanana, aloha ary aoriana. Azo lazaina izany fa tena tsy
mitovy ny fomba fisainana izay mitondra koa amin’ny
fahendrena. Tsy izay mety any amin’ny hafa dia mety koa
amintsika eto Madagasikara. Ilaina fanamboarana daholo ny zavatra
avy any ivelany mba hifanaraka amin’izany toetsaina izany.
Batsaka amin’ireo avaram-pianarana no tsy dia mahafehy
intsony ny tenin-drazana hany ka rehefa mandray fitenanana : ny
androan-tokon’ny lazainy dia amin’ny teny frantsay na
anglisy. Tsy te-hisahirana amin’ny teny Malagasy intsony hany
ka tsy ajon’ny mpiahainy ny ventin’ny hevitra izay
lainy satria tsy vitan’ny hoe teny “teknika” fa
mbola amin’ny teny vahiny koa
Koa ny faniriana dia ny hiveranantsika
amin’ireo fahendrena Malagasy izay nolovaintsika
tamin’ireo raiamandrenintsika. Manana amby ampy isika eto
amin’izay ilaina ny amin’ny fandaminana izao
toe-draharaha izao. Ao ny mpampihavana dia ireo raiamandreny izay
eken-teny izany (tsy voatery ho olona nianatra akory fa kosa izay
maharesy lahatra na eken' ny maro). Ao fiteny ilaina
amin’izany dia ny teny Malagasy ary indrindra fa ny
amorompatana izay Ambohimpihaonana.
Dia samy ho tahin’ny Zanahary isika
rehetra idrindra fa min'izao fetin'ny Antsaramanitra izao.
D.ANDRIANARIVO |