|
pasitera
|
|
FANASANA
Ho an'ny Mpitandrina sy ny Mpiandraikitra ambaratonga rehetra FPMA
(Fiaraha-mivavaka, Sampana iraisana, Tafo, Faritany...)
Ho an'ny vahoaka FPMA rehetra
Ary ho anao izay mamaky izao fanasana izao
Ry Havana,
Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan'ny Tompo.
Fifaliana ho an'ny Mpitandrina ,ny Birao sy ny Mpiandraikitra ary
ny vahoakan'Andriamanitra rehetra eto amin'ny Tafo FPMA
AIX-MARSEILLE ny manasa antsika rehetra hanatrika ny
FANOMPOAM-PIVAVAHANA, ho fandraisan-tanana sy fametrahana ho
Mpitandrina matihanina an'Atoa Jeannot RANDRIANANDRASANA,
eto amin'ny Tafo.
Izany dia atao ny Alahady faha 18 Febroary 2007 , ao
amin'ny ERF Grignan, 15 rue Grignan 13006 Marseille,
manomboka amin'ny 3 ora sy sasany tolakandro, ary ho
tarihin'ny Dr.Jean RAVALITERA, ny Komity Foibe FPMA,sy ny
Faritany Atsimo Atsinanana,ary atrehan'ireo solontena maro ao
amin'ny fiangonana rahavavy : ERF, Katolika, Loterana.
Koa manainga antsika rehetra ary ry havana ho tonga maro, hanatrika
izany fotoan- dehibe fisaorana an'Andriamanitra ho an' ny
mpanompony, eto amin'ny Fiangonany izany.
Dia ho an'Andrimanitra irery ihany ny Voninahitra.
Amin'ny anaran'ny Birao sy ny Komitin'ny Tafo FPMA Aix-Marseille
Ny Filoha
Charles RAKOTONIAINA |
|
|
pasitera
|
|
Isaorana an'Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny fivoriana rehetra natao tamin'izany:
Ny fivorian'ny Fiaraha-miasan'ny mpitandrina FMM
Izay nandinihana manokana ny momba ny fomba fenendrena mpitandrina eto amin'ny sehatry ny FPMA. Arak'izany dia hivoaka tsy ho ela ny fanendrena an'ireo mpitandrina ireo sy ny Tafo izay ho tandremany. Marihina moa fa efa manao ezaka ny FPMA momba ny hananana mpitandrina matihanina. Ny mpitandrina amin'izao fotoana izao dia "benevoles" daholo afa-tsy mpitandrina 4 ihany. |
|
Tohiny...
|
|
|
pasitera
|
|
STATISTIKAN'NY FPMA 2007
Araky ny fanamapahan-kevitry ny synaoda faha 31 tany amin'ny FPMA
Orléans farany teo, ny Tafo FPMA rehetra dia tokony
hanao ny statistikan'ny mpiangona misoratra ao aminy ny 1 janoary
2007 ary handefa izany any amin'ny Komity Foibe alohan'ny 27
febroary 2007.
Ireto avy no tokony ho ao anatin'izany :
Ankapobeny
-isan'ny mpiangona
-isan'ny mpandray
-isan'ny katekomena
Sampana
-isan'ny olona ao amin'ny sampana tsirairay avy misy ao amin'ny
tafo
- sekoly alahady
- sampana tanora kristiana
- dorkasy vehivavy
- chorale
- -zava-maneno
- fifohazana
- Tily
- sampana hafa izay misy
Fitsinjarana ny mpiangona:
-lehilahy sy vehivavy
-ara-taona :
- latsaky ny 5 taona
- [5 -10 [
- [10 -18[
- [18- 25[
- [25 -35[
- [35 -55[
- [55 - 65[
- 65 taona no miakatra
Ny tafo FPMA tsirairay avy no mahita izay fomba mahamety azy
amin'ny fanangonana ireo "données " ireo. Tokony
arahina kosa anefa ireo fitsinjarana ireo mba hahafahana manao ny
fanambarana eo amin'ny ambaratonga nasionaly. |
|
|
pasitera
|
|
Manoloana ny niantsoan'Andriamanitra ny
mpanompony
tamin'ny alahady 21 janoary 2007 :
Dr. RAJAONARIVONY Jean de Dieu,
mpitandrina
Doyen ny Fakiolte teolojika FJKM Ambatonakanga
Ny Mpitandrina ary ny mpiangona FPMA DIJON
dia maneho fiaraha-miory ary maniry fampiononana ho an'ny :
- vady aman-janany sy ny fianakaviana rehetra
- mpiara-miasa aminy sy ny mpianatra ao amin'ny fakiolté
- ny Mpiandraikitra Foibe FJKM
Ny Tompo izay niantso anie no hanasitrana ny ratra aterak'izao
fisarahana izao.
Ho Azy irery ihany ny voninahitra
....Fa kristy no antony ahaveloako ary ny fahafatesana no
ahazoako tombony Fil 1 : 21
|
|
Tohiny...
|
|
|
pasitera
|
|
Ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty
Andafy FPMA, Tafo DIJON
dia manao antso avo amintsika kristiana malagasy monina amin'ireto
faritra ireto :
LONS LE SAUNIER ary BESANCON
mba hiantso ny mpitandrina ka hiara-miasa amin'ny
fandrindrana ny fikasana hamangy
azy ireo amin'ny fotoana izay mahamety azy any amin'ny volana
Marsa 2007 izao
raha sitrapon'Andriamanitra.
Dia samy hotahian'Andriamanitra
Andrianarivo, mpitandrina
FPMA DIJON |
| |
|
|
|
<< Début < Précédente 21 22 23 24 25 26 27 Suivante > Fin >>
|
| Résultats 241 - 250 sur 269 |