|
pasitera
|
|
Filazana manjo
Isaoranay Andriamanitra nanome anay ny mpanompony :
RAZAFINDRAMARY Christine
Vady navelan'ltompokolahy Ratefy Daniel Mpitandrina
izay nantsoiny hody any Aminy ny Zoma 09 Mars 2007.
Hoy :
Ny Zanany :
RADEMANANJARA Armand sy Nomena (Lily)
Pasteur RATEFY Tolotra
RATEFY Tovontsoa Andrianantoandro sy Nivo
....
|
Ny nofony dia hiala ao an-tranony Lot IVP 123 Ankadifotsy-Befelatanana ny Alatsinainy 12 Mars 2007 amin'ny 1 ora antoandro, hoentina hanomezam-boninahitra an' Andriamanitra ao amin'ny Tranovato Ambohimalaza ary hafenina ao amin'ny fasan-drazany ao Ambohimalaza ihany.
« Misaora amin'ny zavatra rehetra fa izany no Sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesoa ho anareo ».
(I Tes 5 : 18)
|
Ny FPMA eto Dijon dia mirary fampiononana feno avy amin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra ho anareo zanany sy taranany. Tsy zoviana amin'ny FPMA tokoa i Pasitera RATEFY satria tena tia an'ny FPMA no raiamandreniny koa izy fony mbola velona. Ny Tompo anie hampahery anareo ary hameno ny banga amin'izao fahalasan'ny raiamandreny izao.
Filazana nalaina tao amin'ny http://www.madagascar-tribune.com/ ny 9 marsa 2007
|
|
|
|
pasitera
|
|
Tiré du site de la Fédération
Protestante de France :
Paris, le 9 mars 2007
Communiqué de presse
Le 10e président de la Fédération
protestante de France sera élu lors de
l’Assemblée générale de la FPF, des 31
mars et 1er avril prochains. Le pasteur Claude Baty, de
l’Union des Eglises évangéliques libres, qui
est déjà président de la
Fédération protestante de France en région
parisienne, est le candidat proposé par le Conseil de la FPF
sortant. Le nouveau président succèdera au pasteur
Jean-Arnold de Clermont, le 1er juillet 2007. |
|
Tohiny...
|
|
|
pasitera
|
|
Le 31 mars 2007 sera une date mémorable pour la FPMA car, si Dieu le veut, l'assemblée génerale de la Fédération Protestante de France (FPF) va décider de l'adhésion de la FPMA en son sein. La FPMA sera donc la 23è église- membre de la FPF.
A cette occasion, La FPF va élire son nouveau présent qui va remplacer le Pasteur De CLERMONT que nous connaissons bien à la FPMA.
Rappelons que :
Depuis 1960, la FPMA est membre associé à la Fédération Protestante de France (FPF), 47 rue de clichy 75009, où se trouvent son siège social et le bureau de son Président le Rév. Dr Jean RAVALITERA.
novembre 1996: la Féderation des Eglises Protestantes à Madagascar (FFPM) a donné à la FPMA son indépendance.
juin 1999 : la FPMA a adhéré à la Féderation Luthérienne Mondiale (FLM ou LWF) au même titre que la Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) à Madagascar , l'Eglise Evangélique Luthérienne de France (EELF), l'Eglise de Confession d'Augsbourg d'Alsace-Lorraine (ECAAL) en France.
Juillet 1999 : La FPMA a adhéré à l'Alliance Réformée Mondiale (ARM ou WARC) au même titre que la Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagascar (FJKM) à Madagascar, Eglise Réformée de France (ERF) , Eglise Réformée d'Alsace-Lorraine (ERAL), Eglise Réformée Evangélique Indépendante de France (EREI).
Cete année nous fêtons le 10è anniversaire de l'indépendance de la FPMA.
Nous vous informerons sur ce site de la suite de cette décision.
Priez pour ce grand évènement du 31 mars 2007 .
|
|
|
pasitera
|
|
Cergy, faha 11 febroary 2007
Ry havana,
Ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny
Fiadanana avy amin’I Jesoa Kristy Tompontsika.
“ …ka manatera fanati-tsitrapo, Izay homenao
araka izay itahian’I Jehovah Andriamanitrao
anao“
Deotoronomia 16 .10b)
Fifaliana lalandava ho anay FPMA Cergy ny manasa anareo hanatrika
ny fanompoam-pivavahana fanateram-bokatra fanao isan-taona izay
atao ny
ALAHADY 11 marsa 2007
Manomboka amin’ny telo ora tolakandro
Ao amin’ny Centre Protestant de Rencontre
Ilay Tompon’ny fiadanana anie no hitantana sy hivimbina
antsika ka afahantsika midera sy manome voninahitra ny Anarany.
Dia mbola mametraka ny rehetra eo ambanin’ny
fahasoavan’Ilay Tompontsika. Maniry ny fahatongavantsika
maro.
Amin’ny anaran’ny Mpitandrina, sy ny Komity.
Ny Filoha
Oli-Tiana Andrianony |
|
|
pasitera
|
|
VAOVAO SY ANTSO AVO
HO AN’NY SAMPANA VEHIVAVY KRISTIANINA FPMA
Ry rahavavy malala ao amin’ny Tompo,
Ampitomboina eo aminareo rehetra mandrakariva anie ny Fahasoavana
sy ny Fiadanana avy amin’ Ilay Andriamanitra Ray,Mahafaly ny
mampandre antsika fa ny FIHAONAMBE NASIONALY VOALOHANY
ATAON’NY SVK dia hatao ao amin’ny :
SALLE DU PARC DES SPORTS
2 PLACE PIERRE MENDES FRANCE
SAINT OUEN L'AUMONE
95318 CERGY-PONTOISE CEDEX
NY ASABOTSY 12 MAI SY ALAHADY 13 MAI 2007
Izahay SVK eto amin’ny Faritany FPMA Afovoany Atsinanana (
Cergy, Saint-Simon, Grands-Champs, Melun, Ivry Famonjena,
Orléans, Arago ) no hisahana ny fikarakaràna rehetra
( ny sakafo sy ny fampiantranoana ).
Momban’ny hofan’ny trano hihaonantsika kosa, dia ny
birao nasionaly SVK no hisahana azy, koa amin’ny
maha-mpitambola SVK nasionaly, dia mangataka indrindra am-pitiavana
anareo SVK isa-tafo, raha efa hafaka manolotra izay foinareo ho
adidy :
chèque à l’ordre de FPMA-PARIS
Ramatoa Zoly Razafindraleva –
6 rue des Louvres,
95140 Garges les Gonesse
Misaotra anareo sahady amin’izay atolotrareo, Andriamanitra
hamaly fitia anareo.
Mametraka ny mandrapihaonantsika rehetra amin’ny volana mey,
dia samy ho tahian’Andriamanitra daholo.
Amin’ny anaran’ny sampana iraisana SVK
Ny Filoha-Mpanampy SVK nasionaly : Annie RAHARIJAONA
Ny Mpitambola SVK nasionaly : Zoly RAZAFINDRALEVA |
|
|
pasitera
|
Faly miarahaba antsika rehetra
Natao ny Asabotsy 2 Febroary 2007 teo ny fifidianana ny Birao
vaovaon'ny FPMA Tafo Nancy. Mandritry ny roa taona (2007-2008) ho
avy dia toa izao izany :
Filoha : Ralantoarisoa ALEXANDRE
Mpitantsoratra : Dominique RATREMA
Mpitantana ny Vola : Saholy ARAYE
Mpitahiry Vola : Francky RAMAROSON
Dia mametraka anareo ho eo ambany fahasoavan'ny Tompo
Ny Mpitandrina Mpandrindra ny Tafo
RAFENINIRINA Laza, mpitandrinahttp://tsodrano.free.fr
______________________________________________________________________
"Efa nitahy anao ny Tompo ka hiaro anao
Efa nampamirapiratra ny tavany taminao ny Tompo ka hamindra
fo aminao
Efa nanandratra ny tavany taminao ny Tompo ka hanome anao
fiadanana"
|
|
|
|
<< Début < Précédente 21 22 23 24 25 26 27 Suivante > Fin >>
|
| Résultats 231 - 240 sur 269 |