|
Vaovao
|
pasitera
|
Esprit de sacrifice ?
Merci pour votre dossier sur le malaise pastoral. Merci d'aborder
des questions que nos synodes peinent à faire
émerger. Merci à Mireille Grandval, de Paris, qui,
dans le courrier des lecteurs de Réforme du 27 novembre 2008
(n°3297) réagit si justement à la question taboue
de la rémunération des pasteurs.
[…] Je suis moi-même pasteur en poste avec deux
enfants et je perçois 914 euros mensuel desquels je dois
déduire chaque mois 540 euros de frais de garde pour relayer
l'école et le retour tardif du papa et de la maman pasteur
qui rentre tard pour se rendre 2 ou 3 fois par semaine à une
réunion le soir.
Mon époux travaille mais, pour me suivre, il a quitté
son travail et a subi un an de chômage. Son salaire n'est
pas mirobolant mais il couvre les frais de garde des enfants, les
activités extrascolaires, les frais de notre
véhicule, l'habillement des enfants et quelques charges
mais son contrat est précaire... Nous vivons au jour le
jour.
Comme votre lectrice le dit justement, nous faisons partie des
pasteurs dont la famille n'est pas aisée. Famille qui, tant
qu'elle l'a pu, nous a soutenus financièrement, ce qui
était pour elle une manière de soutenir notre
Église. Mais ne percevant maintenant qu'une petite
retraite, cela lui est devenu impossible.
Les vacances, les sorties, visiter les grands-parents
éloignés.... ou se payer un deuxième
véhicule, c'est impossible. Nous ne possédons pas
d'appartement ni de résidence familiale où nous
rendre.
J'aime mon ministère, et je rends grâce à
Dieu. J'essaye de le vivre pleinement et en confiance. Mais quel
témoignage vais-le laisser à nos enfants ? L'esprit
de sacrifice ? Une version contemporaine de la mère courage
?
Ce qui me fâche le plus, au-delà des
difficultés que nous rencontrons au quotidien, c'est
l'attitude « autiste » de notre Église face
à ces questions vitales. Je déplore aussi comme votre
lectrice les réactions, heureusement minoritaires, de
certains de nos ministres qui ont la chance d'être mieux
lotis mais entendent les interpellations de leurs collègues
avec une certaine condescendance.
C'est pourquoi je vous dis un grand merci, madame Grandval :
puisse notre Église tirer leçon de votre discernement
et de la bienveillance dont vous faite preuve à
l'égard des ministres de notre Église.
Nous sommes tous appelés à nous mettre au service du
Christ dans la joie, l'esprit libre et le cœur confiant.
Nous ne sommes pas appelés au sacrifice.
Corinne Danielian
http://www.reforme.net/dossiers.php?id=337 |
|
|
pasitera
|
|
REMERCIEMENTS
‘‘Jubilé 14
Mars 2010’’
Chers
Frères et Sœurs en Jésus - Christ, Chers amis,
Chère famille,
Que la grâce du Seigneur Jésus - Christ, l’amour
de Dieu tout Puissant et la communion de l’Esprit Saint
soient toujours avec vous maintenant et à
jamais.
‘‘Je rends grâces
à Celui Qui m'a donné la force,
le
Christ
Jésus, notre Seigneur, Qui m'a jugé assez
fidèle pour m'appeler à Son
service’’
I Tim. 1 /
12
Nous
remercions le Seigneur de nous avoir donné tant de bonheur
et Lui demandons de donner encore la force de continuer dans cette
voie, de pouvoir Lui rendre grâce à l’unisson
jour et nuit et jusqu’à
l’éternité. Le plus important ce ne sont ni ces
15 années de ministère pastoral ni les trente
années de mariage que nous venons de fêter, le plus
important c’est de continuer à servir Dieu car
‘‘Ce n’est pas à nous, Seigneur, non, ce
n’est pas à nous que revient la gloire, mais à
Toi, pour Ta bonté et Ta
fidélité.’’ Psaumes
115/1
Nous ne
sommes que des simples envoyés en mission guidés
par les mains du Seigneur et nous
confessons : ‘‘Nous sommes des serviteurs
quelconques, nous n’avons fait que notre devoir’’
Luc 17, 10
La
famille RANDRIANANDRASANA vous exprime ses sincères
remerciements. Nous sommes profondément touchés par
votre présence, vos prières et vos participations qui
pour nous constituent une grande preuve d’amour et de
soutien.
Nous
voudrions que le message suivant puisse passer à
chacun :
‘‘Je vous donne un
commandement nouveau : vous aimer les uns les autres ; comme Je
vous ai aimés, aimez-vous les uns les autres. A ceci tous
reconnaîtront que vous êtes Mes disciples : si vous
avez de l'amour les uns pour les autres."Jean 13/34,
35
Très
sincèrement
Pasteure
Emma et Lucien RANDRIANANDRASANA
Pasteure
Fpma Centre Est et Fpma Port-Royal Arago |
|
|
pasitera
|
|
Taona 1869 no niseho ny tantara. Izany hoe
141 taona lasa izay. Tantara efa maro mahafantatra kanefa moa dia
iniana averina mba hotsarovana sy ho eritreretina. Vao tonga 50
taona latsaka kely ireo anglisy toa an’I D.Jones (1820)
nitondra ny filazantsara teto Antananarivo. Iraky ny Tompo Jesosy
tamin’ny alalan’ny fikambanana anglisy iray dia ny LMS
(London Missionnary Society) izany. Ny filazantsara amin’ny
lafiny mahenika ny olona no nentin’izy ireo . Hany ka tao ny
mpitory ny filazantsara ary tao koa ny mpahay asa-tanana toy ny
mpandrafitra, mpanefy sns.. Anisan'ny voaolohany dia ny fakafana
sekoly tao anaty rova , fony Radama I no mpanjaka, tamin’ny 8
desambra 1820. Izany hoe ankalazaina eto Antananarivo ny faha
190 taona nisokafan’ny sekoly voalohany teto
Madagasikara. Niroborobo tokoa izany fampianarana izany satria 15
taona taty aoriana dia 32 ny sekoly teto Imerina izay nisy
mpianatra 4000.
Niato satria voatery nody ireto misionera
nandritry ny 1835-1861 satria maty Radama I ka ny vadiny Ranavalona
I no nandimby azy. Miova andriana, miova sata hoy ny fiteny.
Niverina ny fanompoan-tsampy nandritr’izany fotoana
izany.
Toy ny fakana aina nataon’ireto
mpitory ny filazantsara izany fotoana izany ahazoan’izy ireo
miomana tsara amin’ny fanohizana ny asa. Hany ka rehefa
tafaverina izy ireo ny taona 1864 dia nitondra namana mpiara-miasa
dia ny QUAKERS izay antsoina koa hoe FFMA (Friends Foreign Mission
Association). Samy tsy fiangonana na ny LMS na ny FFMA.
Tamin’io taona io kosa no nahatongavan’ny
sampam-piangonana anglikana dia ny SGP (Society for the Propagation
of the Gospel) izay tany amorontsikaraka manaraka ny ranomasina
Indiana. Tonga koa ny taona 1866 ny iraka avy tany Norvezy izay
firenena manaraka ny fombam-pivavahana loterana. Tsy fiangonana koa
itsy farany itsy ary dia nanomboka ny asany tany Ankaratra izy ireo
ary dia nianatsimo ka tonga hatrany amin’ny faritr’I
Betsileo.
Na dia samy anglisy ny LMS, ny Quakers ary
ny SGP dia ny LMS sy ny Quakers no tena nifandray Tanana akaiky
hany ka tonga hatramin’ny fiaraha-miasa tamin’ny
fananganana ny fitoriana ny filazantsara nataon’ireo
fiangonana Malagasy naorin’izy ireo. Izany dia
notanterahan’izy ireo tao amin’ny fivoriambe fanaony
isan’Enim-bolana teto Antananarivo ary Isan-keritaona tany
Fianarantsoa.
Fa ny anglikana ary loterana norveziana
dia nanana ny fombany manokana avy. Satria efa niaina
fiainam-piangonana izy ireto talohan’ny nahatongavany taty
Madagasikara. Nanohy izany fiainam-piangonana izany no nataony na
tamin’ny asan’ny mpitandrina (asa pasitaoraly izay
voahasina na vita irdiansiona) izany na koa ny rafitry ny
fiangonana izay naoriny (fisian’ny eveka ohatra).
Amin’izy ireo ny LMS ary ny Quakers dia fikambanana
mahaleotena (Independants) fa tsy manana rafi-piangonana toa azy
ireo.
Vokatr’izany dia hita fasamy nanana
ny trano iangonany ny tsirairay avy na dia samy iray tanàna
aza. Izany fahasamihafana ao anatin’ny firaisana izany moa
sia azo lazaina fa isan’ny maha protestant azy ireo.
Tsy ny vahoka ihany no nandray ny
filazantsara. Araky ny hitantsika teo aloha dia tao amin’ny
rovan’ny mpanjaka no nisokatra ny sekoly voalohany. 50 taona
taty aorina, izany hoe nadritry ny tao-jobily dia ny mpanjaka
Ranavalona II ary ny praiminisitra Rainilaiarivony izay vadiny
ihany koa no nanolotena ho an’I Jesosy Kristy tamin’ny
alalan’ny batisa ny 21 febroary 1869. Latsa-danomaso izy
ireto tamin’izany ary nahavariana ny maro araky ny
fitantarana nataon’Andriambolo tamin’i misionery iray
dia Cameron izany.Voalaza fa mpitandrina malagasy no nanatontosa
an'io batisa io. Natao ivelan'ny raharaha ny anglisy. Betsaka ny
fijoroana vavolombelona antaon’ity mpanjaka vavy ity. Tsy izy
mivady ihany fa ny ankohonanay koa dia natao batisa toy ny
rebik'ondry. Mampahatsiaro antsika ny tantaran’ilay tandapa
etiopiana ao amin’ny filazantsara.
Nanomboka hatreto dia nitsangana ny
fiangonana tao Anatirova. Fiangonana izay nahaleotena , tsy
niankina tamin’ny misionery fa nandefa kosa ireo iraka mba
history ny filazantsara manerana ny fanjakana. Asa na izany no
lazaina fa fiangonam-panjakana ? Ny Praiminisitra no mpiandraikitra
voalohan’izany fiangonana izany. Nanova zavatra betsaka izany
hany ka lasa fitaovana nampiasain’ny fanjakana mba hamakiana
batsilana ireo andriana/foko maro izay teo amin’ny
fitondram-piangonana protestanta. Tsy teo amin’ireto andriana
ihany fa hatrany amin’ny fahefan’ireto misionery
anglisy aza dia voatohina noho izany. Sarotra ny hieritreritra ny
hoe ahoana no fomba nataon'ny praiminisitra izay nisahana ny
famapandehanan-draharaha eto antany (ny fanjakana) ary koa ny
raharaha ara-panahy (ny fiangonana). Betsaka ny fanotaniana
mipetraka manodidina ireo teny maro nataony tamin'ny
isan'enimbolana. sarotra ny mieritreritra fa rehefa manompo
an'andrimanitra dia mitovy daholo ny rehetra satria Tompo iray no
tompoin'izy rehetra. Fa rehefa raharaham-panjakana indray dia ny
Mpanjaka vavy no mamoaka ny didy ho an'ny vahoaka. Ahoana ny
fifandraisan'ny andriana/hova/mainty.Ny hoe manjaka tsy
roa ?
Rahany teto Imerina ary Betsileo dia nisy
ny fiangonam-panjakana ary nisy koa ireo fiangonana izay
nentin’ireto misionery angilsy. Nitatra ny asa fitoriana ny
filazantsara teto Madagasikara, Niorina ny trano fiangonana tany
ambanivohitra tany. Nitombo arak’izany koa ny sekoly
indrindra fa ny mpianatra. Ny trano fiangonana moa dia itoriana ny
teny ary ivavahana ny alahady fa ny andavan’andro kosa dia
lasa sekoly. Niova arak’izany ny fomba fiainana satria
novakina teo amin’ny fianakaviana ny baiboly izay voadika
tamin’ny teny Malagasy tamin’ny taona 1835. Io ihany
koa no asa niraisan’ireo misiona protestanta samihafa teto
Madagasikara. Voahaja arak’izany ny alahady : najanona
tanteraka ny asa fanao andavan’andro, tsy asan’ny
mpitondra fivavahana irery ny asam-piangonana fa an’ny
rehetra izay afaka mamaky teny sy mizara izany teny izany
amin’ny hafa. Izany fahaizana mamaky ny Soratra Masina izany
koa moa no anisan’ny imasoan’ny sekoly protestanta
ankoatry ny asan-tanana samihafa.
Raikim-pitia Baiboliny, ny hirany ny
fiangonany ny kabarin’ny mpitoriteny tamin’ny
fitenindrazany ny Malagasy ary indrindra fa ny fahalalahany teo
amin’ny fitondrany ny fiangonany. Tsy izay
nihavian’ireo vazaha (na norveziana io, na anglisy na
amerikana) nitondra ny baiboly no nanandanja teo aminy fa ny
hafatra sy ny fiovana naterak’izany.
Hany ka rehefa tonga ny mpanjanan-tany ,
izay zatra tamin’ny fomba fitondram-piangonana hafa, dia
nanahirana na koa nahamahina azy izany. Satria heverin’izy
ireo fa io fivavahana izay miorim-paka amin’ny vahoaka io no
mety tsy hahatanteraka izay kasain’izy ireo hatao dia ny
fitsetsehana ny harem-pirenena. Ny lalana fisarahan'ny fiangonana
ary ny fitodram-pirenena tamin'ny 1905 dia tsy nihatra taty
Madagasikara, izay zanatany frantsay tamin'izay. Tsy dia fantratry
ny malagasy ny fanjakana laika.
Tsy mahagaga, raha hatramin’izao, ny
mpitondra firenena Malagasy maro, no mahina amin’ny
protestanta. Indrindra fa raha nifampikasoka tamin’ireo
firenena tsy nanana izany kolotsaina protestanta izany izy
ireo.
Koa ny firenena Malagasy dia nandray ny
filazantsara 140 taona lasa izany. Raikitapisaka amin’ny
Malagasy io. Velona ankehitriny ny zafindraony ary koa ireo hira
izay nataon’ny maintimolaly fahizay. Koa isaky ny 21 febroary
dia aza hadino ny mitondra amim-bavaka ny firenenao ary ny
mpitondra sy ny mponina ao aminy.
D.ANDRIANARIVO
24 febroary 2010
(Nalaina tamin’ny
boky noratan’I M Bianquis, izay misionera protestanta
frantsay tany Madagasikara ary anisan’nireo izay nitaoza ny
Malagasy tany Frantsa tamin’ny taona 1920) |
|
|
pasitera
|
|
Nahazo fanasana isika hanatrika ny
fanompoam-pivavahana izay nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny
Tompo ary koa ametrahana an’ireo mpikambana ao amin’ny
birao Foibe (BF) izay voafidy tamin’ny synoda 2009 farany teo
. Izany dia natao tao amin’ny FPMA Paris ny asabotsy 6
febroary 2010. Teo amin’ny 80 teo ho eo no mpanatrika .
Tamin’ny 2 ora sy sasany no
nanomboka ny fotoana :
Fanompoam-pivavahana
* Mpitarika : J.A Ravalitera ,mpitandrina
Filoha synodaly (BF)
* Mpitoriteny : Solo Andrianomenjanahary, mpitandrina (BF)
Izy mirahalahy koa no teny amin’ny
alitara nitarika ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo
Ny Fametrahana ny BF
Rehefa vita ny famakiana ny tatitra izay
nataon’Atoa Andry Andrianavelasoa, filohan’ny synaoda
dia napetraka amin’ny toerany ireto BF ireto. Atoa
Désiré Andriamampianina , mpitandrina no nitarika
izany fotoana izany. Nozaraina roan y fotoana ka:
* Ny Filoha J.A RAVALITERA aloha no
apetraka voalohany, izany moa dia nofaranana tamin’ny
fanolorana “croix pectorale” ny Filohan’ny FPMA.
(tsara mba jerena izay dikan’izany fa vao voalohany io no
natao)
* Ny Filoha indray no mametraka ny BF
amin’ny toerany rehefa avy eo sady namaritra ny andraikitry
ny tsirairay avy.
Filoha mpanampy Mpitandrina : Solo
ANDRIANOMENJANAHARY, mpitandrina
Filoha mpanampy Laika : Atoa Jean-Solo RAFIDINARIVO
Tonia : Atoa Rado RAMAROTAFIKA
Mpitambola : Atoa Herintsoa RASIDIMANANA
Mpitantam-bola : Atoa Hery RANDRIAMBOLOLONA
Mpanolotsaina : Seth RASOLONDRAIBE, mpitandrina
Ary ny
Mpandinibola : Solo Elysée RABARIMANANA,
Ramahatafandry ANDRIANAVELASOA
Atoa Désiré Andriamampianina sy Rtoa Marie
Angèle Raharijaona (FMM), mpitandrina , no nandray tanana
an’ireto mpikambana ao amin’ny BF ireto.
Nisy koa teny fisaorana sy fankasitrahana ho an’ireo
mpikambana tao amin’ny BF teo aloha indrindra fa ny
fitondrana amim-bavaka ireo izay tsy salama.
Ny fanolorana “Cerificat”
Araky ny taratasy izay voaray dia nisy ny fanolorana
“certificats” ho an’ireo rehetra izay efa
mpikambana teo amin’ny BF. Ka ny Filohan’ny
Komitin’ny Jobily moa no nitarika izany.
Tamin’ny 4ora sy sasany no nofarana ny fotoana. Izay no
tatitra fohy sady tsotra alefa aty amintsika aty amin’ny
faritany tamin’ny iraka izay natao taty Paris . Marihiko fa
nanatrika tao ny Filohan’ny Tafo Troyes ohatra.
Raha Eglise de la Rédemption no iantsoan'ny fiangonana
loterana tompotrano azy dia toa nanana endrika Katedraly izy
tamin'ity indray mitoraka ity. Tantara iray mivalona ho an'ny
FPMA iny fotoana iny.Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny
voninahitra fa ny fiadanany kosa ho amitsika rehetra.
D.ANDRIANARIVO
08 febroary 2010 |
|
|
pasitera
|
|
Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesoa Kristy
Tompo,
Amin'ny hafaliana lehibe no ampahafantaranay tafo Mulhouse ho
antsika mpianakavin'ny fanahy eto amin'ny FPMA Faritany avaratra
atsinanana fa ny alahady 31 Janoary 2010 izao dia hankalazaina eto
Mulhouse,
à la FRATERNITE, 18 rue d'Alsace manomboka amin'ny 10 ora
maraina
ny Jobily faha 50 taonan'ny FPMA, ary koa ny Jobily faha 25
taonan'ny tafo Mulhouse.
Koa manasa antsika rehetra mba ho tonga hiara-mifaly aminay
amin'io andro io, ary koa mangataka mba samy hitondra am-bavaka
izany fotoana izany (fanasana ao anaty paingotra).
Mirary soa ary manao veloma finaritra.
Nancy RAMALANJAONA
Filoha tafo Mulhouse
Tel 0389601896
|
|
|
|
pasitera
|
Mbola mitohy hatramin ’
izao ny takaitra navelan ’ ny Fitondran - dRavalomanana eny
anivon ’ ireo fiangonana.
Hatramin
’ izao, dia mbola tsy voavaha ankehitriny ny olana misy eo
amin ’ ny fiangonana najoron - dRavita Petera sy ny namany
nanilika ireo ao anatin ’ ny Fiangonan ’ ny
Fifohazan’ ny Mpianatry ny Tompo miray amin ’
Ambatoareny Soatanana eto Madagasikara izay mitana ny fototra avy
amin ’ ny Dada Rainisoalambo namorona ny toby rehefa nahazo
antso tamin ’ Andriamanitra izy. Toby fifohazam
- panahy lehibe niorina voalohany teto Madagasikara. Efa mananika
ny 10 taona izany fibodoana sy fanaovana hosoka izany ankehitriny
ary tsy nahazo rariny tany amin ’ ny Fitsarana na Fanjakana
nalehany mihitsy ny mpanara - dia ny fototra noho ny fahaizan -
dRavita Petera nandritra ny Fitondran - dRavalomanana.
Mbola tsy mety miravona ankehitriny ny olana any
amin’ ny toby fifohazam - panahy naorin -dRainisoalambo any
Soatanana Avaratra ao Ambatoareny Distrikan’ Isandra ao
anatin’ ny Faritra Matsiatra Ambony. Bodoin’ ny
Fiangonan’ ny Fifohazan’ ny Mpianatry ny Tompo niandoha
tao Ambatoareny tarihin - dRavita Petera nandritra ny 8 taona teo
ho eo ny toby naorin ’ ny Dada Rainisoalambo. Ity toby ity no
nisy ny fifohazam - panahy lehibe sady voalohany indrindra teto
Madagasikara. Toby tsy miankina no nahafantaran’ ny mpino
kristiana azy hatramin’ izay. Tamin’ ny
alàlan’ ny fifidianana tsy nahatratra ny fetran’
isa 94 amin’ ny 130 tonga nifidy taorian’ ny
nahafatesan’ ny Raiamandreny nitondra ny toby ny taona 2002
no nandraisany an - keriny ny fitondrana. Ny isan’ ny mpifidy
anefa dia manodidina ny 500 eo ho eo.
Nampiasa
safeli - dratsy
Notoherin’ ireo mpino manaraka ny fototra nipoirana avy
amin’ ny Dada Rainisoalambo anefa ny maha ara - dalàna
izany fifidianana izany, ka teo no nanomboka ny olana. Ravita
Petera no lany tamin’ io ampaham - bato tsy nahatratra ny
fetran’ isa io ary noraisiny an -keriny sy ny mpanara - dia
azy ny fitantanana ny toby. Kanefa dia tsy nahazo fankatoavana
hatrany amin’ ny ministera mpiahy izy. Ny rafitra rehetra
napetraky Dada Rainisoalambo izay nifandimbiasan’ ireo
mpitantana na Raiamandrenin’ ny toby nifandimby, dia
nohitsakitsahiny ary naongany avokoa ireo tomponandraikitra rehetra
tao anatin’ izany fitantanana ny toby izany toy ny Filankevi
- piangonana, Pasitera, Iraka, Mpampianatra ary ny maro hafa.
Nisy ihany koa ny fanakatonana ny fiangonana sy ny sekoly tao
Ambatoareny tamin’ izany fotoana izany.
Nanova
fitsipika
Tsy vitan’ izay fa novainy hatramin’ ny fitsipika
mifehy ny toby sy ny anaran’ ny fiangonana araka ny
fanamarinam - paharaisana laharana faha – 1046 - min. inter
– Sg – Dat – Sga - Gn tamin’ ny 28 - 02 -
2008. Raha Fiangonan’ ny Fifohazan’ ny Mpianatry
ny Tompo miray amin’ Ambatoareny Soatanana eto Madagasikara
no anarany hatramin’ izay dia novain’ izy ireo hoe
Fiangonan’ ny Fifohazan’ ny Mpianatry ny Tompo niandoha
tao Ambatoareny. Ny fanafohezana ny Ffsm anefa dia
nampiasainy hatrany. Izany hoe, ilay didim - panjakana nivoaka
tamin’ ny 15 oktobra 1963 laharana 63 586 ihany no
noentiny nampanankery io anarana vaovao io. Ny fampiasana izany
didim - panjakana izany sy ny fitsipik’ izy ireo no
noentin’ izy ireo nanodinkodinana sy nangalaran - dRavita
Petera sy ny namany ny fananan’ ny toby. Nisy ihany koa
ny fandotoana ny fiangonana tamin’ ny fanosorana maloto (tay)
noentina nanosoram - potaka ny mpifanandrina tamin’ izy ireo.
Nisy mihitsy ny fijoroana vavolombelona nataon - dRalaiharisoa
Tolojanahary Daniel mahakasika izany. Ankoatra izay, dia
voatonontonona ho nampaniraka hamono hahafaty an - dRandriantsara
Samuel sy Rakotomamonjy ary Pasitera Radaniela ingahy Ravita
Petera. Nomena vola 2 400 000 Ariary ny olona nirahina hanao
izany.
Nandritra izay folo
taona latsaka izay,
dia tsy nahazo rariny teny anivon’ ny Fitsarana sy ny
mpitondra Fanjakana ny mpanara - dia ny fototra manaraka ny lamina
nolovaina tamin’ ny Dada Rainisoalambo nanorina ny toby ao
Soatanana Avaratra any Ambatoareny. Voalaza fa nanana olona ambony
niaro azy tamin’ izay rehetra nataony ity Ravita Petera ity
nandritra ny Fitondran - dRavalomanana. Misy araka izany ny antso
avo ataon’ izy ireo ny Fitondrana tetezamita tarihin’
ny Filoha Rajoelina mba hijery akaiky izao olana misy ao
amin’ ny tobin’ ny Dada Rainisoalambo izao. Ny Pasitera
Rakotondratsimba Evariste, ny Iraka Radaniela, Ny Pasitera Somahely
ary ny Pasitera Rabadistra no mpitondra tenin’ ny fiangonana
Ffsm amin’ izany.
Tiana Rakoto
http://www.laverite.mg/
|
|
|
| | << Début < Précédente 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivante > Fin >>
| | Résultats 11 - 20 sur 269 |
|