|
Nandalo teto La Réunion ny
Père Higoumène Barsanuphe, moine ortodoksa
frantsay.
Ny Ortodoksa dia kristiana, mitovitovy
amin’ny Katolika, amin’ny fombafombany, amin’ny
ankapobeny. Ny mampiavaka azy amin’ny Katolika dia ny Pape,
satria izy dia tsy manaiky ny fahefan’ny Vatican, fa manana
karazana Pape, isaky ny tany, na faritany . Ny mpitondra fivavahana
ao aminy dia manambady, ary ny ortodoksa no anisan’ny maro
indrindra amin’ny fianakaviamben’ny Kristiana
eran-tany, saika ny avy amin’ny tany eropeana tatsinanana no
be ortodoksa : Rosia, Biolgaria, Hongria sns.
Ny Père Higoumène Barsanuphe
dia miezaka mampihaona ny mpivavaka samy hafa, mba hahatonga
fifanajana ao amin’ny samy mpivavaka ka hanorina
fiaraha-monina anjakan’ny fandriampahalemana eran-tany.
Filoha Lefitry ny Conférence
Mondiale des Religions pour la Paix izy.
Tamin’ny harivan’ny Alakamisy
11 Aogositra 2011 teo, dia nanomana fihaonana ho an’ny
mpivavaka samy hafa, teto La Réunion izy, ka tao
amin’ny Ashram du Port, toeram-pivavahan’ny Hindou no
nanaovana izany.
Anisan’ny nasainy tamin’io
fihaonana io aho.
Talohan’ny tena fihaonana dia
nangatahan’ny Père Higoumène Barsanuphe aho,
halain-tsary sy ho raisim-peo ka hilazalaza ny amiko sy ny asako.
Tokony ho natao ny omaly Alarobia 10 Aogositra 2011, tao
an-tokantranonay io fakan-tsary sy fandraisam-peo ahy io, saingy
tsy tanteraka noho izy voatana tany antoeran-kafa ka tsy
afa-nanoatra .
Ny Filohan’ny « Groupe de
dialogue inter-religieux » eto La Réunion, Idriss
Issop Banian, no nanome azy ny momba ahy rehetra :
telefaonina, adiresy an-trano mazava. Mpikambana amin’ny
« Groupe de dialogue inter-religieux » eto La
Réunion, aho, nanomboka tamin’ny 2001.
Tsy izaho ihany fa maro tamin’ireo
mpikambana ao amin’ny « Groupe de dialogue
inter-religieux » no nalaina sary sy noraisim-peo
talohako. Araka ny fanazavana nataon’ny Père
Higoumène Barsanuphe, dia hasehony any amin’ny tany
rehetra halehany, ny modelin’ny fiaraha-monin’ny samy
mpivavaka eto La Réunion, izay heveriny manokana fa tokony
halain-tahaka.
Tamin’ilay fandraisampeo natao
tamiko manokana dia niezaka aho nanazava fa matoa aho nanaiky ho
aty La Réunion, hitondra ny Fiangonana FPMA, dia fanohizana
izay nataoko tamin’ny FFKM, tany Madagasikara ihany
izany.
Nohazavaiko fa Tonia (Secrétaire
général) tao amin’ny FFKM aho. Ny FFKM dia
fiombonan’ireo Fiangonana efatra : Katolika Romana,
Anglikana, Loterana ary FJKM. Izany fiombonana izany dia niainana
ny antsoina hoe “Ekiomenisma” tamin’ireo
Fiangonana malagasy efatra, samy nanana ny maha-izy azy.
Ka ny FPMA (Fiangonana Protestanta
Malagasy Aty Andafy) dia fampiraisana aty andafy ireo zanaky ny
Malagasy avy amin’ny Fiangonana Loterana sy FJKM. Mbola
“Ekiomenisma” , araka izay ninoako tao amin’ny
FFKM no iainako ato amin’ny FPMA, na dia somary voafetra
ihany aza.
Ny antsoina hoe “Ekiomenisma”,
raha eo amin’ny samy Kristiana, dia ny ezaka
ifanatonan’ny samy mpanaraka an’i Kristy. Ny foto-teny
dia ny teny grika hoe “oikoumene”, ka ny dikany dia
“tany onenana”(la terre habitée). Izany hoe ny
“Ekiomenisma” dia ezaka hahatonga ny “tany
onenena” ho tany iainan’ny Mpanaraka an’i Kristy
rehetra, miara-monina amin’ny fifanajana sy ny
fandriampahalemana.
Rehefa tonga teto La Réunion aho
dia miova kely ny fiheverako ny “Ekiomenisma” sy ny
tanjona kendreny, ka tsy ny samy Kristiana ihany fa izao tontolo
izao, misy karazam-pivavahana samihafa sy ny fokom-pirenena rehetra
no hampanjariana ho “tany onenan’Andriamanitra”.
Izany rahateo no inoako fa ambaran’ny Apokalypsy 7 : 9
– 17.
Nasiako teny koa ny andraikitry ny
“Ray aman-dreny” (Sady Ray no Reny) noraisin’ny
FFKM teo amin’ny firenena tany Madagasikara. Nitana ny
sain’ny Père Higoumène Barsanuphe fatratra
izany ka nohazavaiko fa amin’ny Malagasy, ny Fiangonana, raha
mitambatra fa tsy misaratsaraka, dia ataon’ny fiarahamonina
ho isan’ny Ray aman-dreny, atsangany ho fototry
(référence morale) iankinan’ny
fihavanan’ny mpianakavy. Ny fahendren’ny Fiangonana
amin’izay dia tsy manelingelina ny laicité-n’ny
Fanjakana fa miaro ny maha an’ny rehetra ny Fanjakana
(équité de l’Etat).
Naharitra fahefatradiny teo ny fakana sary
sy feo ahy.
Rehefa tonga ny ankamaroan’olona
nasaina, tokony ho dimampolo (50), dia nanomboka ny fotoana
tamin’ny 6 ora mahery kely.
Marihina fa izay rehetra miditra ao
amin’ny Ashram dia manala kiraro; samy nanaja izany avokoa ny
olona nasaina rehetra.
Ny Père Higoumène no nandray
fitenenenana voalohany, ka nohazavainy lavalava ihany ny
zava-kendreny : hampiorina ny fandriampahalemana eran-tany,
amin’ny alalan’ny fampifandraisana ny fivavahana
samihafa. Aminy dia faka tahaka ny ataon’ny
« Groupe de dialogue inter-religieux » eto La
Réunion.
Rehefa vita ny teniny, dia nantsoiny
hanana anjara fitenenana ny olona izay noheveriny fa tokony
hanan-kambara.
Nantsoiny anarana arakaraka ny alfabeta
ireo olona notsongaina ireo ka nanomboka izany ny Eveka Katolika
eto La Réunion, Mgr Gilbert Aubry. Nafonja ny teniny. Tsy
hindou izy, tsy silamo, fa Kristiana miara-monina sy miara-miaina
amin’ny olona samy manana ny fivavahany. Tsy mampaninona azy
izany fiaraha-miaina izany fa misy teny telo iorenany. Samy
tenin’ny Tompo ireo, dia ny hoe : “Aloavy ho an’i
Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay
an’Andriamanitra”(Matio 12:17; Lioka 20 : 25),
“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy
misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny
alàlako” (Jaona 14 : 6), “Ao an-tranon’ny
Raiko, misy fitoerana maro ” (Jaona 14 : 2). Ireo, hoy ny
Evekan’ny La Réunion, no iorenako amin’ny
maha-Kristiana ahy ka mahatonga ahy hazoto hitondra ny anjara
birikiko, eo amin’ny fiaraha-miaina (vivre ensemble) ao
anatin’ny fahasamihafana, amin’ny mponina efa mifangaro
sy mifampiditra ara-pihaviana (métissage) eto amin’ity
nosy ity.
Nandimby ny Mgr Gilbert Aubry, ny avy
amin’ny Mpanaraka an’i Conficius (sinoa), ny avy
amin’ny Tamoul sy Hindou, nisy pretra boudhiste tibetana avy
any Katmandou, tonga tao ary nadika teny. Tao koa ny avy
amin’ny Bahai’ye, ny avy amin’ny Silamo. Somary
vitsivitsy ny Silamo noho ny ramadany.
Teo amin’ny fahafolon’ny
nantsoany hiteny aho.
Ny nambarako tamin’izany dia ny
maha-Kristiana Protestanta malagasy ahy. Raha tonga teto
amin’ity Nosy ity aho, dia tsy nanadino fa Malagasy no
anisan’ny mponina voalohany teto. Mahatsiaro ho toy ny any
amin’ny taniko ihany aho eto, ary izany no antony anankiray
mahatonga ahy ho isan’ny “Groupe de dialogue
inter-religieux”, hijoroako amin’ny maha-kristiana,
ifandraisako amin’ireo mpivavaka hafa, amin’ny
fifanajana noho ny razana iombonana, sy noho ny maha-samy
zanak’Andriamanitra.
Tsy nohadinoiko ny nilaza fa isaky ny Zoma
hariva ato amin’ny FPMA, dia misy fiaraha-mandinika Soratra
Masina sy fiaraha-mivavaka, ka ho tantaraiko ao izao fihaonana
izao, mba hahatsiarovana fa azon’ny olona samy manana ny
fivavahany atao ny miara-monina sy mifandray, hanorina
fiaraha-monina hitondrana ny haren’ny samy olombelona. Ilaina
ny hananana toe-tsain’ny “ekiomenisme”, ka na dia
mitana ny finoan’ny tena aza, dia afaka amin’ny
fahateren-tsaina (fanatisme), satria mamantatra ny finoan’ny
hafa sy manaja izany fa tsy mitsara azy.
Mbola nisy olona telo (3) niteny
taorianako.
Ny namarana dia ny tompon-trano nandray ny
fihaonana, ny Swami Advayananda, pretra hindou, nisaotra ny
Père Higoumène sy ny mpanatrika rehetra.
Tamin’ny 8 ora latsaka kely no
nifarana ny fihaonana, tamin’ny fifandraisan-tànana sy
ny fifampîarahabana vokatry ny fo.
Pasteur Josoa Rakotonirainy
Natao tamin’ny fiaraha-mandinika
Sotatra Masina sy Fiaraha-mivavaka, teto Le Port, ny Zoma 12
Aogositra 2011, Fpma La Réunion. |