A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga001.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao
Vaovao
21 febroary .... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Taona 1869 no niseho ny tantara. Izany hoe 141 taona lasa izay. Tantara efa maro mahafantatra kanefa moa dia iniana averina mba hotsarovana sy ho eritreretina. Vao tonga 50 taona latsaka kely ireo anglisy toa an’I D.Jones (1820) nitondra ny filazantsara teto Antananarivo. Iraky ny Tompo Jesosy tamin’ny alalan’ny fikambanana anglisy iray dia ny LMS (London Missionnary Society) izany. Ny filazantsara amin’ny lafiny mahenika ny olona no nentin’izy ireo . Hany ka tao ny mpitory ny filazantsara ary tao koa ny mpahay asa-tanana toy ny mpandrafitra, mpanefy sns.. Anisan'ny voaolohany dia ny fakafana sekoly tao anaty rova , fony Radama I no mpanjaka, tamin’ny 8 desambra 1820. Izany hoe ankalazaina eto Antananarivo ny faha 190 taona nisokafan’ny sekoly voalohany teto Madagasikara. Niroborobo tokoa izany fampianarana izany satria 15 taona taty aoriana dia 32 ny sekoly teto Imerina izay nisy mpianatra 4000.

Niato satria voatery nody ireto misionera nandritry ny 1835-1861 satria maty Radama I ka ny vadiny Ranavalona I no nandimby azy. Miova andriana, miova sata hoy ny fiteny. Niverina ny fanompoan-tsampy nandritr’izany fotoana izany.

Toy ny fakana aina nataon’ireto mpitory ny filazantsara izany fotoana izany ahazoan’izy ireo miomana tsara amin’ny fanohizana ny asa. Hany ka rehefa tafaverina izy ireo ny taona 1864 dia nitondra namana mpiara-miasa dia ny QUAKERS izay antsoina koa hoe FFMA (Friends Foreign Mission Association). Samy tsy fiangonana na ny LMS na ny FFMA. Tamin’io taona io kosa no nahatongavan’ny sampam-piangonana anglikana dia ny SGP (Society for the Propagation of the Gospel) izay tany amorontsikaraka manaraka ny ranomasina Indiana. Tonga koa ny taona 1866 ny iraka avy tany Norvezy izay firenena manaraka ny fombam-pivavahana loterana. Tsy fiangonana koa itsy farany itsy ary dia nanomboka ny asany tany Ankaratra izy ireo ary dia nianatsimo ka tonga hatrany amin’ny faritr’I Betsileo.

Na dia samy anglisy ny LMS, ny Quakers ary ny SGP dia ny LMS sy ny Quakers no tena nifandray Tanana akaiky hany ka tonga hatramin’ny fiaraha-miasa tamin’ny fananganana ny fitoriana ny filazantsara nataon’ireo fiangonana Malagasy naorin’izy ireo. Izany dia notanterahan’izy ireo tao amin’ny fivoriambe fanaony isan’Enim-bolana teto Antananarivo ary Isan-keritaona tany Fianarantsoa.

Fa ny anglikana ary loterana norveziana dia nanana ny fombany manokana avy. Satria efa niaina fiainam-piangonana izy ireto talohan’ny nahatongavany taty Madagasikara. Nanohy izany fiainam-piangonana izany no nataony na tamin’ny asan’ny mpitandrina (asa pasitaoraly izay voahasina na vita irdiansiona) izany na koa ny rafitry ny fiangonana izay naoriny (fisian’ny eveka ohatra). Amin’izy ireo ny LMS ary ny Quakers dia fikambanana mahaleotena (Independants) fa tsy manana rafi-piangonana toa azy ireo.

Vokatr’izany dia hita fasamy nanana ny trano iangonany ny tsirairay avy na dia samy iray tanàna aza. Izany fahasamihafana ao anatin’ny firaisana izany moa sia azo lazaina fa isan’ny maha protestant azy ireo.

Tsy ny vahoka ihany no nandray ny filazantsara. Araky ny hitantsika teo aloha dia tao amin’ny rovan’ny mpanjaka no nisokatra ny sekoly voalohany. 50 taona taty aorina, izany hoe nadritry ny tao-jobily dia ny mpanjaka Ranavalona II ary ny praiminisitra Rainilaiarivony izay vadiny ihany koa no nanolotena ho an’I Jesosy Kristy tamin’ny alalan’ny batisa ny 21 febroary 1869. Latsa-danomaso izy ireto tamin’izany ary nahavariana ny maro araky ny fitantarana nataon’Andriambolo tamin’i misionery iray dia Cameron izany.Voalaza fa mpitandrina malagasy no nanatontosa an'io batisa io. Natao ivelan'ny raharaha ny anglisy. Betsaka ny fijoroana vavolombelona antaon’ity mpanjaka vavy ity. Tsy izy mivady ihany fa ny ankohonanay koa dia natao batisa toy ny rebik'ondry. Mampahatsiaro antsika ny tantaran’ilay tandapa etiopiana ao amin’ny filazantsara.

Nanomboka hatreto dia nitsangana ny fiangonana tao Anatirova. Fiangonana izay nahaleotena , tsy niankina tamin’ny misionery fa nandefa kosa ireo iraka mba history ny filazantsara manerana ny fanjakana. Asa na izany no lazaina fa fiangonam-panjakana ? Ny Praiminisitra no mpiandraikitra voalohan’izany fiangonana izany. Nanova zavatra betsaka izany hany ka lasa fitaovana nampiasain’ny fanjakana mba hamakiana batsilana ireo andriana/foko maro izay teo amin’ny fitondram-piangonana protestanta. Tsy teo amin’ireto andriana ihany fa hatrany amin’ny fahefan’ireto misionery anglisy aza dia voatohina noho izany. Sarotra ny hieritreritra ny hoe ahoana no fomba nataon'ny praiminisitra izay nisahana ny famapandehanan-draharaha eto antany (ny fanjakana) ary koa ny raharaha ara-panahy (ny fiangonana). Betsaka ny fanotaniana mipetraka manodidina ireo teny maro nataony tamin'ny isan'enimbolana. sarotra ny mieritreritra fa rehefa manompo an'andrimanitra dia mitovy daholo ny rehetra satria Tompo iray no tompoin'izy rehetra. Fa rehefa raharaham-panjakana indray dia ny Mpanjaka vavy no mamoaka ny didy ho an'ny vahoaka. Ahoana ny fifandraisan'ny andriana/hova/mainty.Ny hoe manjaka tsy roa ?

Rahany teto Imerina ary Betsileo dia nisy ny fiangonam-panjakana ary nisy koa ireo fiangonana izay nentin’ireto misionery angilsy. Nitatra ny asa fitoriana ny filazantsara teto Madagasikara, Niorina ny trano fiangonana tany ambanivohitra tany. Nitombo arak’izany koa ny sekoly indrindra fa ny mpianatra. Ny trano fiangonana moa dia itoriana ny teny ary ivavahana ny alahady fa ny andavan’andro kosa dia lasa sekoly. Niova arak’izany ny fomba fiainana satria novakina teo amin’ny fianakaviana ny baiboly izay voadika tamin’ny teny Malagasy tamin’ny taona 1835. Io ihany koa no asa niraisan’ireo misiona protestanta samihafa teto Madagasikara. Voahaja arak’izany ny alahady : najanona tanteraka ny asa fanao andavan’andro, tsy asan’ny mpitondra fivavahana irery ny asam-piangonana fa an’ny rehetra izay afaka mamaky teny sy mizara izany teny izany amin’ny hafa. Izany fahaizana mamaky ny Soratra Masina izany koa moa no anisan’ny imasoan’ny sekoly protestanta ankoatry ny asan-tanana samihafa.

Raikim-pitia Baiboliny, ny hirany ny fiangonany ny kabarin’ny mpitoriteny tamin’ny fitenindrazany ny Malagasy ary indrindra fa ny fahalalahany teo amin’ny fitondrany ny fiangonany. Tsy izay nihavian’ireo vazaha (na norveziana io, na anglisy na amerikana) nitondra ny baiboly no nanandanja teo aminy fa ny hafatra sy ny fiovana naterak’izany.

Hany ka rehefa tonga ny mpanjanan-tany , izay zatra tamin’ny fomba fitondram-piangonana hafa, dia nanahirana na koa nahamahina azy izany. Satria heverin’izy ireo fa io fivavahana izay miorim-paka amin’ny vahoaka io no mety tsy hahatanteraka izay kasain’izy ireo hatao dia ny fitsetsehana ny harem-pirenena. Ny lalana fisarahan'ny fiangonana ary ny fitodram-pirenena tamin'ny 1905 dia tsy nihatra taty Madagasikara, izay zanatany frantsay tamin'izay. Tsy dia fantratry ny malagasy ny fanjakana laika.

Tsy mahagaga, raha hatramin’izao, ny mpitondra firenena Malagasy maro, no mahina amin’ny protestanta. Indrindra fa raha nifampikasoka tamin’ireo firenena tsy nanana izany kolotsaina protestanta izany izy ireo.

Koa ny firenena Malagasy dia nandray ny filazantsara 140 taona lasa izany. Raikitapisaka amin’ny Malagasy io. Velona ankehitriny ny zafindraony ary koa ireo hira izay nataon’ny maintimolaly fahizay. Koa isaky ny 21 febroary dia aza hadino ny mitondra amim-bavaka ny firenenao ary ny mpitondra sy ny mponina ao aminy.

D.ANDRIANARIVO
24 febroary 2010

(Nalaina tamin’ny boky noratan’I M Bianquis, izay misionera protestanta frantsay tany Madagasikara ary anisan’nireo izay nitaoza ny Malagasy tany Frantsa tamin’ny taona 1920)

 
FPMA : 6 febroary Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Nahazo fanasana isika hanatrika ny fanompoam-pivavahana izay nisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo ary koa ametrahana an’ireo mpikambana ao amin’ny birao Foibe (BF) izay voafidy tamin’ny synoda 2009 farany teo . Izany dia natao tao amin’ny FPMA Paris ny asabotsy 6 febroary 2010. Teo amin’ny 80 teo ho eo no mpanatrika .

Tamin’ny 2 ora sy sasany no nanomboka ny fotoana :

Fanompoam-pivavahana

* Mpitarika : J.A Ravalitera ,mpitandrina Filoha synodaly (BF)
* Mpitoriteny : Solo Andrianomenjanahary, mpitandrina (BF)

Izy mirahalahy koa no teny amin’ny alitara nitarika ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo

Ny Fametrahana ny BF

Rehefa vita ny famakiana ny tatitra izay nataon’Atoa Andry Andrianavelasoa, filohan’ny synaoda dia napetraka amin’ny toerany ireto BF ireto. Atoa Désiré Andriamampianina , mpitandrina no nitarika izany fotoana izany. Nozaraina roan y fotoana ka:

* Ny Filoha J.A RAVALITERA aloha no apetraka voalohany, izany moa dia nofaranana tamin’ny fanolorana “croix pectorale” ny Filohan’ny FPMA. (tsara mba jerena izay dikan’izany fa vao voalohany io no natao)

* Ny Filoha indray no mametraka ny BF amin’ny toerany rehefa avy eo sady namaritra ny andraikitry ny tsirairay avy.

Filoha mpanampy Mpitandrina : Solo ANDRIANOMENJANAHARY, mpitandrina
Filoha mpanampy Laika : Atoa Jean-Solo RAFIDINARIVO
Tonia : Atoa Rado RAMAROTAFIKA
Mpitambola : Atoa Herintsoa RASIDIMANANA
Mpitantam-bola : Atoa Hery RANDRIAMBOLOLONA
Mpanolotsaina : Seth RASOLONDRAIBE, mpitandrina
Ary ny
Mpandinibola : Solo Elysée RABARIMANANA,
Ramahatafandry ANDRIANAVELASOA
Atoa Désiré Andriamampianina sy Rtoa Marie Angèle Raharijaona (FMM), mpitandrina , no nandray tanana an’ireto mpikambana ao amin’ny BF ireto.
Nisy koa teny fisaorana sy fankasitrahana ho an’ireo mpikambana tao amin’ny BF teo aloha indrindra fa ny fitondrana amim-bavaka ireo izay tsy salama.

Ny fanolorana “Cerificat”
Araky ny taratasy izay voaray dia nisy ny fanolorana “certificats” ho an’ireo rehetra izay efa mpikambana teo amin’ny BF. Ka ny Filohan’ny Komitin’ny Jobily moa no nitarika izany.
Tamin’ny 4ora sy sasany no nofarana ny fotoana. Izay no tatitra fohy sady tsotra alefa aty amintsika aty amin’ny faritany tamin’ny iraka izay natao taty Paris . Marihiko fa nanatrika tao ny Filohan’ny Tafo Troyes ohatra.

Raha Eglise de la Rédemption no iantsoan'ny fiangonana loterana tompotrano azy dia toa nanana endrika Katedraly izy tamin'ity indray mitoraka ity. Tantara iray mivalona ho an'ny FPMA iny fotoana iny.Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra fa ny fiadanany kosa ho amitsika rehetra.

D.ANDRIANARIVO
08 febroary 2010

 
FPMA Mulhouse : 25 taona Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo,
 
Amin'ny hafaliana lehibe no ampahafantaranay tafo Mulhouse ho antsika mpianakavin'ny fanahy eto amin'ny FPMA Faritany avaratra atsinanana fa ny alahady 31 Janoary 2010 izao dia hankalazaina eto Mulhouse,
à la FRATERNITE, 18 rue d'Alsace manomboka amin'ny 10 ora maraina
ny Jobily faha 50 taonan'ny FPMA, ary koa ny Jobily faha 25 taonan'ny tafo Mulhouse.
 
Koa manasa antsika rehetra mba ho tonga hiara-mifaly aminay amin'io andro io, ary koa mangataka mba samy hitondra am-bavaka izany fotoana izany (fanasana ao anaty paingotra).
 
Mirary soa ary manao veloma finaritra.
 
Nancy RAMALANJAONA
Filoha tafo Mulhouse
Tel 0389601896
 
Ambatoreny : entina amim-bavaka Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Mbola mitohy hatramin ’ izao ny takaitra navelan ’ ny Fitondran - dRavalomanana eny anivon ’ ireo fiangonana.  Hatramin ’ izao, dia mbola tsy voavaha ankehitriny ny olana misy eo amin ’ ny fiangonana najoron - dRavita Petera sy ny namany nanilika ireo ao anatin ’ ny Fiangonan ’ ny Fifohazan’ ny Mpianatry ny Tompo miray amin ’ Ambatoareny Soatanana eto Madagasikara izay mitana ny fototra avy amin ’ ny Dada Rainisoalambo namorona ny toby rehefa nahazo antso tamin ’ Andriamanitra izy. Toby fifohazam - panahy lehibe niorina voalohany teto Madagasikara. Efa mananika ny 10 taona izany fibodoana sy fanaovana hosoka izany ankehitriny ary tsy nahazo rariny tany amin ’ ny Fitsarana na Fanjakana nalehany mihitsy ny mpanara - dia ny fototra noho ny fahaizan - dRavita Petera nandritra ny Fitondran - dRavalomanana.  Mbola tsy mety miravona ankehitriny ny olana any amin’ ny toby fifohazam - panahy naorin -dRainisoalambo any Soatanana Avaratra ao Ambatoareny Distrikan’ Isandra ao anatin’ ny Faritra Matsiatra Ambony. Bodoin’ ny Fiangonan’ ny Fifohazan’ ny Mpianatry ny Tompo niandoha tao Ambatoareny tarihin - dRavita Petera nandritra ny 8 taona teo ho eo ny toby naorin ’ ny Dada Rainisoalambo. Ity toby ity no nisy ny fifohazam - panahy lehibe sady voalohany indrindra teto Madagasikara. Toby tsy miankina no nahafantaran’ ny mpino kristiana azy hatramin’ izay. Tamin’ ny alàlan’ ny fifidianana tsy nahatratra ny fetran’ isa  94 amin’ ny 130 tonga nifidy taorian’ ny nahafatesan’ ny Raiamandreny nitondra ny toby ny taona 2002 no nandraisany an - keriny ny fitondrana. Ny isan’ ny mpifidy anefa dia manodidina ny 500 eo ho eo.
Nampiasa safeli - dratsy
Notoherin’ ireo mpino manaraka ny fototra nipoirana avy amin’ ny Dada Rainisoalambo anefa ny maha ara - dalàna izany fifidianana izany,  ka teo no nanomboka ny olana. Ravita Petera no lany tamin’ io ampaham - bato tsy nahatratra ny fetran’ isa io ary noraisiny an -keriny sy ny mpanara - dia azy ny fitantanana ny toby. Kanefa dia tsy nahazo fankatoavana hatrany amin’ ny ministera mpiahy izy. Ny rafitra rehetra napetraky Dada Rainisoalambo izay nifandimbiasan’ ireo mpitantana na Raiamandrenin’ ny toby nifandimby,  dia nohitsakitsahiny ary naongany avokoa ireo tomponandraikitra rehetra tao anatin’ izany fitantanana ny toby izany toy ny Filankevi - piangonana, Pasitera, Iraka, Mpampianatra ary ny maro hafa.  Nisy ihany koa ny fanakatonana ny fiangonana sy ny sekoly tao Ambatoareny tamin’ izany fotoana izany.
Nanova fitsipika
Tsy vitan’ izay fa novainy hatramin’ ny fitsipika mifehy ny toby sy ny anaran’ ny fiangonana araka ny fanamarinam - paharaisana laharana faha – 1046 - min. inter – Sg – Dat – Sga - Gn tamin’ ny 28 - 02 - 2008.  Raha Fiangonan’ ny Fifohazan’ ny Mpianatry ny Tompo miray amin’ Ambatoareny Soatanana eto Madagasikara no anarany hatramin’ izay dia novain’ izy ireo hoe Fiangonan’ ny Fifohazan’ ny Mpianatry ny Tompo niandoha tao Ambatoareny.  Ny fanafohezana ny Ffsm anefa dia nampiasainy hatrany. Izany hoe, ilay didim - panjakana nivoaka tamin’ ny 15 oktobra 1963 laharana 63 586 ihany no noentiny nampanankery io anarana vaovao io. Ny fampiasana izany didim - panjakana izany sy ny fitsipik’ izy ireo no noentin’ izy ireo nanodinkodinana sy nangalaran - dRavita Petera sy ny namany ny fananan’ ny toby.  Nisy ihany koa ny fandotoana ny fiangonana tamin’ ny fanosorana maloto (tay) noentina nanosoram - potaka ny mpifanandrina tamin’ izy ireo. Nisy mihitsy ny fijoroana vavolombelona nataon - dRalaiharisoa Tolojanahary Daniel mahakasika izany. Ankoatra izay, dia voatonontonona ho nampaniraka hamono hahafaty an - dRandriantsara Samuel sy Rakotomamonjy ary Pasitera Radaniela ingahy Ravita Petera. Nomena vola 2 400 000 Ariary ny olona nirahina hanao izany.
Nandritra izay folo taona latsaka izay,
dia tsy nahazo rariny teny anivon’ ny Fitsarana sy ny mpitondra Fanjakana ny mpanara - dia ny fototra manaraka ny lamina nolovaina tamin’ ny Dada Rainisoalambo nanorina ny toby ao Soatanana Avaratra any Ambatoareny. Voalaza fa nanana olona ambony niaro azy tamin’ izay rehetra nataony ity Ravita Petera ity nandritra ny Fitondran - dRavalomanana. Misy araka izany ny antso avo ataon’ izy ireo ny Fitondrana tetezamita tarihin’ ny Filoha Rajoelina mba hijery akaiky izao olana misy ao amin’ ny tobin’ ny Dada Rainisoalambo izao. Ny Pasitera Rakotondratsimba Evariste, ny Iraka Radaniela, Ny Pasitera Somahely ary ny Pasitera Rabadistra no mpitondra tenin’ ny fiangonana Ffsm amin’ izany.
Tiana Rakoto
http://www.laverite.mg/


 
Kardinaly sy ny mpitandrina... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Tsy fahafirin’izay efa niteny sy nanan-kambara momba ny ray aman-dreny Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA, nandao antsika tsy ela akory izay, aho. Kanefa ny niarahako niasa taminy akaiky nandritra ny naha-Tonian’ny FFKM aho, tamin’ny 1993 ka hatramin’ny 2000, dia tsy mamela ahy hangina tsy hilaza fohy ireto zavatra ireto izay nampisongadina tao amin’ity ray aman-dreny ity , ohatra velona momba ny atao hoe ezaka ekiomenika, iantsoan’ny Tompo antsika.

Ny atao hoe ezaka ekiomenika mantsy dia tsy adihevitra na fandalinana ihany, fa vavaka sy fihetsika ary toe-tsaina indrindra koa.

Nandritra ny naha-Eveken’i Mahajanga azy, nanomboka ny Avrily 1978, dia nampiavaka azy manokana ireto fihetsika aman-toetra ireto : tena nazoto nitsidika faritany izy. Somary lava dingana izay moa izy, ka nazoto nandeha an-tongotra, ary tsy nampiahotra azy ny nandeha lakana. Nomen’ny faritany anarana hoe Baba izy. Ny atao hoe Baba any amin’ny faritry ny Sakalava dia ray aman-drenin’ny rehetra, manaja azy na ny Kristiana, na ny mpanompo sampy aza. Ary ity no tena zava-dehibe : rehefa mitsidika faritany ka tonga amin’ny tanàna izy, dia tsy ny Kristiana Katolika ihany no vangiany sy mandray azy, fa ny Kristiana hafa koa , dia ny Protestanta samihafa, satria, hoy izy, samy mila hery ireny. Ny ataony amin’izany dia ny miresadresaka mankahery an’ireo hazoto amin’ny finoany avy, fa tsy mitaona an’ireo ho lasa katolika velively akory. Tena fihetsika ekiomenika maha-te hidera tokoa izany !

Raha feno folo taona no nitsidihan’ny Papa Joany Paoly faharoa an’i Madagasikara ( 1989), dia izy, izay voatendry ho Kardinaly, nanomboka ny Febroary 1994, no nangataka ny Papa, hanasa ny Filoham-piangonana tao amin’ny FFKM, hitsidika ny Papa tao Vatican. Ka dia voaasa tany Vatican ary nivahiny tany nandritra ny folo andro, ny Filoham-piangonana telo mirahalahy, miampy azy rahateo. Ireto ny Filoham-piangonana tamin’izany : Sa Grâce Rémi Joseph RABENIRINA, Filohan’ny EEM, sy Ramatoa vadiny, Pastora Benjamin RABENOROLAHY, Filohan’ny FLM, sy Ramatoa vadiny, Ny Mpitandrina Edmond RAZAFIMAHEFA, sy Ramatoa vadiny. Dia izy mihitsy no tonga tao amin’ny biraon’ny FFKM, niteny tamin’ny Tonian’ny FFKM hoe “Fa angaha moa mandeha ny FFKM raha tsy ao ianao, Tonia, koa andeha karakarao ny pasipaoronareo mivady ho any Roma isika hitsidika ny Papa”. Izany no nahatonga anay mivady ho anisan’ireo nitsidika ny Papa tany Vatican, ka nihaona taminy izahay, ny 19 jona 1999. Tsy lazaina intsony ny hatsaran’ny fandraisana anay sy ny fanomezana avy amin’ny Papa ary ny dinidinika nifanaovana tamin’ireo tompon’andraikitry ny fifandraisam-piangonana samihafa avy amin’ny fitondrana tao Vatican. Marihina fa niantohana tanteraka ny saran-dàlana mandroso sy miverina ary ny fiananay tany Roma.

Moa tsy fihetsika ekiomenika lehibe manokatra ho amin’ny fifankahalalan’ny samy Kristiana ve izany ?

Tamin’izany fitsidihanay izany koa no nitondran’ny Kardinaly Armand RAZAFINDRATANDRA anay, hitsidika ilay Katedraly nanendrena azy ho Kardinaly Pretra dia ny katedraly Ss. Silvestro e Martino ai Monti, ao Roma. Ny Kardinaly rehetra mantsy dia manana katedraly iandraiketany manokana ao Roma. Nampihetsipo ny fanompoam-pivavahana fohy nataonay niaraka, ka izahay mpitondra fivavahana dia samy nanao ny akanjom-panompoana.

Fa tsy fifandraisana amin’ny fara-tampony tahaka izany ihany no nokarakarain’ny Kardinaly Armand RAZAFINDRATANDRA fa ny fifandraisana eo amin’ny ambaratongan’ny samy Fiangonana sy samy mpanompo na dia samy hafa finoana koa aza.

Raha vao tonga kelikely teto La Réunion aho, tamin’ny 2001, dia notongavan’ny vehivavy lehibe mpiray trano taminay, nanontany hoe : “Ianao ve Tompoko, no Pasteur Josoa Rakotonirainy ? Fa mitady anao amin’ny telefaonina ny avy any amin’ny Eveché ?” Rehefa noraisiko ny telefaonina dia ny Kardinaly Armand RAZAFINDRATANDRA no niteny tamiko : “Mandalo eto aho ka tsara raha mihaona isika”. Dia natao ny fotoana nihaonana, ka ny Eveka Katolikan’ny Ranomasimbe Indiana rehetra, no tonga nihaonako sy nanasa ahy hiara-misakafo tamin’izy rehetra. Tamin’izay no nifankahalalako voalohany tamin’ny Evekan’i La Réunion, Mgr Gilbert AUBRY. Ny fifandraisana amin’io ray aman-dreny lehibe io no ananan’ny FPMA La Réunion tombony amin’ny zavatra rehetra.

Isaky ny mandalo eto La Réunion ny Kardinaly Armand RAZAFINDRATANDRA dia tsy manadino ny miantso anay ary efa niantrano tato aminay mivady izy, niara-nisakafo taminay tamin’ny Mey 2006.

Porofon’ny fahatsorampony izany ary fanomezany lanja ny fifandraisan’ny samy olona, samy Malagasy, samy Kristiana, na dia samy manana ny finoany aza.

“Mba ho iray ihany izy rehetra” (Joany 17:21).

Io no tarigetran’ny Kardinaly Armand RAZAFINDRATANDRA. Mandra-pahatanterak’izany, mivavaka isika ary manaiky hanao ny ezaka ekiomenika, amin’ny alalan’ny fihetsika sy ny toe-tsaina misokatra, tahaka izay nananan’ny Kardinaly Armand RAZAFINDRATANDRA. Ho voninahitr’Andriamanitra anie ny fiainan’ny mpanompony.

Pasteur Josoa RAKOTONIRAINY

Mpitandrina FPMA La Réunion

Tonia FFKM (1993-2000)

 
Détresse des familles migrantes... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
Fédération de l'entraide protestante
 
<< Début < Précédente 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivante > Fin >>

Résultats 1 - 10 sur 257
 
Joomla Templates by Joomlashack