|
pasitera
|
Azonao hafarana miaraka amin’ny chèque
25€
Ezahina mba hakambana izan-tafo ny fanafarana
azy
Ka olona folo farafahakeliny.
Adiresy andefasana ny chèque
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
Descriptions du produit
Présentation de
l'éditeur
Un
commentaire en un seul volume écrit par 70
théologiens africains sous la direction de Tokunboh
Adeyemo... La publication du Commentaire biblique contemporain est
un événement remarquable : il s agit du premier
commentaire en un seul volume écrit en Afrique par des
théologiens africains pour répondre aux besoins
spécifiques des pasteurs, étudiants et laïcs
africains. Interprétant la Bible à la lumière
des cultures africaines et des réalités modernes, il
offre des regards pertinents et utiles qui transcendent l Afrique.
Le Commentaire biblique contemporain apporte un découpage et
une interprétation du texte par section constituant ainsi un
guide contextuel, lisible et abordable de toute la Bible. Les
lecteurs, partout dans le monde, bénéficieront de cet
ouvrage. Ils apprécieront son approche originale et son
style direct qui engagent à la fois le cœur et
l’esprit. Points clés du livre : Écrit en
Afrique par des théologiens africains pour l Afrique et le
reste du monde. Commentaire et application du texte à l aide
d un découpage et d une interprétation par section.
Plus de 70 articles sur des sujets capitaux pour l exercice d un
ministère en Afrique aujourd’hui. 70 auteurs
différents d Afrique francophone et anglophone Transcende le
contexte africain avec un regard pertinent sur le texte biblique et
la foi chrétienne au bénéfice des lecteurs du
monde entier.
Biographie de l'auteur
Andriatsimialomananarivo
Solomonest professeur et chef du département d Histoire et
Théologie à la Faculté de Théologie
Évangélique de l'Alliance Chrétienne
(FATEAC), Abidjan en Côte d'Ivoire. Il est directeur
exécutif du Centre for Biblical Transformation, ancien
secrétaire général du Groupe biblique
universitaire de l’Afrique francophone
(GBUAF).
|
|
|
Administrator
|
|
Tanteraka soa aman-tsara ny Zaikabe sy Synaoda Faritany Avaratra Atsinanana natao teto Dijon tamin'ny Asabotsy 28 Febroary sy Alahady 1 Mars teo.
Ny Asabotsy tamin'ny 16 ora no nanomboka ny fotoana. Nisy fotoam-pivavahana notarihin'ny Pasitera Desiré Andrianarivo izay narahin'ny fampianarana nataon'ny Pasitera Pascaline Andrianaly. Rehefa avy nisakafo hariva dia nitohy tamin'ny "takariva amorom-patana" ny fotoana izay nandraisan'ny Tafo tsirairay anjara.(jereo ny sary tamin'izany)
Ny Alahady maraina, tamin'ny 8 ora no nanomboka ny fivorian'ny Synaoda . Ny filohan'ny Faritany vaovao dia Ramatoa Rakotonirina Felana, ary hisaorana be dia be Ramatoa Rakotoarisoa Jackie izay nitantana ny Faritany teo aloha ary nampiroborobo azy.
Nanomboka tamin'ny 10h30 ny fotoam-pivavahana notarihin'ny Pasitera Synodaly Ravalitera Jean.
Mbola nitohy ny fotoana taorian'ny fiara-misakafo tamin'ny fametrahana ny Biraon'ny Faritany vaovao.
Ireto ny sary nandritra izany fotoana izany. |
|
Tohiny...
|
|
|
pasitera
|
|
Miditra indray indray isika izao eto amin'ny FPMA, asa na mba efa
vita ny soritr'asa izay novinavinaina hatao mandritr'ity taona
2008 ity ary miaraka amin'izany koa ny fandaniana aterak'izany.
Izany no lazaina moa dia tsotra iahany. Ny ahazoana manao jerikina
amin'ny faran'ny taona ny amin'ny asa vita sy ny antony tsy
nahavitana azy. Indrindra moa fa hiditra amin'ny fanomanana
synaoda sika izao. Tsy dia ny synaoda loatra anefa fa ny
fifidianana na ny fanavaozana an'ireo mpiandraikitra ao amin'ny
birao foibe FPMA izay mitantana ny raharaha.
Na dia samy birzao foibe aza dia hita fa natao mitokana ny atao hoe
positra synaodaly na ny filohan'ny FPMA. Izay voafidy amin'io
positra io dia tsy maintsy mpitandrina ary dia miasa matihanina
amin'izany. Ny mahagaga anefa dia tsy azo fidiana intelo izy io fa
indroa ihany. Izany hoe miasa efatra taona izany. Ny teny momba
izany any amin'ny fitsipikin'ny FPMA dia sarotra ihany vao mahita
azy satria tena napetraka amin'ny toerana izay tsy ampoizina. Asa
izay fomba ahazoana manao ny "contrat de travail" ho an'izany
mpitandrina izany. Antenanina fa ny Vaomiera Mandinika ny asan'ny
Mpitandrina (VMM) eto amin'ny FPMA dia hitondra ny fitsimbinana
momba izany.
Ny mitarika ny saina koa dia izay niseho nandr'iny
fotoam-pialantsasatra iny momba ny FPMA sy ny mpiasa ao aminy.
Betsaka tamin'ireo tompon'andraikitra teto amin'ny FPMA, na tany
amin'ny Tafo izany, na ny faritany eny hatramin'ny foibe aza no
tany Madagasikara naka rivotra. Nisy tamin'izy ireo nihaona
tamin'ireo tompon'andraikitra maro tany an-toerana ka voamariky
ny mpanao gazety ary dia vovaky eran-tany izany. Ny nahalasa ny
saina fa na dia mba voateny ihany aza ny maha FPMA dia tsy mba
voateny tao ity olona miandraikitra ny paositra synaodaly ity. Toy
ny biby tsy misy lohany ny FPMA. Asa izay tena antony fa mba
mahalasa ny saina ihany. Indrindra moa fa ilay fiantsoana mpanao
gazety tamin'ny anaran'ny FPMA. Ny FPMA no miantso nefa ny
Filohan'ny FPMA dia tsy mba nisy na dia teny iray eny fa na dia ny
anarany aza tsy mba voatonona tao.
Mahavariana izany. Fa mahalasa fisaiana hoe fa mba aiza moa io
Filohan'ny FPMA io ? sa efa eritreretia fa tsy eo intsony izy eny
fa na dia ny anarany aza dia tsy lazaina akory. Matetika dia ny
olona no jerena fa tsy ny andraikiny. Tsy misalasala izahay ny
milaza aminao izay mety tsy mahafantatra ny anarany nohon'izany
anton-javatra izany fa Jean Andriamarohasina RAVALITERA no
anarany, mpitandrina sady mpampianatra teolojia izy .
Izy no filohan'ity FPMA ity, FPMA izay azo lazaina fa anisan'ny
Fiangonana naorin'ny malagasy kristiana "propesta". Tsy mba
tahaka ny FJKM na ny FLM izay naorin'ireo misionera tany
Madagasikara ny FPMA. Fa ireo malagasy nandalo, niasa, nianatra,
niady taty ivelany no nataon'Andriamanitra fiasana hanorina
azy.Fijoroana vavolombelon'ireo zoky raiamandreny
izany.
Amin'ny maha malagasy azy dia mpitondra teny ihany ireo izay
miteny amin'ny anaran'ny FPMA fa tsy maintsy lzaina izay
raiamandreny nampitondra izany teny izany. Izany raiamandreny izany
no tsy mba hita soritra tamin'ireny soratra novakiantsikatamin'ny
gazety ireny. Asa na ny mpanao ny lahasoratra ny nanadino na tsy
nahafantatra ny anaran'izany raiamandreny izany. Naz izany na tsy
izany dia andraikitry ny mpitondra teny ny milaza izany mazava.
Very ny maha Andriamarohasina an'ity Filohan'ny FPMA ity. Toy ny
biby tsy misy lohany ny FPMA. Ny voalohany izay atao dia ny manao
fampahalalana ny FPMA ary tandra vadik'oditra amin'izany ny
raiamandreny izay mitarika azy.
Hiditra amin'ny synaoda isika izao, hanomana ireo antota-taratasy
maro. Handre tatitra maro isan-karazany ary koa vinavinan'asa.
Hidinika momba izany ny Komity maharitra amin'ny 27 septambra 2008
izao. Ny irina dia ny mba ahatongavan'ny antota-taratasy mikasika
ny lahadinika mba ho tonga any amin'ny isam-baratongany avy
ahazoana mandinika sy manao sosokevitra.
Hanakalaza koa isika amin'ity taona ity ny faha 50 taonan'ny
FPMA. Miditra amin'ny andiany fahatelo izao ny mpikambana eto
zamin'ny FPMA. Fa raha ny miaramila tamin'ny ady lehibe voalohany
no azo lazaina fa andiany voalohany izay ny Pr. Escande izay nonina
tany Strasbourg no pasteur aûmonier voalohan'ny malagasy
taty Frantsa. Ny andiany faharoa kosa dia tany amin'ny taona 1948
tany ho any dia ireo mpianatra maro ary tao anatin'izany ireo izay
nokendren'ny mpanjanantany fa ho cadre moyen (izany hoe tsy ho
directeur fa ho chef de service) ao amin'ny fitondram-panjakana no
nisolo izany ary dia tao antin'izany vanimpotoana faharoa izany no
nahaterahan'ny FPMA amin'izao fotoana izao. Ny andiany fahatelo
indray dia heverinay fa tany amin'ny taona 1990 tany ho any izay
nomarihin'ny fandraisan'ny FPMA ny fahaleovantenany tamin'ny
taona 1996 tamin'ny synaoda tany amin'ny FPMA Cergy ka
notontosaina tany amin'ny faculté évangélique
Vaux/Seine. Teo no nahatsiarovan'ny FPMA fa efa lehibe izy tokony
hiaina arak'izany dia ny fanany fizakantena amin'ny lafiny
rehetra : rafitra, fifandraisana, tokantrano sns. Tamin'izany no
nanapahana fa hanana mpitandrina ho azy ny FPMA. Ka asa izay
"fijorana ho lehibe" mbola eritreretin'ity teny entina makalaza
ity faha 50 taona ity.
Tsara ny manamarika fa nadritriny adilebe dia ny miaramila no
niantoka ny mpitandrina niasa teto amin'ny FPMA. nisy moa ireo
mpitandrina malagasy maro izay nilatsaka antsitrapo ho miaramila ka
nanao izany asan'ny mpitandrina izany. Rehefa vita ny ady lehibe
faharoa dia ireo mpitandrina malagasy nianatra teto Frantsa no
nanao ny fandridrana ny asan'ireo Tafo izay efa niorina teto
Frantsa. Tamin'izany no nangatahan'izy ireo ny Conférence
Intermissionnaire (izay nivadika ho Fiombonan'ny Fiangonana
Protestanta Malagasy FFPM taty aoriana) tany amin'ny taona 1950
tany ho any mba hanany Mpitandrina ho an'ny Mpianatra malagasy aty
an-dafy. Hatramin'ny taona 1995 tany ho any no nandraisan'ny FPMA
tanteraka ny fiveloman'ny mpitandrina synaodaly FPMA.
Tena misy io mpitandrina synaodaly io na dia tsy lazaina amin'ny
gazety aza. Tena azo tsapaintanana ny asany eto amin'ny FPMA. Raha
te-hahita maso azy ianao dia mba vangio izy fao amin'ny Maison de
Protestantisme, 47 rue de Clichy; 7509 Paris no iasany ary ny
telefaonina ahazoana azy dia ny 01 45 96 03 05.
Ento amim-bavaka ny asany, ny vady aman-janany fa dia tsy avoaka
gazety malagasy aza izy dia avoakan'ny TOmpo hamangy antsika
amin'ny alalan'ny fitoriany ny filazantsara ary koa ny
fampianarana izy ataony. |
|
|
pasitera
|
|
Ny FPMA, Tafo Dijon ary ny Ny Antoko-mpihira ao aminy dia faly
miarahaba anareo rehetra amin'ny anaran'nyTompo.
Ary maneho etoana ny fankasitrahana sy fankatelemena ho
anareo tompon'andraikitra isan'ambaratongany avy eto amin'ny
FPMA, Tafo Bordeaux tamin' ny CHORALIE 2008 izay natao tany
BORDEAUX, nentina nidera an'Andriamanitra.
Manolotra ny fisaorana koa tamin'ny fandraisana sy ny fikarakarana
izay telina sy ankasitrahana.
Ho an'Andriamanitra irery anie ny laza sy ny voninahitra.
Ny Antoko-mpihira F.P.M.A. DIJON. |
|
|
Felana
|
|
Ferme de la Chaux -Goshen - Chateauneuf en Auxois.
Le 5 et 6 AVRIL 2008, la FPMA Dijon a fait une retraite spirituelle ; le thème, abordé avec beaucoup de convivialité et de communion fraternelle, est « le mal et la croix »; thème assez difficile direz-vous mais combien nécessaire ; les questions qu’on pourrait poser autour en témoignent : -d’où vient le mal ?-pourquoi le mal ? –pourquoi fait –on du mal alors qu’on veut faire du bien ?si Dieu existe, pourquoi le mal ?-quelle solution au mal ?-qui véhicule le mal ?-la colère de Dieu contre le mal ? la fin du mal ?…
(cf. les photos durant cette sortie) |
|
Tohiny...
|
|
|
|
<< Début < Précédente 1 2 Suivante > Fin >>
|
| Résultats 1 - 9 sur 17 |