A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga030.JPG

Firy

Il y a actuellement 1 invité en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Décembre 2008 > »
L M M J V S D
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31 1 2 3 4

Radio Fpma

Tonga Soa
Tonga Soa Novambra
pasitera   

"…Mandrapahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben' ny fahafenoan'i Kristy…" Efesiana 4.13 .
Teny izay nataon’i Apostoly Paoly ho an’ireto olona kristiana izay nonina tany Efesosy ka mahatoky ao amin’i Kristy Jesosy. Nalaza tamin’ny finoany an’i Jesoa Tompo ireto olona nonina tany Efesosy izay tsy hafa fa ilay tanàna any Torkia (Turquie) amin’izao fotoana izao .Na dia tao aza izany , ny Apostoly Paoly dia nangataka ho azy ireo ny hanomezan’Andriamanitra azy ireo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ny fahalalana tsara an’i Kristy Jesosy.

Tohiny...
 
Fotoana Novambra 2008
Administrator   

Toy izao ny fotoanantsika mandritra ity volana Novambra 2008 ity :

Alahady 9 Novambra :
15h : Fotoam-pivavahana tarihin'ny Pasitera D. Andrianarivo.
17h : Fanomanana ny Noely

Alahady 23 Novambra :
15h : Fotoam-pivavahana tarihin'ny Pasitera D. Andrianarivo, miaraka amin'ny Chorale.
17h :  Fanomanana ny Noely

Azonao alaina eto ny fandaharam-potoanantsika manomboka ny Septembre 2008 ka hatramin'ny Juillet 2009.

 

 
...ho mendrika
pasitera   

Fa maro no nantsoina nefa vitsy no fidina Mat 22.14
Ry havana malala,
Tamin’ny farany teo dia ny hoe Izay farany no voalohany ary izay voalohany no ho farany izay teny miverina indroa ato amin’ny Mt 19.30 ary 20.16. Izay manambara amintsika fa ny fijerin’Andriamanitra dia tsy mitovy amin’ny antsika, na koa izay fomba fiainantsika dia tena samihafa amin’Andriamanitra. Amin’ity anio ity isika dia hijery indray ny momba izany hoe fanasana ataon’Andriamanitra izany amin’ny alalan’ireto teny izay noresahantsika teo dia ny Isaia, Salamo, Filipiana ary ny Matio.

Tohiny...
 
Fisaorana
Administrator   

  Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa aman-tsara ny Dîner Concert natao tamin'ny Asabotsy 25 Octobre teo. Nanafana ny fotoana tamin'izany ny Tarika ANTSA PRAISE avy any Paris , izay isaorana manokana etoana.

Nandray anjara tao koa ny ankizy sy ny Tanora avy eto amin'ny FPMA Dijon tamin'ireo zava-maneno sy dihy. Tsy adino koa ny fikarakarana rehetra , indrindra momba ny sakafo, nataon'ny Sampana SVK.
Jereo eto ny sary tamin'izany

 
LIFO (last in, first out)
pasitera   

Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany (Last in, first out na LIFO) Mat 20.16
Miarahaba antsika tratr’izao taona taompianarana vaovao 2008-2009 izao indray. Mariky ny famindrampon’Andriamanitra amintsika rehetra nohon’ny fitiavany antsika. Taona izay heverinay fa tokony hirosoantsika bebe kokoa amin’ny fanarahana ny Tompo : mba tsy ho zaza intsony isika... fa mba haraka ny marina amin’ny fitiavana ka hotombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’izay loha, dia i Kristy Efes.4.14-14.
Mbola mitohy hatrany koa anefa ny famakiana ny boky nosoratan’i Matio ka anio dia ny toko faha 20.

Tohiny...
 
Calvin : enfance et études
calvin2009.fr   

  Jean Calvin est né le 10 juillet 1509 à Noyon, dans le Nord de la France (environ 100 km au nord de Paris), sous le nom de Jean Cauvin. Son père y était notaire du chapitre de la cathédrale, un laïc au milieu du clergé, investi d’une fonction importante. Dès l’âge de 12 ans, Jean Calvin reçoit sa première prébende, une partie du bénéfice d’une charge de curé (la Chapelle de la Gésine.) Jusqu’en 1523, Calvin fréquente l’école de son village natal. À 14 ans, ses parents l’envoient à Paris, au Collège de la Marche, un internat célèbre dirigé par un professeur de latin, Mathurin Cordier. Cordier est célèbre comme fondateur d’une nouvelle pédagogie. Bien qu’il ait enseigné le latin pendant très peu de temps à Calvin, Calvin l’admire toute sa vie durant : plus tard, Cordier est même nommé directeur et organisateur du système scolaire à Genève et Lausanne.

Tohiny...
 
 
Joomla Templates by Joomlashack