|
pasitera
|
|
Ny gazety, Dinidiniky ny Mpinamana
n°43 juillet-Août 1922, izay gazety voalohany
nataon’ireo Malagasy miaramila izany na tsia tany Frantsa.
Tamin’izany gazety izany no nahitana fa tamin’ny
alahady 5 avril 1921 tao amin’ny Maison des missions, 102
boulevard Arago , Paris 14è no nivory ny fiaraha-mivavaka
tao Paris sy ny tany Charenton ary ny avy any Vincennes izay tsy
lavitra an’I Paris. Koa rehefa vita ny fanompoam-pivavahana
izay notarihin’ Robinson, adjudant ary ny toriteny izay
nentin’I M.Beaulieu, misionera miasa any Mahajanga |
|
Tohiny...
|
|
|
pasitera
|
|
« Fa ny fahasoavana sy ny
fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy
Kristy . Jao.1.17b
. Teny izay tsy vaovao
amintsika ary tiana koa ny mba ampahatsiahivina amintsika
amin’izao fiandohan’ny taona 2012 izao. Ny fahasoavana
ary ny fahamarinana dia tsy misaraka ary tsy azo sarahina. Raha
tonga tamin’I Mosesy tokoa mantsy ny lalàna na ireo
fampianarana maro samihafa. Izany fampianarana izany dia voarakitra
ao amin’ny boky dimy voalohany nosoratan’I Mosesy ao
amin’ny Testamenta taloha. Voa tantara tamin’izany ny
fiandohan’izao voahary rehetra izao, ny fahasimbany ary ny
nanarenan’Andriamanitra azy. |
|
Tohiny...
|
|
|
pasitera
|
Alahady 8 janoary 2012 : ERF Dijon
2 ora hariva : Katekomena
3 ora hariva : Fanompoam-pivavahana Fandraisana ny Fanasan'ny
Tompo
5 ora harivana :Fisotroana Dite miaraka :
gallette de roi
Alahady 22 janoary 2012 : FIARAHA-MIVAVAKA EKIOMENISMA eto
Dijon
10h15': Fanompoam-pivavahana Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
mandray anjara ny Antokompihira
Fiarahana mandray vahiny miaraka amin'ny ERF Dijon amin'ny ERF
ihany
Ny folak'andro : FPMA Dijon : ERF Dijon
:Alahadin'ny Sampana Vehivavy SVK
3 ora hariva : Fanompoam-pivavahana
tarihin'ny SVK Dijon
5 ora hariva :Fisotroana Dite miaraka
Alahady 29 janoary 2012 : Any amin'ny Katolika Ste
Bernadette
11h : ny fanompoam-pivavahana
mandray anjara ny Antokompihira
Ny sekoly alahady dia misy isaky ny alahady iangonana
Ny fivoriana rehetra dia ao amin'ny fiangonana ERF Dijon , 14
boulevard de Brosses , 21000 Dijon |
|
|
pasitera
|
|
..fa izay rehetra manana dia homena, ka
hanambe izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia
halaina aminy ?. Mat.25.29
Miarahaba antsika tratr’izao alahady
mialohan’ny farany taom-piangonana 2011 izao indray. Mariky
ny famindrampon’Andriamanitra amintsika rehetra
nohon’ny fitiavany antsika.
Ary raha ny teny izay novakiantsika
tamin’ity andro anio ity dia milaza koa fa efa mifaram-parana
ny fampianarana nataon’i Jesosy ary ny fandalovany tety
an-tany. Koa , raha ny filazantsaran’i Matio no jerena dia
misy fanontaniana 2 tiana ho jerena,
* Ahoana no fomba ijerena izao teny izao
?
* Fomba ahoana no hiainana azy ? |
|
Tohiny...
|
|
|
pasitera
|
|
Dia tezitra ny tompony ka
nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly mamdrampandoany ny trosa
rehetra. Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any
an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo
amin’ny fonareo avy hianareo. Mat.18.34-34
Ry havana malala,
Miarahaba antsika tratr’izao taona
taompianarana vaovao 2011-2012 izao indray. Mariky ny
famindrampon’Andriamanitra amintsika rehetra nohon’ny
fitiavany antsika.Fotoana koa izay iaraha-mahalala fa
ahatsiarovan'ny maro ny faha 10 taonan'ny zavatra nitranga tany
Etazonia tamin'ny 2001.
Taona izay heverinay fa tokony
hirosoantsika hatrany amin’ny fanarahana ny Tompo : mba tsy
ho zaza intsony isika... fa mba haraka ny marina amin’ny
fitiavana ka hotombo amin’ny zavatra rehetra ho
amin’izay loha, dia i Kristy Efes.4.14-14.
Mbola mitohy hatrany koa anefa ny
famakiana ny boky nosoratan’i Matio ka anio dia ny toko faha
18. |
|
Tohiny...
|
|
|
pasitera
|
|
Ry havana malala ao amin’ny
Tompo,
Ho aminareo rehetra anie ny Fahasoavana sy ny
Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy
Masina !
«Efa imbetsaka ary tamin'ny
fomba samihafa no nitenenan'Andriamanitra fahiny tamin'ny
razantsika tamin'ny alalan'ireo mpaminany; fa amin'izao andro
farany izao kosa dia tamin'ny alalan'ny Zanany no nitenenany
tamintsika. Io Zanany io no naharian'Andriamanitra izao tontolo
izao, ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra»
Hebreo 1, 1-2 |
|
Tohiny...
|
|
|